Tamin'ny 2022, nandritra ny enina volana, ny tafika rosiana nibodo ny tanànan'i Izioum ao amin'ny faritra atsinanan'i Kharkiv ao Okraina, dia nibahana ny fahazoana aterineto sy ireo tambajotra finday mba tsy hahafahan'ny mponina mampita vaovao ho an'ny tafika sy ireo sampam-pitsikilovana okrainiàna. Niaina volana enina tao anatin'ny tsy fahazoana antoka mihitsy momba ny havany sy ny fireneny ireo mponina nisafidy ny hijanona tao Izioum. Tany an-toerana hafa, ny ray aman-drenin-dry zareo sy ny namany, araka izany tsy afaka nifandray taminy, dia niasa saina be ihany koa. Marobe ireo ezaka ho fanavotana no tsy tafita satria tsy nànana fomba hampiomanana ireo mponina tao an-toerana ny manampahefana okrainiàna hampahafantarana azy ireo hoe misy fiara fitateram-bahoaka miandry hamoaka ireo mponina izay niafina tany anaty lakavy. Potika ilay tetezana lehibe fampiasa mampitohy ireo faritra roa tao an-tanàna, nahatonga azy ho azo lazaina hoe tsy afaka aleha.
Tamin'ny Septambra 2022, voatosiky ny tafika okrainiàna ireo andian-tafika rosiàna tao amin'ny faritra Kharkiv. Nahita fasana faobe tao antin'ny ala tsy lavitra teo sy razana ampolony maro tany anaty lakavin'ireo trano nirodana ireo manampahefana sy miaramila okrainiàna. Araka izany dia nesorin-dry zareo ireo fatin-korontana, naveriny ny rano sy herinaratra ary nalàna ireo vanja nilevina tao an-tanàna. Na izany aza, herintaona eo ho eo aty aorian'ny fanafahana, marobe amin'ny varavaran'ireo tranobe ao Iziuom no mbola mitondra mandrakariva ireo soratra hoe “misy olona mipetraka ato”, fampahatsiahivana tsy mitsahatra ireo fanafihana tsy niato sy ny fananihambohitra, ary marika iray fa betsaka amin'ny faritra ao no tsy misy mponina. Ny 01 Septambra 2023 ( andro voalohany nanombohan'ny taom-pianarana tao Okraina ), na iray aza tsy nisy zaza namonjy sekoly tao Izioum satria simba nandritra ny fifandonana ireo toeram-pianarana tao an-tanàna.
Ireo tena tanjon'i Rosia
Ny 24 Febroary 2022, rehefa injay ny filoha rosiàna Vladimir Poutine nanomboka ilay fananihambohitra goavana tao Okraina, ny faritra tao Kharkiv ao avaratra-atsinanan'ny firenena, ary toerana mifanila amin'i Rosia no lasa iray tamin'ireo tena lasibatra goavana ho azy. Raha nanainga avy any amin'ireo faritra tao avaratra ny tafika rosiàna mba haka an'i Kyiv, renivohitra, ary avy any atsimo mba hanokatra lalantsara iray ho an'ny fitaterana an-tanety eo anelanelan'i Rosia sy ny saikinosy Krimea efa nalain'i Rosia, ny tena tanjon'ilay fanafihana tao amin'ny faritra Kharkiv dia ny haka an'i Izioum, tanàna kely iray eo akaikin'ny sisintany ara-pitantanana ao amin'ny faritra Donetsk.
Ny antony faniriana fatratra tao amin'ny tafika rosiàna hambabo ity tanàna ity dia noho izy miorina an-tampon-kavoana, ka ny fahazoana azy dia hahafahana mifehy ilay làlana stratejika mankao Sloviansk sy Kramatorsk, ao amin'ny faritra Donetsk. Ananan'i Izioum ihany koa ny zotran-dalamby mampitohy azy amin'ilay tanàna mifanila vodirindrina aminy ao Koupiansk, fihaonan-dàlamby manakaiky ny sisintany rosiana afaka hiantoka ny fandefasana ireo fitaovam-piadian'ny tafika.
Na lohateny vaventy ho an'ireo media rehetra aza i Marioupol, indrindra fa noho ilay ady nangotraka tao Okraina (sy vondrona iray malaza misy ireo mpanao gazety nanohy ny fandrakofana ny ady avy ao an-tanàna), dia zara raha nisy nahita ny fanaovana fahirano an'i Izioum, eny fa na dia niaritra daroka baomba navesatra aza ilay tanàna. Vetivety dia azon'ny tafika rosiàna ny fifehezana azy, volana iray teo ho eo; taorian'ny niafarany tamin'ny fomba ôfisialy ho eo ampelatanan'ny tafika tamin'ny 01 Aprily 2022, dia manodidina ny 80 isanjaton'ilay tanàna no rava na simba.
Fitaovana avotr'aina
Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ilay fananihambohitra dia voadaroka ny efitrano fonenan'i Dmytro Pavel tao Izioum. Avy eo i Dmytro dia nifindra tany amin'ny reniny tany amina tranobe iray hafa. Fotoana fohy taorian'izay, potiky ny fipoahana teo akaiky teo daholo ny fitaratry ny varavarankely ary niainga daholo ireo rakotra plastika tao an-davarangana. Noraofin'i Dmytro ireo potipotiny mba hanakonana ny varavarankelin'ny reniny sy ireo mpiray vodirindrina; mbola nampiasa ihany ireny lamba firakotra tsizarizary ireny ny sasany tamin-dry zareo mba hatao solona varavarankely. Fàtana tsy niomanany sy noforonina maimaika nampiasain'ireo mponina nandritra ireo volana marobe tsy nanànan-dry zareo entona fandrehitra sy herinaratra, no mbola mijoro hatrany eny anoloan'ireo tranobe sasany. Voatery nanangona kitay i Dmytro ho an'ilay fàtana eo amin'ny faritra iray feno vanja tsy mbola nipoaka. Mbola misy ampahany natoby eo amin'ny fidirana ny tranon-dry zareo.
Na toa inona ny toejavatra misy, mbola velom-panantenana ireo mponina ao Izioum ary hita ho tsy mieritreritra ny hiverenan'ireo tafika rosiàna ao an-tanàna, na eo aza ny firosoan-dry zareo miaraka amin'ny rà latsaka mankao amin'ny faritra Koupiansk, izay efa voabodo tany am-piandohan'ny ady. Tsy nizaka fanafihana an'habakabaka i Izioum hatramin'ny nanafahana azy tamin'ny Septambra 2022, ary ny fanokafana indray ireo toeram-pivarotana, fisakafoanana sy fisotroana kafe dia toy ny sarintsarim-piverenana amin'ny laonina ho an'ilay tanàna. Araka ny ambaran'i Dmytro, na inona na inona miseho hatreto, tsy misy azo ampitahaina amin'ny fahasahiranana nolalovan'i Okraina hatramin'ny niandohan'ny 2022, fony namely tampoka an'ilay firenena ny ady sy ny fibodoana.
Ireo mpiompy tao amin'ny faritra no nanavotra ny ain'ireo mponina nijanona niafina tao Izioum nandritra ilay fibodoana : efa nanomboka nihalany ny sakafo izay nangonin'ireo mponina talohan'ny fananihambohitra, nanomboka namatsy legioma ny tsena anatiny ireo mpamboly sy ireo tompontrano madinika mba nanana zaridaina. Zara raha nisy ny fanampiana noho ny mahaolona, ary ny tsy namerina ny famokarana sy famatsiana mofo ho an'ireo mponina ny fitantanana rosiàna raha tsy herinandro marobe taorian'ilay fibodoana. Tetiana Volodymyrivna, renin'i Dmytro, mahatsiaro ny fotoana nandraisan-dry zareo ny famatsiana voalohany voarainy rehefa avy niaritra hanoanana nandritra ny volana maro : tsy mbola nifofona na nihinana zavatra tsara tahaka izany izy ireo hatrizay.
Lazain'i Dmytro fa ny tena nanahirana indrindra nandritra ireo volana maro tsy nisy rano, entona fandrehitra sy fanafanàna, dia ny tsy fisian'ny herinaratra. Nila fotoana naharitra ny famerenana ny tambajotra famatsiana herinaratra, na taorian'ny nanafahana ny tanàna aza. Ary mbola simba ny sasany tamin'ireo toby famokarana herinaratra manodidina an'i Izioum. Mandrak'ankehitriny, mbola mitohy ny olana momba ireo vanja tsy nipoaka. Tamin'ny Aogositra, nisy ramatoa iray nanitsaka vanja nilevina teo akaikin'ny tranony. Manazava i Dmytro fa nitsangantsangana teo amin'io toerana io izy ny omalin'io. Araka ny ambaran'ireo mponina, ireny karazana zava-mipoaka ireny, kely sy mangirana, miparitaka manaraka ny tsipiky ny ady, dia toa tsimponin'ny vorona ary alatsany indray any lavidavitra any. Amin'ny lafiny maro, tsy ijerena fotoana na izay fomba hifaranan'ny fananihambohitra ao Okraina, tsy hahita fitsaharana mahafaly avy hatrany akory ireo vohitra sy tanàna toa an'i Izioum.