Fakàna tahàka ny fanao tsy liberaly: Ny fanafihan'ny fanjakàna Kyrgyz ny media, mpanao gazety ary bilaogera

Bolot Temirov (farany havia), lehiben'ny fantsona Temirov Live, media mpanao fanadihadiana, miatrika fitsaràna. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube Azattyk. Fampiasàna ara-drariny.

Maka tàhaka ireo fomba fanao tsy liberaly avy any Rosia ny governemanta Kyrghyz. Misy fiantraikany amin'ny fiainam-bahoaka sy ny asan'ireo media, ny mpanao gazety ary ireo bilaogera ireny fiovàna ireny.

Ny 5 Ôktobra 2020, nanomboka ireo hetsipanoherana tao Kyrgyzstan ho setrin'ireo fifidianana parlemantera natao ny omalin'iny, izay notsarain'ny rehetra ho tsy marina ny vokatra taminy. Vokany, niongana ny governemanta amperin'asa ary i Sadyr Japarov no nandray ny fahefana. Ireo dingana jadona nohamafisina sy noraisina avy eo, indrindra fa ny fanafihana ataon'ny fanjakàna an'ireo media, bialogera sy mpanao gazety, dia tranga tsy fahita firy loatra ao anatina firenena iray izay nipetraka hatry ny taompolo maro ho toy ny “nosy iray” ho an'ny demaokrasia ao Azia Afovoany.

Dika / Petaka: Ny lalàna manohitra ny fanapariahana vaovao tsy marina

Araka ny nomarihan'ireo mpanao gazety avy ao Rosia, tsy nitsahatra ny nitombo ny tsindry atao amin'ireo mpanao gzety hatramin'ny nahatongavan'i Vladimir Poutine teo amin'ny fitondràna. Nandritra ny taona telo farany tao Rosia, izay mpanao gazety nanakiana ny governemanta na ny filoha Putin dia nampidirina am-ponja tsy an-drariny, ary ireo media mpamoaka vaovao dia nampangaina ho olon'ny avy any ivelany ka nakatona.

Nandroso tolodalàna momba ireo olon'ny avy any ivelany ny governemanta Kyrgyz, nalaina betsaka avy amin'ny lasitra rosiàna, mba haneriterena ny asan'ireo ONG sy media vahiny, na dia tsy nankatoavina aza ilay izy. Nanapaka hevitra ihany koa ny governemanta Kyrgyz ny handrindra ny tontolo anaty habaka nomerika, tamin'ny fampidirana lalàna iray vaovao momba ny Fiarovana amin'ny Vaovao Diso (fantatra ihany koa amin'ny hoe lalàna manohitra ny fakom-baovao) tamin'ny Aogositra 2021.  Tamin'ny Novambra 2022, ny tao amin'ny Fiadidiana ny Lapan'ny Filoha dia namoaka tolodalàna iray hakàna ny hevitry ny daholobe momba ireo “fikambanana tsy misahana varotra ary tsy miankina amin'ny fanjakàna.” Ny tanjona tamin'ilay lalàna dia ny hiarovana ny tombontsoam-panjakana amin'ireo hetsika tsy ara-dalàna ataon'ireo sampandraharaha tsy miankina amin'ny fanjakàna.  Raha ankatoavina ilay lalàna, dia ho azon'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana sy ny Ministeran'ny Fitsaràna atao ny miditra maka ireo antontan-kevitra manokana mifandraika amin'ny famatsiambola, ny fandaniana, ary izay torohay hafa rehetra momba ny ONG, ahafahan-dry zareo mikendry azy ireny bebe kokoa miainga avy amin'io torohay io.

Fanafihana media, mpanao gazety sy bilaogera

Tamin'ny Ôktôbra 2022, nakaton'ny Ministeran'ny Kolontsaina, ny Fampahalalam-baovao, ny Fanatanjahantena sy ny Tanora ny tranonkalan'ny Onjampeo Radio Free Europe zana-tsampan'ny Azattyk, tamin'ny filazàna fa noho ny Azattyk nampita vaovao tsy voamarina momba ny fifandonan'ny Tajik sy ny Kyrgyz tao Batken avy tamin'ny Radio Free Europe izay zana-tsampan'ny Nastoyashee Vremya tamin'ny Septambra 2022, hoe fitsaràna mitanila ilay izy ary nitongilana tany amin'ny lafy Tajik tao anatin'ny tati-baovao. Ny ankamaroan'ny rehetra dia nihevitra fa ny anton'ny fanakatonana dia ny fanadihadiana nataon'ny Azattyk momba ilay olana mahabe resaka mahakasika ny fitoeran-drano ao Kempir-Abad. Tena tonga tamin'ny nilàna azy ilay fanadihadiana ary tena zavadehibe tokoa satria nahazoana vaovao tamin'ny antsipirihany momba ilay fitoeran-drano sy nizara ny ahiahin'ny ao an-toerana momba ny fiantraikan'ilay fanapahankevitra amin'ny fiainan'izy ireo andavanandro. Andro vitsy taorian'izay, nogiazana ny volan'ny Azattyk tany amin'ny banky, didy avy amin'ny Voamieram-panjakana misahana ny fiarovam-Pirenena ao amin'ny Repoblika Kyrgyz. Tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity, efa ôfisialy ny fikatonan'ny Azattyk.

Fotoana fohy talohan'ny fanambaràna ilay fanapahankevitry ny governemanta hanakatona ny tranonkalan'ny Azattyk, nisy vondrona “mpikatroka” mpanohana ny governemanta nanao fihetsiketsehana iray teo akaikin'ny biraon'ny Azattyk ao Bishkek tamin'ny 13 Ôktôbra. Ireo mpanao fihetsiketsehana nanafin-tava dia nilanja sora-baventy nitaky ny fanakatonana ireo biraon'ny Azattyk sy ireo media tsy miankina hafa mpilaza vaovao, toy ny Kloop sy ny Kaktus. Nokianin-dry zareo ny Azattyk, Kloop ary Kaktus ho mandiso ny vaovao nandritra ny fananihambohitra Tajik tao Kyrgyzstan tamin'ny  Septambra 2022 sy ireo fifandonana tamin'ny Jona tany atsimon'i Kyrgyzstan tamin'ny 2010. Ary koa, sahiran-tsaina tamin'ny “pôlitikan-dry zareo” ho fampiroboroboana ireo soatoavina tsy nentin-drazana ireo mpano fihetsiketsehana, toy ny fankasitrahana ny LGBTQ+ . Ny mpitarika ilay fihetsiketsehana,  Ilimbek Israilov, dia nandrahona ny handoro ny tranoben'ny Azattyk raha toa ny antenimiera Kyrgyz tsy handany ilay lalàna momba ireo olon'ny vahiny. Ankoatra izany, nisy ireo andrana hiampangàna sy hanalàna baràka ny Azattyk tamin'ny fampiasàna ireo mpandoto rindrina voakarama. Ireny mpandoto ireny no mametraka fanehoankevitra miiba eny ambanin'ireo lahatsoratra mitatitra vaovao ao amin'ireo pejy media sôsialin'ny Azattyk (Facebook, Instagram sy YouTube).

Tany aloha, tamin'ny Aogositra 2022, nandraman'ireo manampahefana ihany koa ny nibahana nandritra ny volana roa ny tranonkalan'ny masoivohom-baovao iray, 24.kg. Tao anatin'ny taratasy nalefan-dry zareo ho an'ireo mpanome tolotra aterineto, tsy nomarihan'ireo manampahefana ny singa ifotoran'ny fampitsaharana ilay tranonkalana masoivohom-baovao. Fotoana fohy taorian'izay, rehefa nitodika tany amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina ny 24.kg mba hamoaka fanambaràna ôfisialy, hitan-dry zareo fa nofoanan'ny governemanta ilay fanapahankevitra.

Ny fanakatonana ny tranonkalan'ny Azattyk dia ezaka natao hifehezana ny habaka media anaty tambajotra sady andrana iray hamelezana ireo mpanao gazety tsy miankina (indrindra fa ny asa fanaovana  gazetim-panadihadiana) ao Kyrgyzstan. Taloha, ireo tantara fanadihadiana tao amin'ny Azattyk (niarahana nanao tamin'ny OCCRP sy ny Kloop) momba ny kolikolim-panjakana sy ny famotsiam-bola maloto, nahatafiditra an'ilay lefitry ny lehiben'ny Sampana Fadintseranana Kyrgiz, Raimbek Matraimov, dia niteraka akony goavana be teny anatin'ny fiarahamonina ary nandray anjara tamin'ny fisian'ny hetsipanoherana Ôktobra 2020 izay niafara tamin'ny fiovàn'ny fitondràna.

Amin'izao fotoana izao, ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana ao Kyrgyzstan dia miatrika fanamby isankarazany ary ny sasany amin'ireo mpanao gazety dia miatrika fiampangàna marobe, herisetra sy fanenjehana eny amin'ny fitsaràna. Ny tranga iray nisongadina vao haingana dia ny momba ilay lehiben'ny fantsona mpanadihady sy mpampahalala vaovao Temirov Live. Nampangaina i Bolot Temirov ho mitazona zava-mahadomelina, nahazo pasipaoro kyrgyz tamin'ny fomba tsy ara-dalàna, ary niampita sisintany tsy nahazo alàlana. Kanefa, noho ny tsindry avy amin'ny vahoaka, dia nolazaina ho tsy meloka izy teny amin'ny fitsaràna ary navotsotra tamin'ny Septambra 2022. Na izany aza, tany amin'ny fiandohan'ny Novambra, nanao fampakarana ho fandravana ilay didim-pitsaràna ny tao amin'ny Fampanoavana. Nanomboka ny fanenjehana an'i Temirov taorian'ny namoahany ny fanadihadiana iray momba ny lehiben'ny Vaomieram-panjakana misahana ny Fiarovam-Pirenena, Kamchybek Tashiev, sy ny fianakaviany — indrindra fa momba ny tetika kolikoly ataon-dry zareo, fanomezana tombony ny orinasany amin'ireo tsenam-baro-panjakana, sy ny hafa. Tamin'ny 23 Novambra, avy hatrany taorian'ny fihainoana azy teny amin'ny fitsaràna, noroahana an-kery handao an'i Kyrgyzstan nalefa tany Rosia i Bolot Temirov.

Noho ny fanakianan-dry zareo ny filoha sy ny governemanta amperinasa dia manaka-danitra ny isan'ireo mpampiasa Facebook sy media sôsialy hafa nosivanina sy nalaina am-bavany tany amin'ireo sampan-draharaha Kyrgyz misahana ny fiarovana. Hatramin'ny niandohan'ny 2022 fotsiny, fito ireo bilaogera, isan'ireny ireo mifandray amin'ny fantsona media mpanakiana, no voasivana sy nalaina am-bavany tany amin'ny mpitandro filaminana. Nisy koa ireo andiana fisamborana hafa nitranga tao Kyrgyzstan nanjo ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonina sivily, mpanao pôlitika tany aloha sy amperinasa teo anelanelan'ny  23 sy 27 Ôktôbra 2022. Raha atambatra, 27 ireo olona voasambotra nandritra ny roa volana talohan'ny nitsaràna azy ireo, vehivavy ny enina tamin'izany. Tamin'ny alàlan'ny fantsona media sôsialin-dry zareo sy nandritra ny famoriam-bahoaka nokarakaraina (Kurultai) tao Uzgen tamin'ny 15 Ôktôbra, nilaza imasom-bahoaka ireo mpanakiana fa manohitra ny famerenana ilay fitoeran-drano ao Kempir-Abad ho an'i Ozbekistàna tamin'ny fifanarahana momba ny sisintany nifanaovan'ny firenena roa tonta. Enina ambinifolo ireo mbola voatàna any am-ponja tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Araka ny fehezan-dalàna famaizana, mety ho tafakatra hatramin'ny fampidirana am-ponja mandritra ny 10 taona ny sazy. Araka izany, miditra bebe kokoa amin'ny fanafihana ireo media tsy mainkina ny governemanta Kyrgyz ary manivana ireo lahatsoratra avoakan'ny vahoakany eny anaty tambajotra sôsialy, mitondra loza mananontanona ho an'ny fahalalahan'ny asan'ny media sy ny zo haneho hevitra an-kalalahana.

Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa raha te-hahazo tantara misimisy kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.