Ny tantaran'ny ‘tranokely rosiana’ ao Havana, Kiobà, an-tsary

Ilay antsoin'ny daholobe hoe “casitas rusas” (tranokely rosiana), ny tokana voarafitra ao  Juan de Dios Fraga (Saripika: Lucy Gmorell).

Ilay Kiobàna mpaka sary Lucy Gmorell ao amin'ny Periodismo de Barrio no nanangana ity ranty ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices izany noho ny fifanarahana media.

Any amin'ny tanàna itatr'i La Lisa, kaominin'i Havana, no misy toerana antsoin'ny rehetra hoe Los Rusos (Ry Rosiana), na dia Juan de Dios Fraga aza ny tena anarany. Manana ny tantarany manokana io anarana roa io. Tamin'ny taona 1964, roa taona taorian'ny fifandonana ara-diplaomatika teo amin'i Kiobà, Etazonia ary ny Firaisana Sovietika fantatra ao Kiobà amin'ny hoe Krizin'ny Oktobra ary Krizin'ny balafomanga Kiobàna any an-toeran-kafa, dia naorina ao amin'ny Oniversiten'ny Siansa Informatika (UCI) amin'izao fotoana ny Foibem-Pikarohana sy Fihainoana radioelektronika fantatra amin'ny anarana hoe Tobin'i Lourdes, taorian'ny fangatahana avy amin'ny mpitarika ambony indrindra ao URSS.

Avy amin'izany, nisy ny distrika manokana natsangana ho an'ny havan'ny manamboninahitra sovietika nanao iraka tany Kiobà: ny manodidina ny Rosiana. Nitovitovy avokoa ny trano: chalets misy zaridaina sy patio (tokotany anatiny endrika espaniola), araka ny lamin'ny fananganana ny Ivotoeram-Pirenena misahana ny Fitsitsiana sy ny Fampiatranoana notarihin'i Pastorita Núñez; ankoatra ireo andian-tranokely telo misy tafo miendrika tapa-barika.

Tao anatin'ny taona 70s sy 80s dia azo antoka ny distrika ary nanokan-tena hivarotra vokatra isan-karazany ny fianakavian'ny miaramila Rosiana. Na dia amin'izao fotoana izao aza dia misy fahatsiarovana ny ela ilay fehezanteny hoe “Hividy amin'ny Rosiana aho” (voy a comprar a los rusos), fahatsiarovana vovohan'ny vanim-potoana niainan'izy ireo tao amin'io faritra io.

Tamin'ny taompolo 1990, taorian'ny nidarabohan'ny vondrona sosialista, niverina tany amin'ny taniny ny Rosiana, ary haolo ny manodidina. Tamin'ny taona 1993, natolotra ny mpiasa ao amin'ny Foibem-Pandinihana ny Hery Fiarovana ara-môlekiola (CIM) sy ny Ivotoeram-BakisinyFinlay (IFV) ireo trano ireo, na dia voahodidin'ny ahi-dratsy aza ny trano ary voaroba ny ao anatiny, nangalarin'ny mponina teo amin'ny manodidina avokoa izay rehetra navelan'ny Sovietika, eny fa na dia ny gorodona aza.

Tamin'ny taona 2022, taorian'ny fandalovan'ny Rivo-doza Ian, nanao fitsidihan'ny filoham-pirenena i Juan de Dios Fraga. Nanomboka teo dia nasiana asfalta (tara) ny arabe ary naorina indray ny amphitheathra teo an-toerana, izay efa tsy nampiasaina nandritra ny 20 taona teo ho eo.

Ankehitriny, mipetraka ao ny ankamaroan’ny mpiasan’ny CIM sy ny IFV, saingy tsy ry zareo irery no mponina manontolo. Izay mpiasa ara-tsiansa ela niasàna indrindra (15 taona nipetrahana) ihany no nanana zo hividy ilay trano tamin'ny fanjakana.

Trano hazo sy lalana vao norakofana tara (Saripika: Lucy Gmorell).

Trano fonenana nahatahiry ny endriny hatramin'ny voalohany (Saripika: Lucy Gmorell).

Toeram-Piompiana Los Muñoz, naorina teo amin'ny tany malalaka (Saripika: Lucy Gmorell).

Ankavia parking vaovao; ankavanana, fanorenna ahitana fampiatranoana misy fivarotam-panafody, mpivaro-kena sy bodega, naorina avokoa ireo rehetra ireo taorian'ny fitsidihan'ny filoha (Saripika: Lucy Gmorell).

Ny tatatra sy ny lalandranon'ny trano mikoriana mankany amin'ny renirano ao ankavanana, izay ilalaovan'ny ankizy sy ny tanora indraindray (Saripika: Lucy Gmorell).

Firafitra ôrizinalin'ny villa iray naorina tamin'ny faramparan'ny taompolo 1960s (Saripika: Lucy Gmorell).

Kamiao Ford amidy eo anoloan'ny trano iray eo amin'ny lalambe (Saripika: Lucy Gmorell).

Ny amphitheathran'ny manodidina naorina indray tamin'ny herintaona (Saripika: Lucy Gmorell).

Fivarotam-panafodin'ny fiarahamonina ao anatin'ny fanorenana nohavaozina (Saripika: Lucy Gmorell).

Ny trano fisakafoana tokana конец (Ny Farany) manamarika ny fetran'ny manodidina (Saripika: Lucy Gmorell).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.