Ankizivavy rosiàna nanao sary manohitra ny ady. Ankehitriny any amina toby fialokalofan'ny ankizy izy, ary nosamborina ny rainy

Sekoly izay nnaovan'i Masha sary iray nahatonga ny fianakaviany hikorontana. Avy amin'ny YouTube.

Miresaka ny tantaran'i Alexy sy Masha Moskaleva, ray sy zanakavavy avy ao Efremov, ny “Holod Magazine”, ao Rosia. Nadikan'ny Global Voices ary naveriny navoaka indray ny lahatsoratra, mifanaraka amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa hifampizara  votoaty.

Herintaona lasa izay, mpianatra iray tao amin'ny kilasy fahadimy, Masha Moskaleva, no nanao sary nandritra ny fampianarana zavakanto. Ny sary dia mampiseho sarim-behivavy iray miaraka amin'ny zanany sy sainam-pirenena roa : ny iray sainam-pirenena Rosiana ary ny iray an'i Okraina. Nosoratan'ilay tovovavy tao anaty sary fa “Tsy mila ady” ary “Voninahitra ho an'i Okraina”. Nanomboka teo dia niova tanteraka ny fiainany. Mipetraka any amin'ny toerana fialokalofan'ny zaza tsy ampy taona izy amin'izao fotoana izao, ary  Alexey, rainy, dia voaràra tsy hahazo mivoaka ny tranony noho ny raharaha heloka bevava anenjehana aazy ho “nanàla baraka” ny tafika Rosiana.

Ilay sary: Aprily 2022  

Sarin'i Masha mampiseho ny sary izay nahatonga azy sy ny rainy nahita fahasahiranana tamin'ireo tompon'andraikitra. Avy amin'ny YouTube.

Tamin'ny faran'ny volana Aprily 2022 dia nanao sary iray i Masha. Ankoatra ireo sainam-pirenena Rosiana sy Okraniana ary ny teny fombàna ny Okrainiàna sy manohitra ny ady, dia asehon'ny sary ireo balafomanga Rosiana. Tsy tian'ilay mpampianatra zavakanto, Nina Vorobieva, izany. Nandeha nitaraina tany amin'i Larisa Trofimova, talen-tsakoly izy, izay niantso polisy taorian'izay. Afaka nandositra i Masha ary nihazakazaka nody avy tany am-pianarana. Nitantara ny zava-nitranga tamin'io andro io teo amin'ny OVD-Info i Alexei Moskalev, rain'i Masha (53 taona) :

“Tonga tao an-trano izy, sempotra ary niteny hoe : ‘Dada a, saika voasambotry ny polisy aho. Nanao sary aho’. Natahotra ny zanako vavy. Nanome toky aho fa rahampitso maraina dia ho any am-pianarana ary hiandry azy.” 

Ny ampitso, nandeha tany an-tsekoly i Aleksey Moskalev. Raha vao hitan'ilay talen-tsekoly izy, dia niantso polisy indray ity farany. Tonga niaraka tamin'ireo mpiasa sosialy ny polisy. Tsaroan'i Moskalev ny hoe: “Niteny tamiko izy ireo hoe : ‘Jereo ny zavatra ampianarinao ny zanakao ! Jereo ny sary nataony.’ Namaly aho hoe : ‘Dia ahoana ? Manohitra ny ady i Masha, manohitra ny fandatsahan-drà. Inona no ratsy amin'izany ?” Nanoratra tatitra ofisialy ilay polisy avy eo ary niantso mpanabe vitsivitsy ho vavolombelona. Dia nentina tamin'ny fiara izahay [an'ny polisy] ary nijery anay avy teny am-baravarankely ireo mpianatra hafa. Sahala amin'ny hoe mpampihorohoro izahay. Nentina tany amin'i Andrey Aksenov, lehiben'ny polisy [tany amin'ny distrikan'i Efremov] izahay. Nohazavainy tamiko ny fetezan'ny fanabeazana nomeko an-janako.

oskalev raises his daughter alone. Masha’s mother has not lived with them since the girl was three.   …..  Moskalev irery no mitaiza ny zanany vavy. Vao telo taona monja i Masha dia tsy niara- nipetraka tamin'izy ireo intsony ny reniny.

Fanalàmbaraka : Aprily 2022  

Fantatr'i Alexey nanomboka tamin'izay fa nampangaina izy ho “nanala baraka ny tafika Rosiana” tamin'ny famoahana fanehoan-kevitra teo amin'ny tambajotra sosialy Rosiana Odnoclassniki. Nilaza ilay fanehoankevitra hoe : “Ny tafika Rosiana. Tsy lavitra antsika ireo tompon'antoka”. Ny androtr'io ihany, ny 25 Aprily, voasazy nandoa onitra 32 000 RUB i Moskalev [manodidina ny 500 dolara Amerikana].

“Ny hariva izahay no nivoaka ny fitsarana. Noana ilay zanako vavy ary nitomany. Nangovitra izy”, hoy i Alexey. “Hoy aho taminy hoe : Masha, mitonia ianao. Nandeha ny fitsarana. Voasazy handoa onitra aho ; navelany malalaka izahay amin'izao fotoana izao.” Hoy izy : “Matahotra ny handeha hianatra aho”. Saingy noreseko lahatra izy fa tsy misy atahorana intsonyny momba izany”.

Servisy Federaly misahana ny Fiarovana (FSB) andiany 1 : Aprily 2022

 Tsy izany anefa no nitranga : nitohy ny tantara nony ampitso. Nandeha nianatra i Masha ary haingana be ny rainy dianaharay antso an-telefaona. Nilazana izy fa tsy maintsy mankany an-tsekoly haingana, satria “nosamborin'ny FSB” ny zanany. Ny Federal Security Service (FSB) no mpandimby voalohany ny KGB.

“Niankanjo aho dia nihazakazaka nankany”, hoy Alexei. Ireo mpiasan'ny FSB no nandray ahy. Nohadinkadininy sy nampianariny nandritra ny adiny telo sy sasany aho. Nolazain'izy ireo fa tsy nahomby ny fitaizako ny zanako ; Nolazain'izy ireo fa alainy amiko izy ary izaho hampidiriny am-ponja. Nanolo-kevitra ihany koa izy ireo [azo inoana fa ho fanavotana] fa ho lasa mpitarika karazana vondrona tanora iray hanohana ny tafika Rosiana i Masha, saingy nolaviko tam-pahendrena izany. Taorian'io tranga io, tsy nandeha tany an-tsekoly intsony i Masha : niangavy an-drainy izy mba tsy handefa azy ho any intsony. Fa mbola nitohy hatrany ny fandrahonan'ny FSB ny fianakaviana Moskalev.

Servisy Federaly misahana ny Fiarovana andiany 2 : Desambra 2022

Ny 30 Desambra 2022, tamin'ny 7:30 maraina, nisy olon-tsy fantatra tonga tao an-tranon'i Alexey.

Tamin'ny voalohany, nanapa-kevitra ny tsy hamoha varavarana i Alexey, saingy nanomboka nanatsofa ny varavarana izy ireo – tsy maintsy navelany niditra izy ireo. Nampiseho taratasy avy any amin'ny fitsaràna izy ireo hahafahana misava ny ao an-tranony, avy eo nanomboka “namoaka zavatra avy tao anaty talantalana ka nanipy izany teo amin'ny gorodona, nanosihosy ireo akanjo, nisintona tady, nanongotra ireo sary teny amin'ny rindrina, nanongana fanaka”, hoy ny nosoratan'ny OVD-Info. Nalain'izy ireo ny vola (manodidina ny 5 000 dolara Amerikana) sy ireo finday.    

Taorian'ny fisavàna dia nentin'ny FSB i Aleksey Moskalev hanaovana fanadihadiana, ary i Masha kosa nalain'ny “invontoerana sôsialy” iray misahana ireo zaza tsy ampy taona. Nambaran'i Alexei fa nandritra ny fanadihadiana natao azy dia nangatahana izy mba hilaza hoe : “Taiza no nahazoanao ireo vola dôlara ireo ? Iza no mpampiasa anao ? Miasa ho an'iza ianao ?”.

Avy eo, nodarohana i Moskalev “nakapoka tamin'ny rindrina sy tany ny loha”, ary rehefa elaela kokoa, “nohidian'izy ireo tao amin'ny biraony izy nandritra ny adiny roa sy sasany, nalefany mafy be ny hiram-pirenena Rosiana dia lasa izy ireo”. “Taorian'izay, tratran'ny aretim-po aho. Natahotra izy ireo sao maty ao aho ka niantso fiara mpitondra marary izy ireo. Notsapain'ny dokotera ny tosidràko ka nomeny pilina roa sy tsindrona iray aho ary lasa izy ireo”, hoy ny fahatsiarovan'i Alexey. Fanampin'izay, ireo manam-pahefana amin'ny FSB, araka ny voalazan'i Aleksey, dia nampiseho ny fanehoankevitr'i Masha teo amin'ny tambajotra sosialy VKontakte. Nandefa fanehoankevitra iray izy izay nilaza fa “maty tsy mitsitsy ny ainy ireo zanatsika”. Nilaza ilay fanehoankevitr'i Masha fa : “Ary karamaina ohatrinona izy ireo ho faty any ?”

Araka ny fantatra, tamin'ny 27 Desambra, telo andro talohan'ilay fisavàna, dia raharaha heloka bevava iray no nosokafana mikasika an'i Alexey noho ny “fanalana baràka” im-betsaka ny tafika Rosiana. Navotsotry ny FSB i Aleksey tamin'ny 9 ora alina. Ny ampitso maraina, dia naka ny zanany vavy avy tany amin'ilay toeram-pialofana izy.”

Ny fisamborana : Marsta 2023

Taorian'ny zava-nitranga, nanapa-kevitra ny handao an'i Efremov ny fianakaviana Moskalev. Nifindra tany amin'ny tanàna hafa teo akaiky ry zareo. Elena Agafonova, mpilatsaka antsitrapo iray amin'ny  Tula Regional People’s Council, Fikambanana Tsy Miankina amin'ny Governemanta, izay nanampy ny fianakaviana, no nitantara tamin'ny Holod fa tsy lavitra an-dry zareo no nipetraka izy ireo.

“Manana ny fndraharahàko manokana aho. Nanampy ahy i Alexey. Efa zatra ahy ilay zaza (Masha)”, hoy ny nambaran'i Agafonova. Ny maraina tamin'ny 1 Martsa 2023, olon-tsy fantatra roalahy no tonga tao an-tranon'i Elena Agafonova. “Ny iray manao fanamiana polisy, ilay faharoa miankanjo tsotra ary samy mitondra tapi-maso mainty (sarondoha) avokoa izy ireo”, hoy izy teo amin'ny Mediazona. “Nitaky didy izahay, saingy tsy nampiseho n'inon'inona izy ireo sady nanomboka namaky ny varavarana.” Tamin'io andro io, nosamborin'ny polisy indray i Aleksey Moskalev.

Ny 2 Martsa, nalefan'ny fitsarana ho ambenana ao an-tranony hatramin'ny 27 Martsa i Aleksey. Voampanga izy ho “nanala baraka” im-betsaka ny tafika Rosiana.

Fialofana iray ho an'ny ankizy : Martsa 2023

Fony notanana am-ponja i Aleksey dia 13 taona Masha, nentina tany amin'ny foibe fanarenana ara-tsosialy (fialofana) ho an'ny zaza tsy ampy taona. Tsy nahita an-drainy intsony izy hatramin'ny nitondrana azy tany.

Ny 3 Martsa dia fantatra fa nisy fitoriana napetraka mba hameperana ny zo maha-ray amandreny an'i Alexey Moskalev. Kenren'ilay dingam-pitsaràna ny hameperana ny zon'ny ray amandreny maha-ray sy maha-renin'i Masha. Araka ny voalazan'ny mpisolovava an'i Moskalev, ny fitsarana voalohany dia voalahatra ho ny 6 Aprily 2023.

Niezaka nijery an'i Masha ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary nanome finday azy, saingy tsy nomen'ilay mpiasan'ny fialofana azy izany. Nanitrikitrika ilay mpisolovava an'i Aleksey fa tsy tokony hesorina amin'ny mpanjifany ny zony amin'ny maha-ray amandreny azy ary tokony havela hody any an-tranony i Masha. Nandefa fangatahana any amin'ny Fampanoavana sy ny Mediatora izy mikasika ny zon'olombelona, saingy tsy nahazo valiny. Telo taona an-tranomaizina no sazin'i Aleksey Moskalev noho ny “fanalana baràka” ny tafika, ary mety ho alefa any amin'ny fitaizana zaza kamboty i Masha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.