Mpitantana ny ara-pinoana ao Tiorkia, manambara fa tsy azon'ny vehivavy atao ny hivezivezy irery

Sary an'i Jason Blackeye. Fampiasàna malalaka miaraka amin'ny  lisansa Unsplash.

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato anaty lahjatsoratra.]

Raha niteny tao amin'ny fantsom-pahitalavitra Diyanet TV, i Zeki Sayar, mpanolotsain'ny filoha miandraikitra ny raharaha ara-pinoana, dia nanao fanamarihana iray niteraka resabe : «raha tsy arahan'ny zanany lahy na ny vadiny ny vehivavy, tsy tsara loatra ho azy ny mandeha irery mivezivezy anaty halavirana mihoatra ny 90 km.» Tsy io fatwa [fr] io no voalohany mamely ny vehivavy sy ny fahalalahan'izy ireo nataon'ilay rantsana mitantana ny ara-pinoana ao anivon'ny fanjakana tiorka. Tany aloha, efa nokianin'io rantsana io noho ny fitafiny ny vehivavy, amin'ny fanosehana ireo vehivavy hanaiky ny herisetra an-tokantrano mihatra aminy no sady  manamafy mihitsy fa ireo tovolahy sy tovovavy tonga amin'ny fotoana maha-maoty azy ireo dia afaka miditra amin'ny fanambadiana. Ali Erbaş, talen'ilay andrimpanjakana, dia nanome tsiny ireo pelaka sy mpijangajanga ho fototry ny valanaretina COVID-19 ary ninia tsy niresaka ny tsy fisian'ireo fepetra fiarovana tany am-piandohan'ny valanaretina.

Ny fisandratan'ny Diyanet

Ny Fitalevana misahana ny raharaha ara-pinoana, na Diyanet,  no rantsana voalohany ara-pinoana ao Tiorkia misahana ny fandrindràna ny ankamaroan'ireo hetsika ara-pinoan'ny miozolmàna ao amin'ny firenena, indrindra fa ny  fanarahamaso ireo maoske ambany fiahian'ny fanjakana, ny fanendrena ireo “imams” (mpitari-pivavahana), ny fandefasana ireo toriteny isankerinandro mialoha ny vavaka mitatao vovonana isaky ny Zoma, ny fanomezana fampianarana momba ny Korany, ary ny fikarakaràna ireo fivahinianana masina mankany La Mecque, ankoatra ireo asany hafa.

Noforonina tamin'ny 1924, nitombo be tsy nisy toy izany arakaraky ny taona nifandimby ny anjara asan'ilay fitaleavana misahana ny raharaha ara-pinoana, indrindra teo ambany fitondran'ny Antokon'ny Rariny sy Fandrosoana. Ankoatra ny fahazoany tetibola goavana, vitan'ny Diyanet ny nampanjavozavo ny fetra manasaraka ny fanjakana sy ny finoana. Tamin'ny Septambra 2021hita nandritra ny lanonana fitokanana ny tranobe vaovaon'ny fitsaràna i Erbaş ary niaraka tamin'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan nandritra ny fitsidihana iray tany New York, toerana izay nitsofany rano  ny trano vaovao ipetrahan'ireo diplaomaty tiorka. Tamin'ny 2021, Erbaş dia nanosoka hevitra ny hifehezana ny fampiasàn'ny olompirenena ny tambajotra sôsialy mba hitazonana ny soatoavina islamika.

Ny Orina Diyanet no manara-maso ny fantsom-pahitalavitra Diyanet TV, izy azy, ary hatramin'ny anjerimanontolo islamika iray. Ao amin'ny tranonkalan'ilay orina, afaka vakiana ny hoe:

Noforonina mba hanohana ny asan'ny filoha mifandray amin'ny raharaha ara-pinoana, sy hizara ireo tolotra ara-pinoana ho an'ny olona marobe araka izay tratra ary hitaiza andian-taranaka handray anjara amin'ireo raharaham-pisoronana, ny Orina Diyanet ao Tiorkia dia manana zana-tsampana miisa 1.003 manerana ny firenena, ary hetsika maro isankarazany manomboka amin'ny fanabeazana ka hatramin'ny kolontsaina, tolotra sôsialy sy asa soa hatramin'ny hetsika fanaovana asa fanampiana iraisampirenena any amina firenena miisa 149 eran'izao tontolo izao. Lasa hetsika iray goavana iseharan'ny fiarahamonina sivily izy, miasa anaty sehatra tokana.

Famelezana ny vehivavy

Rehefa nifandimby ny taona, nataon'ireo solontenan'ny Diyanet lasibatra tamin'ny resaka fomba fitafy ireo vehivavy, tamin'ny fampitàna tamin'izy ireny ny tokony sy ny tsy tokony hataony noho ny maha-vehivavy azy, sy tamin'ny fanalàna baràka azy ireny imasom-bahoaka.

Tamin'ny 2008 , tao anaty lahatsoratra iray nivoaka teo amin'ny tranonkalan'ilay fitaleavana, nisy andiana « taridàlana » namariparitra ny fitondrantena tokony na tsy tokony hataon'ireo vehivavy. « Tokony hitandrina kokoa ireo vehivavy, satria manana zavatra manaitaitra any aminy ry zareo. Tokony hirakotra tsara ry zareo mba tsy haneho ireo haingonkaingony sy ny toebatany amin'ny olona hafa ; tokony hanana fomba firesaka tsy haneho taratra izay any anaty fo laliny, ary amim-pahamatorana sy fahamendrehana tsy hahafahan'izay eo anoloany hanana hevi-diso momba azy ireo ». Ilay lahatsoratra, nitondra lohateny hoe « Fiainana ara-pananahana », dia mandrisika ihany koa ireo olon-droa miaraka saingy tsy mbola mpivady mba tsy hiseho imasom-bahoaka ; mba tsy hiasa any amina toerana natao ho an'ny lahy sy ny vavy ireo vehivavy ary nohamafisiny fa ho an'ny vehivavy dia tsy mifanaraka amin'ny “môraly” ny manao ranomanitra ivelan'ny tokantranony.

Rehefa nandeha ny fotoana, tonga tamin'ny faratampony ny fanakianana ny vehivavy. Tamin'ny taona lasa, nisy mpikambana iray avy amin'ny filankevitra ambony ao amin'ilay fitaleavana nanambara fa tsy azo ekena ny vehivavy hanao pataloha teritery eny imasom-bahoaka. Tanaty ohatra iray hafa, “imam” iray ao Ankara no nitaraina hoe mitovy amin'ny “hena eny amin'ny fivarotan-kena” ireo vehivavy rehefa mandeha eny an'arabe. Tomponandraikitra hafa iray ao amin'ny Diyanet no niantso ireo raim-pianakaviana, anadahy sy vady mba hanoro hevitra sy hitarika ireo vehivavy ao amin-dry zareo hirakotra tsara. « Ilaina ny fijoroana miozolmàna. Nanomboka nanokatra ny varavarany rehetra (ry zareo), nanitsakitsaka ny fetra ary nanao “harams” (fanamarihan'ny mpandika mahatsoratra: zavatra voaràra sy masina ho an'ny miozolmàna). Tsy hanao izany ny miozolmàna iray », hoy ny nambaran'ilay tomponandraikitra.

Tamin'ny 2020, tao anatina andiana fatwas iray, notoroan'ny biraon'ny “mufti” ao amin'ny  Diyanet hevitra ireo vehivavy matahotra ny hisian'ny herisetra an-tokantrano mba hanatona ireo zokiolona sy hiresaka an-databatra eo am-pisotroana dite miaraka amin'ny vadin'izy ireo. Tamin'ny 2019, İhsan Şenocak, mpanorina ny Ivontoerana Fikarohana Siantifika sy ara-tsaina (IFAM), fikambanana ara-pinoana, dia nanonona toriteny iray toa hoe nanambaràny fa : « Ireo zanaka vavy, vady, manao pataloha, mandeha mandranto fianarana eny amin'ny anjerimanontolo dia any amin'ny helo ho hiafara. Nokianin'i Şenocak [fr] ihany koa ny ekipam-pirenena vehivavy mpilalao volley-ball ao Tiorkia tamin'ny nandraisany anjara tamin'ireo Lalao Olaimpika tany Tokyo tamin'ny 2021.

Saingy tsy ny Diyanet ihany no niloa-bava nanakiana ny vehivavy. Erdoğan tenany mihitsy koa aza no nanao fanambaràna mahabe resaka tato anatin'ny taona vitsivitsy, nilazàny indrindra indrindra fa tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy, sy hoe tsy maintsy reny ny vehivavy, ary ny ankohonana dia tsy maintsy miteraka telo farafahakeliny, raha ny antoko eo amin'ny fitondrana kosa indray nanolotra hevitra hamerana ny zo ho afaka miditra amin'ny fanalàn-jaza, ny fandrindrana fiterahana amin'ny alàlan'ny fihinanana pilina, ary ny fandindiana eo am-piterahana. Tamin'ny 2012, nampitovin'ny praiminisitra Erdoğan tamin'ny famonoana olona ny fanalàn-jaza. Ary na mbola ara-dalàna aza ny fampitsaharana ny fitondrana vohoka any Torkia mandra-pahatongan'ny herinandro faha-10 itondràna vohoka sy hatramin'ny faha-20 amin'ireo tranga mety hitera-doza ara-pahasalamàna, dia lasa zavatra tsy hay tanterahana ny hahita hopitaly hanatontosa ilay fomba.

Tamin'ny 2014, nampangain'i Erdoğan ireo feminista ho tsy mahatakatra ny maha-reny. Raha niresaka nandritra ilay fihaonambe tany Istanbul izy dia toa hoe nilaza fa : “Afaka mahatakatra izany ny olona sasany, fa ny hafa kosa tsy afaka. Tsy vitanao ny manazava izany amin'ireo feminista mpiaro ny vehivavy satria tsy eken-dry zareo ny foto-kevitry ny maha-reny. ” Nilaza koa izy fa “mifanohitra amin’ny maha-olombelona” ny resaka fitovian’ny lahy sy ny vavy ary “tsy ampy kely” ireo vehivavy miasa.

Tamin'ny 2021, niala tamin'ny fomba ofisialy tsy ho ao anatin'ny Fifanarahana Istanbul i Tiorkia, fifanarahana iray araka ny lalàna misy fepetra momba ny zon'olombelona tao amin'ny Filankevitr'i Eorôpa izay miantoka ny hisorohana, hanenjehana ary hanafoana ny herisetra an-tokantrano ary hampiroborobo ny fitovian'ny lahy sy ny vavy.

Niteraka fanakianana mivaivay ilay fatwa vao haingana nataon'ny Diyanet momba ny famerana ny fivezivezena. Nibitsika ilay mpanao gazety, Bulent Mumay, fa toa tsy nahasakana ny vadin'i Erbaş tsy handeha hitety an'i Torkia, nefa tsy niaraka tamin'ny vadiny, ilay fameperana vaovao. Nokianin'ilay mpanoratra, Yilmaz Özdil, tao amin'ny fandalinany ny tsy fahampian'ny fahalalàna ankapoben'ilay fitaleavana misahana ny raharaha ara-pinoana , nanoratra izy hoe, “hatramin'ny 200 taona lasa izay, tsy nisy akory ny foto-kevitry ny fandrefesana kilômetatra. Nofaritan'ity lehilahy ity ny elanelana an-kilometatra [halavirana] tamin'ny fiandohan'ny finoana silamo!”  Noresahan'ny mpanoratra ihany koa ny momba ireo vehivavy Tiorka malaza, nanomboka tamin'ilay vehivavy voalohany mpanamory fifaninanana fiarakodia tao amin'ny firenena tamin'ny 1932 ka hatramin'ireo vehivavy voalohany injeniera tao aminy, ireo vehivavy voalohany mpihanika tendrombohitra ary astrofizisiàna. Na izany aza,  hoy ny nosoratan'ilay mpanoratra, na dia efa aty amin'ny 2023 aza isika, “Ny sisintanin'ny Diyanet dia mijanona eo amin'ny 90 kilometatra.” Nampitahain'ny hafa tamin'ny an'ireo Talibans izany karazana toe-tsaina izany. Tamin'ny 2021, noraràn'ireo Talibans ao Afghanistan ny vehivavy tsy handeha irery mihoatra ny 72 kilometatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.