MIVANTANA amin'ny 23 marsa: Santatr'andraikitra Fehikibo sy Lalana an'i Shina—Tsingerina vaovao, sa fiovana tanteraka?

Namolavola indray ny fomba fijery sy ny fitantarana momba ny Belt and Road Initiative (BRI) [Santatr'Andraikitra Fehikibo sy Lalana] ao Shina sy aty amin'ny Ilabolantany Atsimo ny valan'aretina COVID-19, ny ady any Okraina, ary ny fanaovan'i Beijing tombana amin'ny tetipanorony manokana.

Mankanesa ao amin'ny YouTube Live amin'ny 23 Marsa amin'ny 2 ora tolakandro GMT/UTC [5 ora folakandro raha eto Madagasikara] raha hanavatsava ireo lohahevitra ireo ny mpisehatra Niva Yau, Vivian Wu ary Zhang Jinjing, sady hizara ny valim-pikarohana nataon'ny Global Voices momba ny BRI. Ny lanonana dia hotarihan'i Filip Noubel, tonia mpanatanteraky ny Global Voices.

Misoratra anarana amin'ny rohy eto ambany hahazoana fampahatsiahivana momba ny lanonana:

Misorata anarana maimaimpoana ato amin'ny Eventbrite

Ireo iresahana:

Niva Yau : namana-tsy-mponina ao amin'ny Vaomiera Atlantika an'i Global China Hub. Ifantohan'ny fikarohana ataony ny fifandraisan'i Shina sy Azia Afovoany sy ireo fisantaran'andraikitra sy fitantanana fotodrafitrasam-pilaminana ampitan-dranomasina vaovao an'i Shina.

Vivian Wu : mpanao gazety efa nahazo loka tamin'izany sady mpandraharaha media. Mpiara-manorina sady Tale Jeneralin'ny Mighty Voice LLC, miorina ao New York, izy amin'izao fotoana izao rehefa niasa efa-taona tamin'ny naha-Toniam-baovao BBC Shinoa sy Lehiben'ny Birao BBC azy tany Hong Kong. Niasa tao amin'ny Initium Media, South China Morning Post, ary CCTV ihany koa i Vivian, ankoatra ireo haino vaky jery maro hafa. Efa niasa nanolo-kevitra ho an'ireo fikambanana iraisam-pirenena maro izy, anisan'izany ny Internews Network, UNESCO, sns.

ZHANG Jingjing : Shinoa mpahay lalàna momba ny tontolo iainana malaza, mpanorina ny Foiben-Tamberin'andraikitra Transnasionaly ara-Tontolo Iainana (CTEA) izy, ary Mpampianatra Lalàna ao amin'ny Sekolin'ny Lalàna ao amin'ny Oniversiten'i Maryland. Maro ny fandresena azon'i Zhang tamin'ireo raharaham-pitsarana ara-tontolo iainana tao amin'ny fitsarana Shinoa ary nantsoina hoe Erin Brockovich an'i Shina. Miasa amin'ny [fampanoavana] transnasionaly ara-tontolo iainana sy toetrandro izy ankehitriny mba hiantohana fa manaraka ireo lalàna momba ny tontolo iainana sy ny fenitra iraisampirenena momba ny zon'olombelona aty Afrika sy Amerika Latina ny orinasa Shinoa eo ambany Fisantaran'Andraikitra Fehikibo sy Lalana. Nahazo ny Master amin'ny Fitantanan-draharaham-Bahoaka avy amin'ny Sekoly Kennedy amin'ny Governemanta [fitondram-bahoaka] an'i Oniversiten'i Harvard i Zhang sy ny mari-pahaizana momba ny lalàna tao amin'ny Oniversiten'i Wuhan sy ny Oniversiten'i Shina momba ny Siansa Politika sy ny Lalàna.

Manantena anao izahay hanatevin-daharana amin'ny alakamisy 23 marsa amin'ny 2 ora tolakandro GMT (tsindrio ato raha hamadika izany ho amin'ny hasin'oran'ny toerana misy anao).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.