Ampirisihan'ny mpikatroky ny vondrona mpiaro ny zo ankihy ny goavan'ny teknolojia hiaro tena amin'ny baikon'i Hong Kong mamely ilay hiram-panoherana

Pikantsary avy amin'ny endrika orkesitra “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ao amin'ny fantsona Youtube Blackblog.

Rehefa nahemotry ny Fitsarana Ambony ao Hong Kong ny fihainoana ny fangatahan'ny Departemantan'ny Fitsarana (DoJ)ampiharana ny  didy handraràna tanteraka ny hiran'ny fanoherana “Voninahitra ho an'i Hong Kong”, dia nametraka fanisana tao amin'ny komisarian'ny polisy Wan Chai ny DoJ, manasa izay rehetra manohitra ny didy mba hisoratra anarana sy handray ny dika mitovy amin'ireo antontan-taratasy mifandraika amin'izany hatramin'ny 21 jona 2023.

Omena herinandro indray ireo mpiantsehatra rehetra voasoratra anarana hanomanana ny fanaterana azy eny amin’ny fitsarana alohan’ny hisokafan’ny fotoam-pitsarana indray ny 21 jolay 2023.

Ny andro farany isoratana anarana, maherin'ny 24 ireo vondrona ampitan-dranomasina mpiaro ny zon'olombelona sy ny zo ankihy no namoaka taratasy misokatra mandrisika ireo orinasan'ny teknolojia iraisampirenena, toy ny Apple, Google, Meta, Twitter, ary Spotify, mba “hiditra an-tsehatra sy hanohitra ny didy”, ary manoritra fa mety hisy “fiantraikany mandravarava” amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fidirana torohay izany, izay misy fiantraikany maneran-tany.

Rehefa lany ny didim-pitsarana dia hanery ireo sehatra anjotra hanaisotra ireo hiram-panoherana. Raha nanoritra ny DoJ fa tsy mikendry ny hanafoana izany maneran-tany ny governemantan'i Hong Kong, dia milaza ny mifanohitra amin'izany vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny zo ankihy.

Tao amin'ny taratasy misokatra, nanamarika ireo vondrona fa noterena hanaisotra tranga 50 eo amin'ny sehatra maneran-tany ny Meta teo anelanelan'ny Jolay 2020 sy Jona 2022. Ary asehon'ny porofo ihany koa fa nanara-maso ny votoaty media sosialy avy aty ampitan-dranomasina ny manampahefana ao Hong Kong — tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, mpianatra iray 23 taona nianatra tany Japon ary niverina tany Hong Kong no nosamborina noho ny ranty tao amin'ny Facebook. Voampanga ho nanao fihetsika tamin'ny “finiavana hikomy” izy taty aoriandriana na dia tsy tany Hong Kong aza izy raha namoaka ireo ranty ireo.

Nosoritsoritan'ireo vondrona ireo ny “fironan'ny manampahefana ao Hong Kong hampihatra lalàna mihoa-pampana ivelan'ny faritanin'i Hong Kong.

Nohenoina teny amin'ny fitsarana ny raharahan'ilay mpianatra #HongKong izay nianatra tany amin'ny anjerimanontolo iray tao #Japan ary nosamborina tamin'ny volana Marsa noho ny fizarana ranty tao amin'ny media sosialy tamin'ny “fikasana hankahala ny governemanta #HK sy ny governemanta Shinoa”

Tamin'ny fanononana hetsika ara-pitsarana nataon'ny Google tany Canada noho ny fangatahana fanesorana votoaty manerantany (Google v. Equustek Solutions Inc.), dia mandrisika ireo goavan'ny teknolojia ireto vondrona ireto handray fepetra mitovy amin'izany hanoherana ny baikon'ny governemantan'i Hong Kong:

It is critical that internet intermediaries take a collective stance against Hong Kong’s censorship.

Iankinan'ny ain-dehibe ny fijoroan'ireo mpanelanelana an'aterineto manohitra ny sivana ataon'i Hong Kong.

Tamin'ny raharaham-pitsarana ifanolanan'ny Google sy ny Equustek Solutions tamin'ny taona 2017, namoaka didy ny Fitsarana Tampon'i Canada fa tsy maintsy manakana ny valim-pitadiavana sasany maneran-tany i Google, saingy nilaza tamin'ny Google ny fitsarana iray any Etazonia mba tsy hankatò satria nandika ny lalànan'i Etazonia hiarovana ny fahalalaham-pitenenana ny didim-pitsarana Kanadiana.

Nanjavona tampoka teo amin'ny sehatra fandefasana mozika lehibe ny endrika ofisialin'ny hiram-panoherana “Voninahitra ho an'i Hong Kong” tamin'ny 14 Jona, roa andro taorian'ny fihainoana ny fangatahana didy voalohany. Niteraka fikoropahana izany fa mety ho esorina manerana ny aterineto ilay hira.

Nanazava ny mpamorona taty aoriana fa natao hamahana ireo olana ara-teknika tsy mifandraika amin'ny sehatra ny hetsika. Herinandro taty aoriana, tamin'ny 20 Jona, namoaka ny hiran'ny hetsi-panoherana andiany 2023 amin'ny endrika folo samihafa amin'ny sehatra rehetra ny mpamorona ary nanantitrantitra fa nanohitra izay hetsika rehetra manakana ny fahalalahana miteny sy mieritreritra ny ekipan'ny mpamorona.

Nokinendrin'ny didin'ny DoJ ny hanakana na iza na iza amin'ny fampielezam-peo, fampisehoana, fanontana, famoahana am-boky, fivarotana, fanolorana amidy, fizarana, fampielezana, fampiratiana, na famokarana indray ilay hiram-panoherana amin'ny endrika fampitam-baovao rehetra, ao anatin'izany ny aterineto izay mety (a) mandrisika fisintahana na fikomiana, sy (b) mamitaka ny hafa hihevitra fa hiram-pirenen'i Hong Kong na manompa ny hiram-pirenena ilay hira. Nopaingorina tamin'ny soratra ny lisitr'ireo lahatsary YouTube miisa 32, izay endrika samihafa amin'ny hiram-panoherana.

Hatramin'ny fotoana nanoratana ny teny anglisy, tsy mbola nisy namaly ny ahiahin'ireo mpisera na iray aza ireo orinasa teknolojia lehibe, na ny hetsika ara-pitsarana ataon'ny governemanta Hong Kong.

Nandritra izany fotoana izany, nanambara ny Fikambanan'ny mpanao gazety ao Hong Kong fa mihevitra hanao dingana ara-pitsarana amin'ny maha-mpiantsehatra voakasika amin'ny didim-pitsarana momba ilay hiram-panoherana. Nohamafisin’ity fikambanana ity ny anjara toerany amin’ny maha vondrona voakasika fa tsy voampanga, ary tsy nieritreritra ny hizara ilay hira izy. Ny tanjony dia ny hiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny fangatahana ny fitsarana mba hanaisotra ny asa fanaovan-gazety amin'ilay didy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.