Hiatrika ny firongatry ny Covid-19 ao anatin'ity ririnina ity, latsaka anaty korontana i Shina

Noho ny firongatry ny valanaretina COVID ao Shina, tototra ny hôpitaly. Saripika avy amin'ny lahatsary Twitter  an'ny mpampiasa Twitter @fangshimin

Taorian'ny firongatr'ilay karazany Omicron nanerana ny tanibe Shina, marobe ireo firenena mitaky ny hananan'ireo mpivezivezy avy any Shina, Hong Kong ary Macao, ny valin'ny fitiliana ‘miiba’ 48 ora mialoha ny fiaingàna. Taorian'ilay fiovam-penitra nahery vaika noraisin'ny  momba ilay politikany “zero-COVID” tany am-piandohan'ny Desambra 2022 no hita ity firongatry ny valanaretina ity.

Ny 25 Desambra 2022, nilaza ireo tompon,andraikitra shinoa misahana ny fahasalamàna fa hampiato ny fanambaràna isanandro ny antontanisa momba ny olona tratry ny valanaretina COVID. Raha ny tarehimarika ôfisialy milaza ny fahafatesana vokatr'ilay aretina ho latsaky ny folo tamin'ny Desambra, ireo sasany manampahazaina manokana momba ny fahasalamana kosa tsy mino an'izany. Ny isa ôfisialy avoaka momba ireo tratry ny valanaretina dia ny an'ireo izay niditra hôpitaly ihany, ary ny taham-pahafatesana dia tsy ahitàna afa-tsy ireo fahafatesana nifandray nivantana tamin'ny viriosin'ny COVID-19, izay midika fa tsy maintsy nataon'ireo mpitsabo izay hahazoana antoka fa tsy nanana aretina hafa na efa nisy talohany ireo olona, mba hahafahana manisa sy manoratra ny fahafatesana mifandray amin'ny COVID ao anatin'ny fialazam-pahafatesan'izy ireny.

Mandritra izany, misy tarehimarika hafa voalaza ho notononina nandritra ny teleconference NHC tamin'ny 21 Desambra, miparitaka ao amin'ny media sôsialy ao tato anatin'ny andro vitsivitsy lasa; hatramin'ny Desambra nanesorana ireo fameperana, mihoatra ny 248 tapitrisa izao ny olona tratry ny COVID, ary ny taham-pahavoazana manerana ny firenena dia manodidina ny 17,56 isanjato. Ao Beijing sy Szechuan, efa nihoatra ny 50 isanjato ny taham-pahavoazana, raha manodidina ny 20-50 isanjato kosa ao Tianjin, Hubei, Henan, Hunan, Anhui, Gansu sy Shandong. Taorian'ny Fetiben'ny Ririnina (Taombaovao Shinoa) tamin'ny Janoary, tombanan'ireo manampahaizana manokana ho efa mihoatra ny 50 isanjato ny taham-pahavoazana. 

Manoloana ny firongatry ny valanaretina eny amin'ny vahoaka ao amin'ny tanibe Shina, marobe ny firenena, isan'izany i Japànz, Italia, Espaina, Etazonia, Kanadà, Aostralia, sy maro hafa, no mitaky valim-pitiliana miiba momba ny COVID-19, natao tao anatin'ny andro roa nialohan'ny fiaingàna ho a'ireo rehetra mpivahiny avy any amin'ireo faritra lehibe ao Shina noho ny tsy fahatomombanan'ny fizaràna angondrakitra momba ny fandehan'ilay viriosy sy ny valanaretina. Ny “US Food and Drug Administration” (USFDA), ohatra, dia nanambara fa:

Ny fihenan'ireo fitiliana sy ny fampitàna ny tranga ao (Shina) ary ny zara fa fisian'ny fizaràna momba ny fandehan'ilay valanaretina dia mety hanataraiky ny famantarana ireo karazany vaovao mampiahiahy raha toa ka mitombo izy ireny.

Noho ny firongatry ny COVID toy ny Tsunami, vetivety dia niparitaka toy ny afo ny sahotaka tao anatin'ny tanibe Shina. Nameno ny media sôsialy ny filazana manjo (fahafatesana), samy tototra na ny hôpitaly na ireo toerana fandoroana faty, ary mihazakazaka mividy fanafody fanefitry ny gripa sy ny tazo mahery ny vahoaka noho ny tsy fahampian'ny tahiry.

Miha-maro ireo teratany shinoa mitsikera ny governemanta noho ny nialàny tampoka tamin'ilay politikany  “zero-COVID”. Nisy ranty iray efa voafafa ankehitriny tao amin'ny Weibo nilaza hoe:

北京这波疫情到底死了多少人?不知道!

王劲松的妈妈、樊登的爸爸相继离世。

演员储兰兰、导演王景光疫情离世。

从讣告看,北大、清华成批的院士、教授离世。

北京火葬场业务暴增,单人从40到150,排队到第八天。

只能管中窥豹,不会有真实数据。

但谁对他们的死亡负责?

这一切都归于防疫政策的突变!

Firy izao no maty ao Beijing? Tsy haintsika.

Nodimandry ny renin'ilay mpilalao sarimihetsika Wang Jincong, ny rain'ilay mpanolotra fandaharana amin'ny CCTV, Fan Dang.

Maty i Chu Lanlan, ilay vehivavy 40 taona, mpilalao “opera” tranainy tao Beijing, sy Wang Jingkuang, 54 taona, talen'ny famokarana sarimihetsika.

Asehon'ireo filazana manjo avy amin'ny Anjerimanontolon’ i Peking sy ny Anjerimanontolon'i Tsinghua fa marobe ireo profesora sy olon'ny anjerimanontolo no nodimandry.

Tafakatra 40 hatramin'ny 150 isanandro ireo vatana mangatsiaka entina dorana ao amin'ny toeram-pandoroana ao Beijing ary mila miandry andro valo izao ny vatana iray vao voadotra. 

Avy amin'ireny soritra ireny no mba ahafahantsika mamantatra ny toedraharaha. Tsy ananantsika ny tena angondrakitra marina.

Iza no tomponandraikitra amin'ireny fahafatesana rehetra ireny?

Misaotra tamin'ilay fialàna tampoka tamin'ny politika “zero-COVID”!

Toniandahatsoratra fahiny tao amin'ny South China Morning Post, nofaritan'i Wang Xiangwei ihany koa tao anatin'ny lahatsoratra vao haingana navoakany tamin'ny bilaoginy fa ny krizy misy amin'izao fotoana izao dia vokatry ny nataon'olombelona:

Ny #ThoughtofDayonChina farany : Tsy ampy ny fanafody tazo, hopitaly feno, tsy fahampian-drà, fitomboan'ny isan'ny maty eo amin'ireo beantitra, tranom-paty hipoka. Nahoana no ao anatin'ny krizy toa izany i Shina taorian'ilay “fisokafana tampoka” ?— Wang Xiangwei (@wangxiangweihk)

Hatramin'ny fiandohan'ny Desambra, nanova ny lahateniny ofisialy mikasika ny Covid-19 ireo manampahefana Shinoa ; raha toa ka tokony ho famaritana ny viriosy “ho aretina mahafaty” sy “fahavalon'ny zanak'olombelona” no natao, dia natao ho aretina tsy mampidi-doza toy ny gripa izy ankehitriny. Mbola vao haingana hatrany, nitsimbadika indray ny fitantaràna ôfisialy satria ny solontenan'ny governemanta nilaza fa : “tsara kokoa ny mahazo viriosy alohaloha toy izay tratra aoriana” (早阳早好).

Manampy tsindry fanampiny ho an'ny rafi-pitsaboana ao amin'ny firenena ny karazana familiviliana toa izany, ary mitera-doza ho an'ireo olona marefo. Ny ankamaroan'ny mpiasan'ny fahasalamana eny am-bava-ady dia manohitra ny filazana hoe mitovy amin'ny gripa tsotra ny COVID any Shina. Mpitsabo mpandidy iray, miasa amin'ny hopitaly lehibe indrindra iray ao amin'ny faritanin'i Jiangsu no naneho ny hatezerany teo amin'ny Weibo:

新冠病毒並不是流感… 現在放開後,醫院呼吸內科和ICU已經淪陷,急診和發熱門診也排不上隊。

Tsy misy ifandraisany amin'ny gripa ny viriosy COVID… taorian'ny fisokafan'ny firenena indray dia tena hipoka tanteraka ny sampana mpitsabo taovam-pisefoana sy ny Vonjy Taitra. Tsy afaka nandray marary vaovao intsony ireo sampan-draharaha misahana ny vonjy taitra sy ho an'ireo marary voan'ny tazo, noho ny tsy fisian'ny toerana.

Ho an'ireo izay nanana havana maty dia tsy nahatana ny hatezerany intsony manoloana ny lahateny ofisialy vaovao nataon'ny governemanta ; mpampiasa Weibo iray no nanoratra tamin'ny 23 Desambra lasa teo fa :

谁他妈也别再跟我这新冠就是个小感冒,我爷爷奶奶今年90了,身体健康能吃能喝,就因为感染了我爷昨天下午不在了,我奶现在高烧看见我爷爷不在了也开始不吃不喝。
你自己得了都难受何况是老人?你知道现在医院急诊和icu都满的,那你知道现在火葬场都排队吗?!还他妈说这就是感冒祝你一年得十次 ​ 

Atsaharo ny fitenenana fa gripa tsotra fotsiny ny COVID ! 90 taona mahery ny raibe sy renibeko ; Salama tsara izy ireo sady niaina tamim-pifaliana. Noho ny Covid-19, maty omaly ny raibeko raha toa mbola ao anatin'ny tazo mahery kosa ny renibeko ary mandà tsy mety misakafo taorian'ny naharenesany ny fahafatesan'ny raibeko. Tratran'ny viriosy henjana ihany koa ireo tanora, ka ahoana ny mikasika ireo zokiolona ? Tsy hitanareo ve fa efa tototra tanteraka ny sampan-draharaha misahana ny vonjy taitra sy ny marary mafy eny amin'ny hôpitaly ? Fa milahatra manoloana ny trano fandoroana faty ireo vatapaty ? Raha gripa tsy misy antony fotsiny io, dia iriako ianareo raha mba tratrany im-polo raha kelmy indrindra mandritry ny taona.

Ny tena ratsy, tsy mbola tena vonona ny firenena mikasika ny lafiny ara-pitsaboana hiatrehana ilay valanaretina, sahala amin'izay hita mikasika ny tsy fahampian'ny fanafody ankehitriny hiadiana amin'ny gripa sy tazo. Rong Jian, zokiolona iray mpanao gazety no namoaka teo amin'ny Weibo ny pikantsarin'ny lahatsoratr'ireo mpitsabo niresaka ny tsy fahampiam-panafody :

Tsy mampino ! Na ireo hopitaly aza dia tsy manana tahirim-panafody hiadiana amin'ny gripa sy tazo intsony. Etsy ankilany, azon'ny rehetra idirana tsara mihitsy ny Lianhua Qingwen, fanafody nentim-paharazana Shinoa.

Tao anatin'ilay pikantsary, mpitsabo iray miasa ao amin'ny hôpitaly Huashan, miaraka miasa amin'ny anjerimanontolon'i Fudan, no nanazava fa tsy manana intsony tahirim-panafody hiadiana amin'ny tazo sy kohaka ny departemantan-dry zareo. Ary manontany tena ny iray hafa mpandidy fo hoe: iza no nametra ny fivarotana ny fanafody hiadiana amin'ny tazo, gripa sy ireo fanalàna fanaintainana eny amin'ireo fivarotam-panafody nandritra ilay politika “zero-Covid” ?

Ao anatin'ny pôlitika “zero-Covid”, ny olona rehetra maniry hividy fanafody hitsaboana ny soritr'aretina mifandraika amin'ny COVID dia takiana hanoratra ny tena anarany. Izany no antony mahatonga ny tsy fahampian'ny tahirim-panafody hiatrehana ny valanaretina eny amin'ireo toeram-pivarotana fanafody mba hiomanana amin'ny firongatr'ilay valanaretina. Etsy andaniny, ny Lianhua Qingwen, ankoatra ireo fitsaboana nentindrazana shinoa hafa mifototra amin'ny zavamaniry, dia natolotry ny Fanjakana hisorohana sy hitsaboana ny Covid-19, na dia maha-be fanontaniana aza ny mikasika ny fahombiazany.

Ankehitriny, ratsy kokoa ny firongatr'ilay valanaretina any amin'ireo tanàndehibe izay, tsy toy ny any ambanivohitra, manana loharanom-pitsaboana sy rafi-pitsaboana tsara kokoa any amin'ny hopitaly. Mbola hiharatsy hatrany ny toe-draharaha raha toa ka hihanaka any amin'ireo faritra tsy dia mandroso loatra ao amin'ny firenena ilay valanaretina aorian'ny Taombaovao Shinoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.