Tantara tamin'ny 20 Janoary 2023
Fomba fito nataon'i Môldavia hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny 2022
Ny Newsmaker, Media Moldavy mahaleotena, no nandrafitra lisitra iray misy ireo fomba fito nataon'ny firenena hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny taona 2022.
Misokatra indray mialoha ny taombaovao manara-bolana ny sisintany ifanoloran'i Hong Kong sy i Shina
Nosoritan'ny fitantarana ofisialin'i Beijing ho “fiantombohana vaovao” ho an'ny fihariana ny fanokafana indray ny sisintany, anisan'ireo nirohotra hiampita ny sisintany tamin'ny fitodiana an-tanety ny ankamaroan'ireo fianakaviana niaritra fisarahana efa ho telo taona noho ny politika zero-COVID.
Nahatezitra ny governemanta tao Azerbaidjan ny tsy fahatongavan'ny iraisampirenena nitsidika ilay faritany antom-pifandirana teo aloha
Toa nanafintohina an'ireo manampahefana ny tsy fisian'ireo solontenan'i Etazonia sy Frantsa nandritra ilay hetsika natokana ho an'ny "famerenana amin'ny laoniny sy fanarenana" ireo faritany tafaverina amin'i Azerbaijan taorian'ny ady.