Takian'ireo feo ao Pasifika ny hihetsehana maika momba ny toetrandro maneran-tany

Phase Out Fossils

Ireo mpiaro ny maitso . Ireo mpiaro ny tontolo iainana ao Tonga mihazona sora-baventy mitaky ny fampitsaharana ny fitrandrahana solika fôsily. Sary avy amin'ny pejy Twitter an'ny 350 Pacific.

Manoloana ny voka-dratsy miha-mahafaty hatrany ateraky ny krizin'ny toetr'andro, manosika hetsika maromaro ireo mpikatroka avy amin'ny firenena nosy Pasifika mba hanasongadinana tantara, fitantarana, ary fampisehoana zava-kanto mitaky hetsika manerantany azo tsapain-tanana kokoa mba hampihenana ny famoahana etona mangeja hafanana.

Miatrika ny fitomboan'ny faharefoana amin'ny fiantraika mafy ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro ny faritra Pasifika, na dia kely aza ny fandraisany anjara amin'ny fandotoana manerantany. Tandindonindoza tanteraka amin'ny voina tafahoatra ateraky ny toetrandro, izay manery ny mponina maro handao ny tranony, ary manohintohina ny asany sy ny fomba fiainany, ny vondrom-piarahamoninn'ny nosy.

Ohatra, nilaza tamin'ny tranokalam-baovao Context ny antony manosika ireo mieritreritra ny hisafidy hifindra monina i Anterea, mpikatroka momba ny toetrandro avy any Kiribati:

If our people are affected by sea level rise, we don't have a place to go…This life for me is good, but what about my daughter? For the sake of my child, I want to migrate and to get a job and contribute to a new home.

Raha tratran'ny fiakaran'ny ranomasina ny vahoakanay, dia tsy manana toeran-kaleha izahay… Tsara ity fiainana ity amiko, fa ahoana kosa ny zanako vavy? Ho an'ny zanako, te hifindra monina sy hahazo asa ary handray anjara amin'ny (fonenana) vaovao aho.

Tsikaritry ny tetikasa “Anganon'ny Toetrandro Pasifika”, navoakan'ny Biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona vao haingana, ity fifindra-monina antery ity tamin'ny volana lasa teo. Manasongadina andian-tsarimiaina nahafahan'ny mpiasa mpifindra monina mizara ny tantarany manokana momba ny fiovan'ny toetrandro.

Iray amin'ireo tantara ny an'i Namatua Tuiniqaqa, izay rava trano sy fivelomana rehefa namely an'i Fiji ny Rivo-mahery Winston tamin'ny taona 2016. Nanery azy hitady asa tany Nouvelle-Zélande izany. Ity lahatsary ity dia mampiseho ny fomba namindran'ny tondra-drano, ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ary ny fikorontanan'ny toetrandro mahery vaika hafa ny mponin'ny nosy Pasifika hiala ny vondrom-piarahamoniny.

Ahitana tantara an-tsary mampiseho ny zavatra mahazatra niainan'ireo mpiasa mpifindra monina any Pasifika ny lahatsary.

Tantara an-tsary novokarin'ny Biraom-paritry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona ao Pasifika

Manaiky ny herin'ny fitantarana ny solontenan'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona ho an'ny Pasifika, Heike Alefsen, mba hizarana ny toe-javatra iainan'ireo mponina voatery nifindra monina noho ny loza ateraky ny toetrandro:

Stories have the power to uplift, inspire and connect. We hope through these stories to show that migrants and the communities that welcome them are stronger together.

Manana hery hanandratana, hanentana ary hampifandray ilay tantara. Manantena izahay amin'ny alalan'ireo tantara ireo fa hampiseho fa matanjaka kokoa raha miaraka ireo mpifindra monina sy ireo vondrom-piarahamonina mandray azy ireo.

Hetsika iray hafa ny Climate Stories Project (Tetikasa Tantaran'ny Toetr'andro) izay mitantara ny fijoroana vavolombelona ataon'ny tsirairay momba ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro eo amin'ny fiainan'izy ireo sy ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ohatra iray ny tantaran'i Efleda Bautista avy ao amin'ny Tanànan'i Tacloban ao Filipina, izay niresaka ny fiantraikan'ny rivo-mahery vaika Haiyan, izay namely ny faritra afovoan'ny firenena tamin'ny taona 2013. Ny fandraisam-peo iray hafa dia avy amin'i AJ Tennant avy any Sydney, Aostralia, izay nizara ny fandinihany momba ny doro tanety, ny fahapotehan'ny haran-dranomasina, ary ny ahiahy momba ny hoavin'ny Great Barrier Reef.

Mandritra izany fotoana izany, mandrakitra ny zava-niainan'ireo vondrom-piarahamonina manoloana ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro ao amin'ny faritra ny Boky Fitantarana momba ny Toetrandro ao amin'ny Nosy Pasifika. Izy io dia novolavolain'ny National Oceanic and Atmospheric Administration of the United States, miara-miasa akaiky amin'ny Pacific Island Meteorological Services sy ireo fikambanana mpiara-miasa hafa.

Fiarahamiasa amin'ny famoronana iray ny Mana Moana – Pacific Voices, fitambarana lahatsary ara-javakanto naseho nandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro tamin'ny taona 2021. Nasehon'ireo lahatsary ireo mpanakanto sy ireo mpanao fampisehoana mifototra amin'ny fiaraha-monina izay nampiasa tononkalo sy haisoratra folk mba hanehoana ny ahiahiny momba ny loza mitatao misy amin'ny fiovaovan'ny toetrandro eo amin'ny fomba fiainan'ny faritra. Iray amin'ireo horonantsary ny fampisehoana tononkalo nosoratan'i Faumuina Felolini Maria Tafuna'i avy any Samoa.

Lahatsary iray hafa nampiseho ireo feo isan-karazany ao amin'ny Pasifika izay nitondra ny antso maika ho amin'ny hetsika maharitra eo an-toerana sy maneran-tany mba hamelomana indray ny tontolo iainana eto an-tany.

A powerful work that is a call to arms on climate change for peoples across the Pacific and globally. Ancient Oceanic wisdom and worldviews harnessed in service to the most pressing crisis and leadership issue of our times.

Asa mahery vaika izay miantso hanampy fitaovana hiadiana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ho an'ny vahoaka manerana ny Pasifika sy manerantany. Ny fahendrena sy ny fijery manerantany ny ranomasimbe fahiny ampiasaina amin'ny krizy sy ny olana maika indrindra amin'ny fitarihana amin'izao androntsika izao.

Ny hetsika sy fanentanana isan-karazany dia miresaka ny hamehan'ny krizy amin'ny toetrandro ho an'ireo vondrom-piarahamonina any Pasifika izay efa miaina ny fiantraikan'ny etona am-polony taona maro sy ny fomba tsy fitandremana momba ny tontolo iainana avy amin'ireo firenena mpandoto fatratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.