Hita taratra ao amin'ny Oniversite foromporonina an'eritreritra Shanhe ny hetahetan'ny mpianatra Shinoa ho an'ny fitoviana

Pikantsary avy amin'ny tranokalan'ny Anjerimanontolo foromporonina an'eritreritra Shanhe tao amin'ny China Digital Times.

Herinandro maro talohan'ny nahazoan'ireo mpianatry ny lisea 13 tapitrisa ao Shina ny valim-panadinana fidirana amin'ny oniversite na “gaokao”, an'aliny no nirohotra nisoratra anarana tao amin'ny oniversite an'aritreritra an-jotra vaovao antsoina hoe Shanhe University (山河大學).

Natsangan'ny mpisera iray, Huange (欢哥), tamin'ny faramparan'ny volana Jona 2023 ny Anjerimanontolo Virtoaly Shanhe, rehefa sahirana tamin'ny famenoana ny fangatahana hianatra eny amin'ny oniversite ireo mpianatry ny lisea taona farany. Fotoana fohy taorian'izay, niparitaka be ny fisian'ny oniversite an'eritreritra satria maro be no nirohotra hiaraka aminy tao amin'ny nofinofin'ny oniversite idealy tamin'ny alalan'ny fizarana ny fitsipiky ny fidirana, ny teny filamatry ny oniversite, ny sarin'ny toeram-pianarana, ny lamin'asan'ny fampianarana, sns.

Maneho ny zava-misy manjavozavo amin'ny rafi-panabeazana ao Shina izay manavakavaka ireo mpianatra avy amin'ny faritany mahantra ny nofinofin'ny mpiserasera. Noho izany, rehefa niparitaka tao amin'ny media sosialy ny meme an'ny Anjerimanontolon'i Shanhe, dia voatery naneho hevitra momba ity trangan-javatra ity ny tompon'andraikitra iray ao amin'ny biraon'ny fampianarana tamin'ny 6 Jolay ary nampanantena ny hamerenana tsara kokoa indray ny fitaovam-panabeazana. Nandritra izany fotoana izany, nanomboka nanivana ny lohahevitra malaza tamin'ny alalan'ny fanafenana ireo farangoteny sy votoaty mifandraika amin'izany ireo sehatra anjotra lehibe.

Nofinofim-piarahamiasa virtoaly

Taratasy fanamarinana fidirana amin'ny Oniversite an'eritreritra Shanhe. Tany amin'ilay mpisera Twitter @HeroWeliam

Araka ny filazan'ilay mpanao ampamoaka ao amin'ny Twitter, Li Laoshi, tamin'ny lahatsary fanazavana Youtube, nanangana ny tranonkala tao amin'ny WeChat i Huange niaraka tamin'ny taratasy fanamarinana fidirana navoakan'ny Anjerimanontolon'i Shanhe tany amin'ny faramparan'ny volana Jona ary nilaza tamin'ireo mpiserasera hafa mba hamoaka taratasy fanamarinana ho azy ireo amin'ny alàlan'ny tranonkala ihany koa. Mazava ho azy fa fakan-tahaka mahatsikaiky ny lahatsorany satria i Du Fu (712-770), poeta sady mpanao politika Shinoa tamin'ny Fitondran-taranaka Tang fahiny ny filohan'ny Anjerimanontolo. Nalaza tao anatin'ny ora maro ny rantiny.

On June 30, he published another post about the details of Shanhe University. In his imagination, the university is privately funded by students from the four provinces — Shanxi, Shandong, Henan and Hebei, where government education resources are limited. Hence, he proposed:

Namoaka lahatsoratra hafa momba ny antsipirian'ny Oniversiten'i Shanhe izy tamin'ny 30 Jona. Ao amin'ny eritreriny, dia vatsian'ireo mpianatra manokana avy amin'ny faritany efatra voafetra ny fitaovam-panabeazam-panjakana eny amin'ny oniversite — Shanxi, Shandong, Henan sy Hebei:

在山东、山西、河北、河南四省的343万考生,每人出1000元,合计30多亿元,就可以打造出一所综合性大学,争取一年内赶超清华北大。

Raha samy nandray anjara RMB 1000 yuan [139 USD] ireo mpianatra gaokao 3,43 tapitrisa avy any Shandong, Shanxi, Hebei ary Henan, dia hanana 3 miliara mahery isika hananganana oniversite ary hahatonga azy ho sekoly ambony kokoa noho ny Qinghai sy Beida.

Hita taratra amin'ny fiparitahana ara-jeografika amin'ny famatsiam-bola sy fitaovana ny tsy fitoviana eo amin'ny rafi-pampianarana Shinoa . Noho ny rafitry ny fetr'isa amin'ny anjerimanontolo izay manome vahana ny fidiran'ireo mpianatra manana hukou eo an-toerana, fisoratana anarana ofisialy ao an-toerana izay manamarika ny toerana niavian'ny olona iray, mahazo taham-pidirana ambony lavitra amin'ny sekoly ambony izay matetika ao an-tanàndehibe voalohany ireo mpianatra gaokao avy amin'ny tanàndehibe tsy tahaka ireo mpianatra avy amin'ny faritany ambanivohitra mahantra. Ahitana mponina 300 tapitrisa ireo faritany efatra miaraka saingy fito monja ireo oniversite ambony miohatra amin'ny 150 eo ho eo ao amin'ny firenena, ka ny faritany Jiangsu tokana no manana sekoly ambony 11. Tamin'ny taona 2022, 46,02 isanjato ny taham-pidirana an-tsekoly ambony any Beijing, raha 11.93 isanjato fotsiny ny tao Henan.

Avy amin'io, maherin'ny 3 tapitrisa isan-taona ny mpianatra gaokao avy amin'ny faritany ambanivohitra efatra tsy maintsy mandalo fifaninanana mavesatra misedra taratasim-panadinana sarotra kokoa ary mahazo naoty ambony lavitra noho ny an-tanàndehibe mba hidirana any amin'ny oniversite ambony any amin'ny tanàndehibe.

The fictional Shanhe University's admission guideline. Viral image via mainland media outlet 163.com. Torolàlana fidirana ao amin'ny Oniversiten'i Shanhe an'eritreritra. Sary niparitaka tamin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny tanibe 163.com.

Miovaova manomboka amin'ny ambaratonga tsotra indrindra 1 ka hatramin'ny ambaratonga sarotra indrindra 6 araka ny anton-javatra toy ny isan'ny onivesite sy ny mpianatra ny fahasarotan'ny antonta-taratasy gaokao. mandray ny fanadinana ambaratonga 1 ny tanàndehibe toa an'i Beijing, Shanghai ary Tianjin, raha maka ny ambaratonga 5 kosa i Shandong sy Shanxi, ary mandray ny ambaratonga 6 i Henan sy Hebei.

Nahasarika fanehoan-kevitra marobe mamely ny rafi-pampianarana tsy ara-drariny noho izany ny soso-kevitr'i Huange. Nanatevin-daharana an'i Huange tamin'ny fananganana ny oniversite an'eritreritra miaraka amin'ny sary sy ny sary sy soratra ny sasany.

Eo ankavanana ny sary niparitaka misy ny toromarika momba ny fidirana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Shanhe izay maneso ny rafi-pampianarana tsy ara-drariny:

簡介:我校是由河北,河南,山東,山西四省聯合創辧的綜合類高素質大學,我校致力於解救困於不公之中的山河四省學子都有學上。

Raha fintinina: Ity dia oniversite avo lenta natsangan'ny faritanin'i Hebei, Henan, Shandong ary Shanxi mba hanafahanaireo mpianatra avy amin'ny faritany efatra amin'ny rafitra tsy ara-drariny ka mba hisitrahan'izy ireo ny zo hianatra.

招生條件:河南,河北,山東,山西四省高考生可直接報名,除四省外其他考生需高考達到700分。

Fahafaha-miditra: Afaka mangataka mivantana ireo mpianatra Gaokau avy any Henan, Hebei, Shandong ary Shanxi, raha azo raisina kosa ireo ivelan'ny efatra mahazo isa 700 amin'ny Gaokao. [Ny isa tsara indrindra dia eo amin'ny 750] .

Fotoana fohy taorian'ny nananganana ny tranonkalan'i Huange, namorona kaonty, “birao fidirana ho an'ny vahiny ao amin'ny Oniversiten'i Shanhe” ny mpisera Twitter @tom174254 mba hanangona sary-sy-soratra an-jotraa momba ny Anjerimanontolon'i Shanhe. Ity ny sarin'ny “vavahady anoloan'ny” Oniversite:

Ity ny karatra maha-mpianatra:

Ny sasany nametaka ny sary fanevan'ny oniversite amin'ny mpihazona fanalahidy tena izy:

Sivana: tsy azo atao ny manofinofy

Niparitaka be ireo sary-sy-soratra ary nahasarika fanehoan-kevitra matotra kokoa momba ny tsy fitoviana ambanivohitra sy antanàndehibe ka tsy maintsy namaly ny ahiahy ny lefitry ny lehiben'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ary nampanantena ny fitsinjarana indray ho tsara kokoa ireo fitaovam-pampianarana tamin'ny 6 Jolay:

教育部将不断优化高等教育资源的布局结构,支持中西部地区,特别是人口大省扩大高等教育资源规模,优化类型结构和区域结构。

Hanohy hanatsara ny fitsinjarana ireo loharanom-panabeazana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ary hanohana ny faritra afovoan-tany andrefana, indrindra ny fanohanana ireo faritany be mponina mba hampitomboana ny fitaovam-panabeazana sy hanatsarana ny rafi-pampianarana ambaratonga ambony sy ny elanelana isam-paritra.

Any amin’ny faritra afovoany atsinanana anefa no misy ireo faritany efatra ireo; maro tamin'ireo mpiserasera no nanoritra izany tamim-pahatezerana.

Niakatra hatrany amin'ny 20 isanjato ny tahan'ny tsy fananan'asan'ny tanora any Shina na dia nifarana aza ny politika zero-COVID. Ireo mpianatra avy amin'ny oniversite tsy sangany no miatrika tsindry bebe kokoa noho ireo nahazo diplaoma avy amin'ny sangany, ka mitebiteby sy kirikiriana kokoa noho ny hatramin'izay noho izany ny mpianatra gaokao. Na izany aza, tsy azo inoana ny hanitaran'ny governemanta Shinoa bebe kokoa ny sehatry ny oniversite satria ny olan'ny tsy fananana asa dia vokatry ny tsy fifanandrifian'ny tsenan'ny asa sy ny hetaheta arakasan'ny tanora nahita fianarana vokatry ny tontolo mihiboky ny oniversite am-polony taona maro. 

Ho setrin'ny ngidy ateraky ny krizy ara-drafitra, niomana hanakana ny fiparitahan'ny sary-sy-soratra ny milina sivana Shinoa. Nanjavona tao amin'ny sehatra media sosialy lehibe ny tenirohy rehetra mifandraika amin'ny Anjerimanontolon'i Shanhe. Nanangona fanehoan-kevitra sasantsasany tamin'ny valintenin'ny manampahefana momba ny nofinofin'ny olona ny China Digital Times :

热搜看着看着就没了,这四个省的学子,连做梦都不行么?

Voafafa daholo ny farangoteny. Tsy afaka manofinofy akory ny mpianatra avy amin’ny faritany efatra. 

专家会说总要有人去挖煤种地的

Nilaza ireo manam-pahaizana fa mila olona bebe kokoa amin'ny sehatry ny fambolena sy ny harena an-kibon'ny tany ny firenena.

少生点孩子人均资源就多了。

Hanavotra (kokoa) ny fahavitsin'ny zaza ateraka.

Vokatry ny sivana, dia voaisotra tao amin'ny tranonkalany ny anarana Shinoa sy anglisin'ny “Shanhe University” nanomboka ny 12 Jolay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.