Vondrona Mpanavotra Biby ao Kiev, namindra toerana saka sy alika miisa 300 hiala tao atsinanan'i Okraina

Kyiv_Animal_Rescue_Group

Sary nomena ny Свої.City avy amin'ny vondrona mpanavotra biby ao kiev. Fampiasàna ara-drariny.

This story, by Valeria Panasenko was initially published on the Ukrainian media outlet Свої.City. Global Voices republish the shortened and slightly edited version of the text as part of a content partnership agreement.   ….  Ity tantara ity, nataon'i Valeria Panasenko, dia navoaka voalohany teo amin'ny media Okraniana Свої.City. Ny Global Voices no namoaka indray ny dikan-teny nohafohezina sy voahitsy ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty.

Efa hatramin'ny taona 2014 no nanavotra biby ireo mpilatsaka antsitrapo avy amin'ny Vondrona mpanavotra Biby ao Kiev. Hatramin'ny ririnina 2022, tsy misy afatsy ny tao Kiev renivohitra sy tao amin'ny faritra manodidina ihany no biby navotan'ilay tarika, saingy tamin'ny Desambra ry zareo no nanao ny hetsiny voalohany tamin'ny famindràna tany faritra atsinanan'ny firenena, izay voadaroka baomba mafy tao anatin'ny ady midadasika be nataon'i Rosia. Nanomboka teo, dia efa hetsika efatra no notontoasin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo mba hamindràna ireo biby avy tao Atsinanana : in-droa izy ireo no tao Bakhmut ary in-droa tao Chasiv Yar mifanolo-bodirindrina. Nandritra ireny hetsika ireny, vitan-dry zareo ny nanavotra saka sy alika manodidina ny 300 sy osy iray.

Kyiv_Animal_Rescue_Group

Osy voavonjy. Sary nomen'ilay vondrona mpamonjy biby ao Kiev ho an'ny Свої.City. Fampiasàna ara-drariny.

“Raha ny mahazatra, vondrona kely ry zareo no mitondra fiara mankany : fiara mpitatitra iray na roa misy olona roa avy. Tsy mitondra mpamonjy betsaka izahay satria mila toerana malalaka araka izay tratra ao anaty fiara mba hanavotana biby maromaro kokoa. Saingy tsy ny fanalàna ireo biby [ao amin'ny faritra misy fifandonana] ihany akory no olana. Sarotra ny handraisana azy rehetra milamina satria feno hipoka ireo toeram-pialofana ao amin'ny faritr'i Kiev sy ireo faritra manodidina”, hoy i Mykhailo Storozhuk, mpanavotra biby an-tsitrapo iray. 

Mora ny mahita eny an-dalambe ireo mila famonjena. Matetika ireo biby no mitady olona mba hanome sakafo azy. “Misy karazam-biby maro eny an-dalana, ka tsy afaka ny haka sy hampiantrano azy rehetra izahay. Izay no antony andraisanay aloha ireo izay tsy afaka mivelona eny an-dalambe. Ohatra, ireo biby izay nonina tany an-tranon'olona. Zatra trano mafàna sy mora mahazo sakafo ry zareo. Na ireo biby naratra na tena marary mafy”, hoy ny fanazavan'i Storozhuk.

Kyiv_Animal_Rescue_Group

Sary nomen'ilay vondrona mpamonjy biby ao Kiev ho an'ny Свої.City. Fampiasàna ara-drariny.

Manana traikefa amin'ny trangana hamehana avokoa ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra avy ao Kiev, na efa niasa nikarakara biby tany aloha. “Nanaraka fianarana sy fiofanana avokoa izahay rehetra. Ohatra, izaho izao speleôlôgy sady mpihanika indostrialy.” Afaka miasa amin'ny tady aho, mihanika hazo sy mandeha ambanin'ny tany. Niasa tamin'ny toerana fitaizana biby ny ankamaroan'ny ekipanay. Na ihany koa mpizahatany izy ireo, speleôlôgy na mpitrandraka ambanin'ny tany”, hoy ilay mpilatsaka an-tsitrapo.

Matetika, tonga mandritra ny andro maromaro ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary miasa maraina mandra-pahamaizin'ny andro mba hanara-maso ny kizokizo ao an-tanàna eny anoloana no sady manavotra ireo biby maratra sy marefo. Nampian'i Storozhuk fa :

Ми намагаємося забрати якомога більше тварин за менший проміжок часу, щоб не знаходитися у небезпечному місці довго. Тобто ми приїжджаємо на точку, швиденько завантажуємо тварину й їдемо далі, бо прильоти там майже щохвилини. Перші дві місії в Бахмуті ми працювали майже по 10 днів. Ночували в Слов’янську, а зранку їхали знову туди. 

Ezahanay ny maka biby betsaka araka izay azo atao sy ao anatin'ny fotoana fohy mba tsy hijanonana ela ao anatin'ireo faritra mampidi-doza. Izany hoe, tonga eo amin'ny toerana iray izahay [izay ahitana biby iray], alainay haingana izy ireo ary entinay, satria saika isa-minitra ny daroka baomba mitontona eo. Nandritra ny asa roa voalohany tany Bakhmut, dia saika niasa foana izahay tao anatin'ny folo andro tsy niato. Ao Slovyansk izahay no matory, dia miverina any ny maraina.

Ny adin'ireo olona nafindra toerana amin'ireo biby

Noho ny tsy fahampian'ny mpiasa dia tsy afaka mifindra afa-tsy indray mandeha isam-bolana ihany ny vondrona mpamonjy voina. Nilaza i Mykhailo fa ahitana tombony ny fifindrafindràna mahalana satria, mandritra io fotoana io dia mety hahita trano ho an'ireo biby nafindrany ireo mpilatsaka an-tsitrapo no sady manome toerana ho an'ireo vaovao. Manazava ilay mpilatsaka an-tsitrapo :

Ми прилаштовуємо тварин всюди, де є ще місце. Це і приватні притулки, і волонтери, які приймають по одній-дві тваринки до себе додому. На жаль, ми маємо дуже багато покинутих тварин, бо часто люди їдуть, самі не знаючи куди. Переселенці часто не можуть знайти житло, куди готові пустити з тваринами. А ще більше людей живе в шелтерах по кілька десятків людей у кімнаті. Очевидно, що вони не можуть взяти туди дві вівчарки.

Ampiantranonay foana ireo biby, na aiza na aiza misy toerana. Eny fa hatrany amin'ny toerana fialofana an'olona manokana aza, na miaraka amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay mitondra biby iray na roa ho any an-tranony. Indrisy anefa, betsaka loatra ireo biby nilaozana, satria ireo olona dia lasa tsy mahalala akory izay ho alehany. Matetika, tsy mahita toerana hampiantrano an'ireo biby ireo olona nafindra toerana. Ary koa maro ireo olona miaina anaty toeram-pialofana, ampolony maro ao anaty efitrano iray. Mazava ho azy fa tsy ho afaka hitondra alika roa mpiandry ondry ho any izy ireo.

Kyiv_Animal_Rescue_Group

Sary nomen'ilay vondrona mpamonjy biby ao Kiev ho an'ny Свої.City. Fampiasàna ara-drariny.

Saingy, na eo aza ireo fanamby ireo dia maro ny tompon'ireo biby fiompy no maniry ny haka indray ireo bibiny raha vao mahita trano fonenana. Aorian'ny fahitàna fonenana sy asa dia marobe ireo olona mangataka amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo mba hitady sy hitondra ny bibin'izy ireo any amin'ny toerana azo antoka.  

“Ankafaliana no amoahanay ireny biby ireny ho amin'ireo tompony izay vonona ny handray azy indray. Tadiavinay izy ireny ary avotanay. Saingy indraindray, efa diso tara loatra izany – apetraky ny tompony amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy ny biby fiompiny, nafindra ilay mpifanolo-bodirindrina dia navelany tamin'olon-kafa indray ilay biby.” Tsy ho mandrakariva no ho azo atao ny hahita ny biby fiompin'izy ireo”, hoy Mykhailo malahelo.

Saingy tsy ireo rehetra tompom-biby no vonona ny handeha tsy misy ireo biby fiompiny. Misy ireo olona no tsy manaiky hafindra satria tsy te-handao ny biby fiompiny izy.

Є такі люди, які чекають, щоб вивезли їхніх тварин. І тільки після цього вони погоджуються їхати самі. Їх небагато, але такі люди існують, і це не може нас не радувати. Люди розповідають, що їх не хочуть евакуювати разом із їхніми котами та собаками, тому вони вимушені залишатися. У таких випадках ми кличемо на допомогу волонтерів, які вивозять із зони бойових дій людей, а самі забираємо тварин.

Misy ireo olona miandry ny mba hamindràna ny biby fiompiny. Ka  aorian'izay izy ireo vao manaiky ny hifindra. Tsy maro izy ireo, saingy misy ireo olona ireo, ary tsy manampy anay izny saingy mahafaly anay. Miteny aminay ireo olona fa tsy misy mety hamindra azy ireo raha vao manana saka sy alika izy ireo, izay no antony tsy maintsy hijanonany. Ao anatin'ireo tranga tahaka io dia miantso ny fanampian'ireo mpilatsaka an-tsitrapo izahay izay mba hamindra  toerana ilay olona hiala ny faritry ny ady ary izahay ihany koa no mbola mitondra ireo biby.

Matahotra ireo biby ary maniry ny ho avotana

Mitondra sakafom-biby miaraka aminy foana ireo mpilatsaka an-tsitrapo satria fantany fa miteraka fahasarotana ho an'ireo mponina ny tsy fahampian-tsakafo hivelomana, maika fa ny biby fiompiny. Ny mahazatra, roa taonina eo ho eo ny sakafo maina entin'izy ireo ho an'ny saka sy alika tsy manan-kialofana. Omen'izy ireo ny olona izany mba atao sakafon'ireo biby fiompiny fa ihany koa ho an'ireo biby mirenireny mifanena amin'izy ireo.  

“Mialoha ny dia,  angatahanay ny olona rehetra voakasika mba hanampy amin'ny fanangonana vola ho an'ny sakafom-biby na hanome izany ho fanampiana ho anay. Ny matetika mitranga dia misy  mpifanolo-bodirindrina tavela miaraka amina biby fiompy marobe. Ohatra, teo amin'ny arabe iray ao Bakhmut, nisy ramatoa efa lehibe iray namahana sakafo an'ireo biby rehetra nilaozan'ny tompony. Nisy am-polony maro izy ireo”, hoy ilay mpilatsaka an-tsitrapo mitantara.

Tsikaritr'ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa tena tia mifandray amin'ny olona ireo biby nilaozana tao amin'ny faritr'i Donetsk ireo. Matahotra izy ireo ary toa maniry ny ho entina miala ny faritra misy ady.

Kyiv_Animal_Rescue_Group

Sary nomen'ilay vondrona mpamonjy biby ao Kiev ho an'ny Свої.City. Fampiasàna ara-drariny.

“Tena mora alaina ireo saka sy alika miaina eny anivon'ny daroka baomba, na dia vao izay aza no nihaonany taminay. Tsara fanahy sady be fitiavana izy ireo. Rehefa manandrana misambotra saka iray mirenireny ao Kiev ianao, bibidia izy ka mahery setra ary tsy mamela anao hisambotra azy. Ary ireo biby ireo dia toy ny miteny hoe : “Ento miala eto izahay, ento mivoaka. Raha vao sokafanay ny karakara vy ary omenay sakafo izy ireo dia tonga dia mihazakazaka miditra ao”, hoy Mykhailo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.