Lavenona eny an-tampon-kandrina (Fivalozana) : doro ala ao Kazakhstan mampiharihary ny kolikoly mirongatra sy ny fampanantenana poakaty nataon'ny governemanta

Tànan'ny mpamono afo iray. Sary nosintonina avy amin'ny tranonkalan'ny Minisitera misahana ny Hamehana ao Kazakhstan.

Nosoratan'i Irina Gumyrkina ho an'ny Vlast.kz ity lahatsoratra ity. Ampahany iray nokiraina no naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ao anatin'ny fifanarahana fiarahamiasan'ny media.

Navoitran'ireo doro ala nandravarava tao Abai ao amin'ny faritra atsinanan'i Kazakhstan, teo anelanelan'ny 8 sy 14 Jona, ireo olam-pitantanana efa hatry ny elabe ao amin'ny firenena. Anisan'ireny ny kolikoly mirongatra, ny tsy fahombiazan'ny resaka birao, ary ny tsy fahatanterahan'ireo fampanantenana natao taorian'ireo loza voajanahary tamin'ny lasa.

Ny 10 Jona, nesorin'ny filoha Kassym-Jomart Tokayev i Yuri Ilyin, ilay minisitra noheverina ho tsy azo kitikitihana, nisahana ny toe-draharaha maika. Io no voalohany tamin'ireo andiana fanesorana. Nampangaina ho “nanao tsirambina mahafaty” ireo tomponandraikitra, izay nitondra ho amina loza mahatsiravina teo amin'ny firenena. Ny 16 Jona, nalàn'i Tokayev tsy ho eo amin'ny toerany maha-governoran'ny faritra atsinanan'i Kazakhstan azy i Danial Akhmetov, ampahany ambany fiadidiany ny faritra Abai hatramin'ny 2022. Fandroahana sy fanasaziana natao ho ohatra, tsy hitondra inona anefa: tsy vita ny hamerina amin'ny laonina ao anaty indray mipi-maso ny korontana ambony ambany nanjaka hatry ny taona maro tao amin'ny firenena.

Ito misy lahatsary YouTube miresaka ny fomba fanaovana kolikoly nampiharin'i Danial Akhmetov, izay nitàna ny toeran'ny governoran'ny faritra atsinanan'i Kazakhstan teo anelanelan'ny 2014 sy 2023.

Tamin'ity taona ity, ny 22 May no efa nitranga sahady ny fahamaizana tao amin'ny faritra arovana tao Semey Ormany, ao amin'ny faritra Abai. Nitatra avy any amin'ny faritany rosiàna ny afo, toerana izay anjakan'ny doro ala. Andro vitsy talohan'izay, nanome toky ny vahoaka ilay minisitra misahana ny hamehana fa efa vonona izy raha sanatria misy ny tranga ratsy hitairana. Telo andro no namonoana ny afo, izay namely velaran-tany efa ho 3.000 hektara. Ny afo vaovao izay niandoha tamin'ny 8 Jona dia namely faritra midadasika kokoa, efa ho telo avo heny amin'ny haben'ny tanànan'i Semey, ivon'ny faritra. Olona dimiambinifolo — 14 mpamono afo ary 1 mpamily traktera — no namoy aina teo am-pamonoana ireo afo.

Azo nosorohana ny loza mahatsiravina tahaka izany, indrindra raha nomena araka ny tokony ho izy ny famatsiambola. Nolazain'ny fianakavian'ireo mpamono afo namoy ny ainy fa tsy mba nahazo “talkie-walkies” ry zareo ireo. Ny iray tamin-dry zareo aza dia nampiasa ny trakterany manokana mba hiezahana hifehy ny afo. Raha tsy ampy fitaovana ireo mpamono afo, ilay valan-javaboaharim-pirenena anefa nisy mpitsidika nihoatra ny 2 tapitrisa tamin'ny 2022, niteraka fidirambola 690 tapitrisa KZT (1,5 tapitrisa US $) raha kely indrindra, avy amin'ny saram-pidirana fotsiny.

Roman Sklyar, lefitry ny praiminisitra, niaiky fa nohamaivanina ilay resaka doro ala. Ary mazava fa notohizan'ireo manampahefana ny fanaovana tsinontsinona ny resaka hamehana, ka taty aoriana fotsiny ry zareo vao mody nanosotra lavenona teny an-tampon-kandriny, ho mariky ny fivalozana (=fibebahana).

Taorian'ny firehetan'ny trano iray tao Astana tamin'ny Febroary 2019, nahafatesana ankizy dimy, nanomboka niresaka fiarovana ara-tsôsialy ny vahoaka ny governemanta. Taorian'ny hamehana tao Ekibastuz tamin'ny ririnana lasa iny, rehefa tsy nisy herinaratra hanafàna azy ny mponina tao an-tanàna, voatery niaiky ny governemanta fa misedra fahanterana ireo tambajotra fitsinjarana herinaratra sy fanafànana manerana ny firenena.

Taorian'ilay fahamaizana tao Semey Ormany, nanomboka niresaka ny fampitomboana ny vola ho an'ny sehatry ny ala ny ministeran'ny tontolo iainana. Herinandro vitsy talohan'izay, nampangaina ho manao kolikoly ny mpitantana ilay valan-javaboahary.

Isantaona, manao tatitra momba ny fandrosoan'ny fahavononany hiatrika tondradrano ny ministera misahana ny hamehana, nefa misy hatrany ny tondradrano isantaona. Mety hanampy amin'ny famahàna ny sasantsasany amin'ny olana ny fametrahana Lalàna iray vaovao momba ny Rano, saingy hatramin'ny 2012 dia nihemohtra ny fandaniana azy.

Mandritra izany fotoana izany, mbola tsy voavaha foana ireo olana ao amin'ny faritra Abai, toy ny ao Astana, Ekibastuz, sy any an-kafa.

Tao anatin'ny telo volana monja, doro ala goavambe efatra no nitranga tany avaratra sy atsinanan'i Kazakhstan, niteraka fahapotehana ala efa ho 100.000 hektara. Ampolo taona marobe izy ireny vao ho tafaverina.

Ny ankamaroan'ireo afo dia vokatry ny nataon'olombelona, hoy ireo tomponandraikitra. Araka izany dia nodidian'ny filoham-pirenena ny hanamafisana ny sazy amin'ny fandrehetana afo. Amin'ny lafiny iray, misy ireo olom-pirenena tsy mahatsapa ny andraikiny, fa amin'ny lafiny iray hafa, tsy hahafaty ny olana ny fanesorana ny ‘singa olombelona’. Ny tena izy dia ny tsy firaharahian'ny mpitàna birao sy ireo fampanantenana poakaty amin'ny resaka hamahàna ny olana. Ary io, miaraka amin'ny ambana ateraky ny kolikoly, dia mitondra mankany amin'ny loza voajanahary miverimberina no iafaràny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.