Tombanana ho raharaha manokana sy adim-pahefana ny anton'ny fanjavonan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Shina Qin Gang

Pikantsarin'ny sioka farany nalefan'i Fu Xiaotian, ilay lazaina fa metiresin'i Qin Gang, tamin'ny 11 Aprily 2023.

Tsy niseho vahoaka ny Minisitry ny Raharaham-bahinin'i Shina Qin Gang hatramin'ny Jona 2023. Tsy nanatrika hetsika ara-diplaomatika lehibe izy, anisan'izany ny fihaonana lehibe tamin'ny Sekreteran'ny Tahirim-bola, Janet Yellen nandritra ny fitsidihany tany Beijing, ary niaraka tamin'ny Sekreteram-panjakana Amerikana Antony Blinken tao amin'ny ASEAN, izay samy natao tamin'ny fiandohan'ny volana Jolay.

Nolazain'i Beijing fa noho ny “antony ara-pahasalamana” tsy voafaritra mazava no hanazavany ny fanjavonan'i Qin, ary nilaza tamin'ny mpanao gazety mba “hiandry sy hijery” rehefa nanontaniana momba ny misy azy. Vitsy ny mino ny fanazavana ofisialy.

Qin, masoivoho teo aloha tany Etazonia, no nofidin'ny Filoha Shinoa Xi Jinping hisahana ny toeran'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny tamin'ny volana Desambra 2022. Voatendry ho mpanolotsainam-panjakana izy tamin'ity volana marsa ity, lasa mpikambana fototra ao amin'ny kabinetran'i Xi, mba hitantana ny mpiasa sy ny politika ara-diplomatika ao amin'ny firenena. Raha mbola hita ao amin'ny tranokalan'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Shina ny sariny miaraka amin'ny anaram-boninahiny minisitra, dia niparitaka toy ny afo tao amin'ny media sosialy ao an-toerana sy any ivelany ny tsaho momba ny manjò azy sy ny toerana misy azy. Ireto ny teoria lehibe ambadiky ny fanjavonany tsy ho hitan'ny besinimaro:

Olana ara-pahasalamana?

Maro no nametraka fisalasalana momba ny filazana ofisialy fa noho ny olana ara-pahasalamana no tsy ahitana ampahibemaso an'i Qin, satria tsy nanome antsipiriany izay tokony handresy lahatra i Beijing raha heverina fa mitovy amin'ny fialan-tsasatra noho ny aretina mandritra ny telo herinandro izany ankehitriny. Ankoatra izany, rehefa nanontaniana momba ny satan'i Qin, tsy nahavita nanafina ny fahamenarany ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny. Nanoritsoritra ny resadresaka nifanaovany tamin'i Wang Wenbin tamin'ny 12 Jolay momba ny tsy fahampian'ny fanazavana momba ny fahasalamana nomen'ny tatitra nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny tao amin'ny Twitter i James Mayger, mpanao gazetin'i Bloomberg any Beijing:

Nanontany ihany koa aho hoe nahoana no nofafan'izy ireo tao amin'ny “soratra nadika (transcript)” tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety omaly ny resaka fahasalaman'i Qin Gang ary nahazo valiny mahaliana.
Mampihomehy, tsy hita ao amin'ny rakitra momba ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ihany koa io fifanakalozan-kevitra io.

Herinandro taty aoriana, tamin'ny 17 Jolay, raha nangatahana fanampim-baovao momba ny satan'i Qin ny mpitondra tenin'i Mao Ning, dia niangavy ny mpanao gazety izy mba hijery ny tranokalan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny:

17/7/2023 Nanao be marenina tamin'ny fanontanian'ny mpanao gazety momba ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Qin Gang ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny AKS, Mao Ning, ka vao mainka niteraka fisalasalana bebe kokoa momba ny misy azy amin'izao fotoana!

Sa raharaha fiarahana ivelan'ny fanambadiana amin'ny mpanao gazety Phoenix TV?

Iray amin'ireo teoria malaza indrindra momba ny fanjavonan'i Qin ny filazana ny fisakaizany ivelan'ny fanambadiana amin'ny mpanao gazetin'ny Phoenix TV, Fu Xiaotian.

Soso-kevitra lehibe iray ao ambadiky ny tombantombana toy izany ny sioka nalefan'i Fu Xiaotian tamin'ny volana Aprily.

Ny fotoana farany nisidinako irery niaraka tamin'ity fiaramanidina ity dia avy any LA nankany DC noho ny fitsidihana arak'asa, ary hita fa mahafaly sady mampalahelo fa tafatafa farany nataoko tamin'ireo Mpitondra an'izao tontolo izao. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia avy any LA ihany koa no nandehanana niaraka tamin'ity fiaramanidina ity, saingy niaraka tamin'i Er-Kin zanako lahy sarobidy

Ny sary eo amin'ny ilany farany havanana dia nalaina tamin'ny resadresaka nifanaovan'i Fu tamin'i Qin tamin'ny volana Marsa 2022. Tsy nampahafantatra mihitsy i Fu hoe iza no rain'ny zanany. Fotoana fohy taorian'ny nanavaozany ny Twitter sy Weibo tamin'ny 11 April momba ny fiverenany any Shina miaraka amin'ny zanany vao teraka, dia nanjavona tamin'ny sehatra media sosialy rehetra izy.

Tsy voasivana tao amin'ny Weibo ny tsahon'ny fisakaizana ivelan'ny fanambadiana eo amin'i Fu sy Qin. Nivezivezy tao amin'ny media sosialy Shinoa ny pikantsary misy ny tafatafa tamin'ny fahitalavitra. Tantara maro ihany koa no mandalina ny fiainana manokan'i Fu Xiaotian, toy ny hoe afaka nanome vola ampy ho an'i Cambridge izy mba hananganana zaridaina Xiaotian Fu tamin'ny faha telopolo taonany.

Sa mety ho famotorana kolikoly?

Niteraka vinavina hafa momba an'i Qin voatarika ho amin'ny fanadihadiana momba ny kolikoly noho i Fu Xiaotian ny tsahon'ny fisakaizana ivelan'ny fanambadiana.

Na inona na inona fifamatorany amin'i Qin, dia miharihary ny harenan'i Fu. Betsaka ny fiampangana tao amin'ny media sosialy Shinoa momba ny fifandraisan'i Fu tamin'ireo manampahefana mpanao kolikoly teo aloha sy ilay miliaridera iray mifandray amin'ny Antoko Komonista Shinoa, Lai Leong, ary ilay mpanefoefo ao Hong Kong ao amin'ny orinasan'ny angovo ao Shina – sehatra tena saro-pady sy ara-politika.

Raha nanontaniana i Qin raha toa ka niharan'ny famotorana noho ny fifamatorany amin'i Fu Xiaotian tamin'ny 17 Jolay, dia tsy nandà izany i Mao Ning saingy nilaza fa tsy manana antsipiriany mivaingana momba ny toe-draharaha izy.

Araka ny fanambarana farany avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shinoa nanambara fa raha tokony ho Qin, dia i Wang Yi – Talen'ny Biraon'ny Vaomieran'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny CCP – no hanatrika ny fihaonan'ny Mpanolotsain'ny Fiarovam-Pirenen'ny BRICS amin'ny 24-25 Jolay, mbola mila “miandry sy mijery” ny fampitam-baovao mba hahafantarana ny toerana misy an'i Qin.

Mety ho ady fahefana ve izany?

Isaky ny misy ankamantatra tsy voavaly mipoitra amin'ny politika Shinoa, dia matetika entina ho fanazavana ny teoria momba ny firaisana tsikombakomba amin'ny adim-pahefana anatiny. Hatramin'ny nisafidianan'i Xi Jinping an'i Qin ho lehiben'ny sehatra ara-diplaomatika, ny hetsika ara-panoharana voalohany nataony dia ny fanovana toerana tao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny. Iray amin'ireo fanapahan-keviny niadian-kevitra indrindra ny fanesorana an'i Zhao Lijian, ambodia mpiady malaza ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny. Voatendry indray hiasa ao amin'ny Departemantan'ny Raharaha Ranomasimbe sy ny Sisintany i Zhao, izay tsaroana tamin'ny ady tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny Twitter.

Raha hamaky bebe kokoa momba ny ‘Wolf Warrior’, vakio ny lahatsoratra Chinese netizens rebrand X Jinping's international relations strategy as ‘wolf warrior’ style diplomacy .

Satria niverina an-tsehatra ankehitriny ilay mahery fihetsika ara-diplaomatika Wang Yi, mihevitra i Hu Ping, Shinoa mpanoratra any an-tsesitany sady mpanaramaso ny politika shinoa fa ny fanjavonan'i Qin dia mety ho vokatry ny tolona anatiny eo anivon'ny sampana diplaomatikan'ny antoko:

那就是秦刚这件事确实很可能是源自中共高层内斗。因为网上疯传的那些关于秦刚的信息,既不像是境外的记者,也不像是国内的民间人士捅出来的。这摆明了也是对习近平不满。这就是为什么直到今天,还没有对秦刚做出处置,因为习近平进退维谷,左右为难。…我们大体上可以说,秦刚凶多吉少,习近平要保早保了,不会任凭事态延烧到今天。秦刚很可能从此在政坛销声匿迹。习近平则会很难堪。

Azo inoana fa vokatry ny tolona anatin'ny CCP ity tranga ity. Toa tsy avy amin'ny mpanao gazety vahiny na olom-pirenena tsotra ny votoaty an-tserasera malaza momba an'i Qin Gang. Tsy afa-po tamin'ny fihetsik'i Xi Jinping ireo izay nanaporitsaka ny vaovao. Izany no antony nahatonga an'i Qin Gang tsy voakarakara hatramin'izao, satria ao anatin'ny olana i Xi Jinping, ao anatin'ny savorovoro… Heveriko fa tsy afaka handray indray ny toerany i Qin Gang. Raha afaka niaro azy i Xi dia tsy hisy toerana hiparitahan'ny tsikombakomba tahaka izao. Fa kosa, hanjavona amin'ny asam-panjakana tanteraka i Qin Gang , ary tsy faly amin'izany i Xi.

Amin'ny fotoana nanoratana, mbola mitoetra ny mistery manodidina an'i Qin saingy mazava ny zavatra iray: mijanona ho manjavozavo tahaka ny teo aloha ny fiainana ara-politika Shinoa, ary ny fomba fitantanana ny krizy nataon'i Xi dia nanakoako ny fanaon'i Mao izay tsy mamela ny mangarahara sy ny fandavana ny tolona anatiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.