Nitondra ho amina fanararaotana bebe kokoa ny fialàna tamin'i Taïwan ka nisafidianana an'i Shina: tafa niarahana tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Richard Atimniraye Nyelade

Sarin'i Richard Richard Atimniraye Nyelade, nahazoana alàlana

Toy ny ankamaroan'ireo firenena afrikàna dia manana tantaram-pikisahana amin'ny fifandraisana diplaomatika avy amin'i Republic of China (ROC ao Taiwan) nankany amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina (Pékin) i Kamerona. Ankehitriny, tena voafetra be ny fifandraisana misy amin'i Taipei sy Yaoundé, ary zara raha misy mandalina. Raha momba ny fifandraisan'i Pékin sy Yaoundé indray, izay mivelatra amin'ny sehatra marobe, dia mitondra ihany koa ny endrika fanararaotana manokana ataony amin'ny vahoaka kameroney izy ireny.

Amin'ny ankapobeny, ny fahitàna an'i Taïwan ao Afrika dia voafetra ho amina fifandraisana diplaomatika feno iarahany amin'i Eswatini [fr], sy birao iray mpisolo tena ao Somaliland  [fr], firenena iray izay, toa an'i  Taïwan, tsy misy mpankato afa-tsy firenena vitsivitsy ary tsy mpikambana ao amin'ny ONU. Mijanona ho voafetra ihany koa ny varotra ifanaovan'i  Taïwan sy Afrika, satria na iray aza tsy misy firenena afrikàna hita ao anatin'ireo 25 tena mpiaramiasa ara-barotra amin'i Taïwan.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa ny fifandraisana misy amin'i Taïwan sy Afrika, vakio ny : (teny anglisy) Taiwan and Burkina Faso: A tumultuous history of cooperation and estrangement 

Mba hamantarana ny fomba fijerin'ny Afrika an'i Taïwan, sy i Shina ihany koa, ny Global Voices dia nitafa tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Dr Richard Atimniraye Nyelade, izay manomana amin'izao fotoana izao ny “doctorat faharoany” momba ny antrôpôlôjia ao amin'ny Oniversite Ottawa ao Kanadà. Ao Taïwan izy izao no mipetraka amin'ny maha-mpisitraka vatsimpianarana azy, nomen'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny ao  Taïwan sy ny Filankevitry ny Fikarohana momba ny Siansa Maha-Olona ao Kanadà.
Ny fahalinany amin'ny fikarohana dia mifantoka indrindra amin'ireo fihaonan'ny pôlitika, ny fifandraisana iraisampirenena ary ny fandalinana momba ny foko. Mba hampahazava azy kokoa dia nasiam-panavaozana ilay tafa.

Filip Noubel (FN) : Inona no tantaran'ny fifandraisana misy amin'i Kamerona sy Taïwan ?

Richard Atimniraye Nyelade (RAN): Ny tantaran'i Kamerona dia voafaritry ny tolony nikatsahana fahaleovantena nanoloana ny  imperialisma tandrefana. Natosik'ireo nasiônalista toa an'i  Um Nyobè [fr], Ernest Oundié [fr], Félix Moumié sy ny naman-dry zareo avy amin'ny antoko Cameroon Populations Union (CPU) [fr] tany amin'ny taona 1950, voatery nanome fahaleovantena sarintsariny i Frantsa sy Angletera, tamin'ny Janoary 1960. Fahaleovantena sarintsariny satria mbola nitohy nanelohelo an'i Afrika hatrany ny sisan'ny dindon'ireo firenena tandrefana roa matanjaka ireo, miaraka amin'ireo tobin-tafika sy orinasa maro ratsana, ary hatramin'ny fitsabahana amin'ny raharaha anatiny.

Nandritra ny tolona fikatsahana fahaleovantena, notoherin'i Frantsa ny fanomezana fizakantena feno ho an'ireo zanataniny, ary notohanany ny fametrahana governemanta iray kapitalista mpomba ny tandrefana. Ho famoretana ny fanoheran'ireo nasiônalista, nidirany ny fampiasàna tetikady mahery setra, toy ny fampiasàna baomba ‘napalm. Ireny antsipirihany ireny dia asongadina ao anatin'ny boky « Kamerun! une guerre cachée aux origines de la Françafrique (1948-1971) » [fr] nosoratan'i Manuel Domergue sy Jacob Tatsitsa. Mifanohitra amin'izany, ireo nasiônalista dia nahazo ny fanohanan'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina Kaominista sy i Rosia.

Tany am-piandohana, ny governemanta mpomba ny tandrefana tao Kamerona dia nandà tsy hametraka fifandraisana diplaomatika amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina fa naleony nankato ny tao Taiwan ho toy ny governemanta ara-drariny tao Shina. Antony nanosika an'io fanapahanekitra io ny toedraharaha pôlitika [fr] tamin'izany fotoana izany. Kanefa, ny Martsa 1971, nanaraka ny dian'i Frantsa i Kamerona ka namindra ny fankatoavany ho amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina. Io fiovàna goavana momba ny fankatoavana io no nanamarika ny fahatapahana mivandravandran'ny fipetraka diplaomatikan'i Kamerona manoloana ny Repoblikan'i Shina (Taiwan).

Amin'izao fotoana izao, voafetra ny soritry ny dindon'i Taiwan ao Kamerona. Ny tena fiantraikany lehibe hita maso dia ny fisian'ireo fitaovana “vita avy any Taïwan”. Ilay fiovàna zotra diplaomatika hitodika amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina dia nanova ireo fifandraisana nisy tamin'i Kamerona sy Taïwan, nampihena ny dindo mivantan'i Taïwan ao amin'ilay firenena.

FN : Misy ivontoeram-pianarana afrikàna ve any Taïwan na hoe oniversite Taiwaney liana amin'i Afrika? Inona avy ireo lohahevitra fototry ny fikarohana raha ho an'ny lafy taiwaney ?

RAN : Raha ny fahalalako azy, tsy misy ivontoeram-pampianarana afrikàna ao Taïwan, ary tena vitsy ny isan'ireo oniversite taiwnaey liana amin'i Afrika. Na izany aza, misy ireo asa mivaingana toy ny  «Peking versus Taipei in Africa» ( Pékin vs Taipei ao Afrique) an'i  Wei Liang-Tsai sy ny « The United Nations from a Racial Perspective: China's Representation: US, Africa, and Taiwan Agricultural Aid, 1961-1971 » (Ny Firenena Mikambana sy ny fomba fijery ara-poko _ Ny solontenan'i Shina : Fanampiana ny lafiny fambolena  Etazonia, Afrika ary Taïwan, 1961-1971) an'i profesora Liu Xiao Peng izay manazava ny tombontsoan'ireo fikarohana tany aloha, na toa niova aza ny tsindrimpeo tato ho ato.

Na misy manolotra fampianarana momba an'i Afrika aza ireo profesora sasantsaany any amin'ireo oniversite ao Taiwan, tsy voatery hilaza traikefa manokana mihitsy izany na fandalinana lalina momba ilay tanibe. Ny firotsahan'i Taiwan ao Afrika dia mifantoka betsaka amin'ireo fikambanana miompana amin'ny resaka ara-barotra, toy ny  Taiwan Africa Business AssociationTABA ), mifantoka amin'ireo hirika ara-toekarena sy ny fiarahana miasa ara-barotra.

Indrisy anefa, toy ireo firenena marobe manana fironana kapitalista,  mety hilatsaka anatin'ny fitrandrahana i Taiwan – fomba fiasa iray manao ho laharam-pahamehana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany sy ny fanondranana ireo akora fanodina, tsy ijerena kely akory ny resaka maha-olona, ny kolontsaina sy ny tontolo iainana. Amin'ireo fotoana izao, ny firotsahan'i  Taiwan ao Afrika dia mihodidina betsaka amin'ny tombontsoa ara-barotra. Kanefa, tena zavadehibe ny manao adisisika hisian'ny fomba fijery mirindra kokoa ahitàna ny fahatakarana ara-kolontsaina, ny fifandrimbonana sôsialy ary ny fampandrosoana maharitra.

FN : Inona avy ireo tena marika amantarana ny fisian'ny shinoa ao Kamerona ?

RAN : Ny dindon'i Shina ao Kamerona dia hita be amin'ny alàlan'ireo fananganana Ivontoerana Confucius, ny fampiatiana ny fiteny shinoa ho ao anatin'ny fandaharam-pampianarana eny amin'ny ambaratonga faharoa fototra, ireo tetikasa fananganana fotodrafitrasa, ireo fampandrosoana ara-barotra sy ny fisiana hita mason'ireo teratany shinoa.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny hetsika shinoa « Fehikibo sy Làlana » ao Afrika sy any amin'ny faritra hafa, vakio ny fandrakofana manokana sy ny tatitry ny Global Voices : China's BRI: Deal or steal ? (BRI: Fifanarahana sa Halatra)

FN : Ahoana no fanombànanao ireo hetsika ataon'i Shina sy ny vokatr'ireny ao Kamerona ? Ho anao, rafitra inona no manamarina azy io ? Mety kokoa ve ny hiresahana fampandrosoana? Kapitalisma mpanjanaka ve ? Fandrika fampitrosàna ve ? Fifaninanana erantany? 

RAN : Fony vanimpotoanan'i Mao Zedong, toa mba nisy fanajàna kely ihany an'ireo hetsika nasiônalista sy fiarahamiasan'ny vahoaka roa tonta hita tao anatin'ireo fifandraisan'i Shina-Kamerona. Kanefa, hatramin'ny nisokafan'ny tsena ara-barotry ny shinoa teo ambany fitondran'i Deng Xiaoping tamin'ny 1979, lasa kapitalista ilay firenena, atosiky ny hetaheta fikatsahana mafy ny tanjaka sy ny fanitàrana ary ny tombontsoa. Mahakivy io fiovàna io, indrindra raha jerena ny hoe izy Shina mihitsy no nandalo taonjato iray feno fahafaham-baràka noho ny nataon'ny Tandrefana teo anelanelan'ny 1849 hatramin'ny 1949. Manahiran-tsaina ny mahita ny tsy firaharahiana mivandravandra ataon'i Shina amin'ny fanandevozana taorian'ny zava-nanjo sy ny fepetram-panjanahantany ao Afrika, niditra tamina fifanarahana tsy ara-drariny feno fanararaotana an'i Afrika. Tsy misy hafa amin'ireo Tandrefana, na dia tsy dia nampiasa tafika firy aza, fa mitovy fatra ihany ny fihatsaràna ivelantsihy, ny hatendàna sy ny fanavakavaham-bolonkoditra.

Tanatin'ny tantara manontolo, ireo Afrikàna Mainty dia nampizakaina fanalàm-baraka tsy an-kiato nataon'ireo kolontsaina naneho tsy firaharahiana tsy nisy indrafo, tsy nijery izay maha-olona iraisan'ny rehetra sy tsy nisy tena fisakaizàna marina. Ny holatra navelan'ireo famarotana andevo nataon'ny arabo nandritra ireo taonjato teloambinifolo, ny varotra andevo nandritra ireo taonjato efatra nataon'ny tandrefana, ny fanjanahantany fahiny sy ny fanjanahantany amin'ny endriny vaovao, ary hatramin'ny fisongàna tanaty famoretana nataon'ny imperialisma shinoa, dia niteraka fijaliana mafy ho an'i Afrika. Na teo aza ireny ratra lalina sy nangirifiry ireny, dia mbola ireo mpisetrasetra ireo ihany no miditra amin'ny hazakazaka vaovao mankao amin'ilay tanibe, miaraka amin'ny fikasàny handrava azy tanteraka.

Raha fintinina, tiako ny hizara tsonga mampisaintsaina iray avy amin'izay nambaran'i Frank Wilderson III, olona iray malaza tamin'ny fampiroboroboana ny “afropessimisme [notsongaina tao amin'ny bokiny  Afropessimisme»] : «(…) Tsy afaka ampifampitsofohana ny fahafantarana momba ny tena sy ny fanànana vondrom-piarahamonina “intersubjective” raha tsy misy herisetra manohitra ny mainty; ny hoe ‘raha tsy misy’, midika hoe ny herisetran'ny fahafatesana sôsialy. Raha ambara amin'ny fiteny hafa, ry zareo Fotsy sy ireo zandriny mpifanome tànana amin-dry zareo (Aziatika, arabo, sns…) dia mila mampiasa herisetra manohitra ny Mainty mba hahafantarany fa velona ry zareo.»

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.