Tatitry ny Unfreedom Monitor : Hôngria

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan tam-pitiavana.

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Hôngria tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio ato ny tatitra feno.

Ao Hôngria, mitombo hatrany ny tsirefesimandidy nomerika, atosiky ny fiezahan'ny governemanta hôngroà hanampim-bava sy hampitahotra ireo feo mpanakiana, isan'izany ireo mpiasa amin'ny media tsy miankina, ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena ary ireo hetsika avy eny ifotony. Ny teknôjia nomerika dia iray amin'ireo fitaovana ampiasain'ny governemanta hampandehanana ny tetikady pôlitikany: fanasamahana sy fampifandrafesana ny fiarahamonina, fambolena tahotra manodidina ny fiarovam-pirenena sy ny toekarena, ary hanaovana izay hinoan'ireo mpifidy fa ny fitantaràna avy amin'ny Fidesz, antokon'ny eo amin'ny fitondràna, no hany loharano milaza ny marina. Ny pôlitikan'ny maha-izy azy ny governemanta hôngroà sy ny tetikadim-panorenana firenena no solika manosika ny fientanan-dry zareo.

Soritan'ilay tatitra ny fomba ahafahana manazava ireo toetoetra fototry ny fiarahamonina hôngroà amin'ny alàlan'ny tantara ara-toekarena, sôsialy sy pôlitikan'ny firenena, ary ny fomba ahafahan'ny antoko eo amin'ny fitondrana mitrandraka ireny toetoetra ireny ho an'ny tanjona pôlitikany manokana. Hatramin'ny nahatongavan'ny Fidesz teo amin'ny fitondrana, ny fiarahamonina sivily, ireo mpisehatra avy amin'ny fanoherana, ny gazety tsy miankina, ary ny Fiombonambe Eorôpeàna dia tsy nitsahatra ny nandrakitra sy nanentana momba ny fomba fanimbàn'ny governemanta ny demaokrasia ao amin'ny firenena. Tafiditra ho isan'ireo fepetra noraisiny ny fanafihana ny fiarahamonina sivily sy ny fandemena ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsaràna. Na izany aza, vitan'ny governemanta eo ambany fitarihan'ny Fidesz ny nijanona teo amin'ny fitondrana nihoatra ny folo taona.

Tsy ny fampiasana teknôlôjia nomerika no tena fitaovana mibahan-toerana ampiharin'ny governemanta eo ambany fitarihan'ny Fidesz mba hampandehanana ny fironana tsirefesimandidy; nitombo be ny haben'io tato anatin'ny taona vitsivitsy. Azo avondrona ho anaty sokajy telo ireo tranga maneho ny fiasan'ny tsirefesimandidy nomerika ao Hôngria: fakàna ny fifehezana ireo fotodrafitrasa nomerika saropady, fanampenam-bava sy fandrahonana ireo feo mpanohitra, ary fampiasàna ny lalàna hanimbàna ny zon'ny vahoaka. Porofoin'ilay tatitra ny fomba fisehon'ireny fomba fanao samihafa ireny any anatin'ireo tranga tena izy, sy ny fomba hanimbàny ny zo maha-olona ny tsirairay sy ny zo iraisana.

Ny tena fomba ataon'ny govenemanta hôngroà hampandehanana ny tsirefesimandidy nomerika dia tamin'ny alàlan'ireo dingana fanaovana lalàna. Manana ny roa ampahatelo maro an'isa ao amin'ny antenimiera ny governemanta, efa ho folo taona mahery, nahafahany nanova ny lalàm-panorenana sy nandany lalàna tsy nisy mihitsy fanarahamaso na fakàna hevitry ny daholobe. Nandany lalàna izy ho fanamelohana ny vaovao diso aparitaka amin'ny alàlan'ny media sôsialy, ananan'ilay lalànany mpankahala pelaka ny fahafahana manivana votoaty ety anaty aterineto, ary ezahany ihany koa ny hifehy ny Facebook noho ny tahotra ho voasivana sy ho voarara mandritra ny fampielezankevitra ataony mandritra ny fifidianana, tahaka an'i Donald Trump.

Ny fampiasàna rindrambaiko fitsikilovana andoavambola, toy ny Pegasus, no fanampiny vaovao tamin'ny fomba fanaon'ilay firenena amin'ny fanaovana tsirefesimandidy nomerika. Izany no misy dia noho ny tsy fahampian'ny fiarovana matanjaka ao anatin'ny lalànan'ny fanarahamaso ao amin'ilay firenena sy ny tsy fisian'ny fahaleovantenan'ny sampan-draharaha mpiaro ny angondrakitra ao amin'ilay firenena. Ananan'ny sampam-pitsikilovana ny fahefana tsy misy fetra amin'ny angondrakitra ao Hôngria, tsy misy fepetra henjana ho an'ny fanarahamaso, ary tsy misy sampan-draharaha mahaleotena mijery akaiky ny resaka fanarahamaso. Naboraky ny “tantara ratsy Pegasus” hoe hatraiza no nampiasàn'ny governemanta io fahefana tsy misy fetra io.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera sy ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika ny Unfreedom Monitor.

Hitroka PDF momba ny tatitra Hôngria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.