27 taona izao ny Renin'ny Asabotsy any Torkia, ary mbola mitady ny rariny sy ny fanakatonana

Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube natokana ho an'ny Renin'ny Asabotsy Reny.

Rehefa namoy ny ainy tamin'ny 20 Novambra 2022 ilay mpitarika sady mpiara-manorina ny hetsika ao Arzantina Renin'ny Plaza de Mayo, Hebe de Bonafini, dia nahatsiaro ny fiainan'i Bonafini sy ny asany tamin'ny maha-mpikatroka azy izao tontolo izao, na dia teo aza ny lazany voaloto tato anatin'ny taona vitsivitsy. Nanampy tamin'ny fiaraha-manorina fihetsiketsehana hafa nanerana izao tontolo izao ny aingam-panahin'ny hetsika Bonafini, anisan'izany ny iray tany Torkia fantatra amin'ny anarana hoe ireo Renin'ny Asabotsy. Mitovy amin'ny Renin'ny Plaza de Mayo, miantso ny rariny sy mitaky valiny momba ny manjò ireo hava-tiany nanjavona ny Renin'ny Asabotsy.

Tahaka ny Renin'ny Plaza de Mayo izay nivory tamin'ny taona 1977 teo ivelan'ny lapam-panjakana lehibe tao Buenos Aires, nivory voalohany tamin'ny taona 1995 ny Renin'ny Asabotsy, tao amin'ny lalana Istiklal, tao Istanbul, nitady valiny momba ny toerana misy ireo havan-tiany izay nanjavona tamin'ny taona 1980 sy 1990 raha teo am-pelantanan'ny polisy. Araka ny voalazan'ny Truth Justice Memory Center (HAHM), fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana niorina tamin'ny taona 2011, olona manodidina ny 1.352 no niharan'ny fanjavonana an-terisetra tao Torkia raha teo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana sy ireo vondrona milisy teo anelanelan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1980 sy ny taona 2013. Nanomboka taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1980 sy ny fifandonana taorian'izany “teo amin'ny governemanta sy ny vondrona mpisintaka Kiorda voaràra, ny PKK,” ireo fanjavonana ireo araka ny tatitry ny Voice of America. Eken'ireo Tandrefana, anisan'izany i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana, mpiara-dia aminy ho fikambanana mpampihorohoro ao Tiorkia ny PKK.

“Olona teo amin'ny 30 teo no nanatrika ny fivoriana voalohany, anisan'izany ireo fianakaviana nilaza fa notànana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ary nanjavona ny havan-tiany. Ny antso dia ny hivory tsy tapaka amin'ny sit-in mangina mba hitadiavana ireo olona tsy hita. Niitatra isan-kerinandro ny fivoriana satria miha-betsaka ny fianakaviana sy mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona nahalala momba ny Renin'ny Asabotsy, ”hoy ny nosoratan'i Nisan Alici, mpikaroka sady manam-pahaizana.

Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube natokana ho an'ny Renin'ny Asabotsy.

Miverina foana isaky ny Alakamisy ny renin'ny Plaza de Mayo, toy ny an'ny Renin'ny Asabotsy natao isaky ny Asabotsy mitataovovonana, nanao fandrehetan-dabozia, nipetraka am-pahanginana. Nandritra ny fisian'izy ireo, niharan'ny herisetran'ny polisy hatrany ny Renin'ny Asabotsy. Tamin'ny taona 1999, niato ela be nandritra ny folo taona ny hetsika noho ny herisetran'ny polisy. Niara-niverina indray ireo reny tamin'ny taona 2009. Nofaritan'i Alici ho mifandray amin'ny fitsarana miaramila nizotra tamin'izany fotoana izany ny fiverenan'ireo Renin'ny Asabotsy:” Niverina indray ny fivoriana folo taona taty aoriana, tamin'ny 31 Janoary 2009, ho setrin'ny fitsarana an'i Ergenekon, izay nasehon'ny governemanta ho dingana lehibe iray hampitsaharana ny fanjakazakan'ny miaramila amin'ny fiainana ara-politika. Tamin'ireo voampanga, dia nisy ireo voarohirohy tamin'ny fanjavonana an-terisetra tamin'ny taona 1990, izay nanosika ireo renim-pianakaviana hanomboka hanao fihetsiketsehana indray.

Tamin'ny volana aogositra 2018, rehefa nandràra ny fiaretan-tory faha-700 ny governoran'ny distrikan'i Beyoğlu, dia tsy navela niditra tao amin'ny Kianjan'i Galatasaray ny Renin'ny Asabotsy, izay toerana mahazatra nivorian'izy ireo tao amin'ny lalana Istiklal hatramin'ny taona 1995.

Nanamarina ny fitsabahan'ny polisy ny Minisitry ny Atitany, Suleyman Soylu, taorian'ny fandraràna tamin'ny volana Aogositra 2018, voalaza fa nilaza hoe: “Te-hampitsahatra ity fanararaotana ity [sy ny fampiasana mamitaka ny maha-reny] izahay.” Hoy ny tatitry ny Voice of America:

Police occupied the square on a street in the heart of Istanbul, where, for nearly two decades, the Saturday Mothers have silently gathered, holding pictures of missing loved ones. Forty-seven people were detained. Some were women in their 70s and 80s. Some were restrained as police swept the street, arresting supporters and using tear gas to disperse the protesters. Local officials said the protest violated public order.

Human rights activists criticized the crackdown.

Nobodoin'ny polisy ny kianjan'ny arabe iray ao afovoan-tanànan'i Istanbul, izay efa ho roapolo taona izao no nivory am-pahanginana ny izahay, nilanja ny sarin'ireo havan-tiana nanjavona. Olona fito amby efapolo no voatazona. Vehivavy eo amin'ny 70 sy 80 taona ny sasany tamin'izy ireo. Ny sasany indray nosakanana rehefa namafa ny arabe ny polisy, nisambotra ireo mpanohana ary nampiasa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nilaza ny tompon'andraikitra ao an-toerana fa nanitsakitsaka ny filaminam-bahoaka ny hetsika.

Nitsikera ny famoretana ireo mpiaro ny zon'olombelona.

Nolavin'ny Renin'ny Asabotsy izay mety ho fifandraisana rehetra amin'ny PKK.

Tsy hita nandritra ny 20 taona mahery ny zanany lahy sy ny vadiny ary ny rahalahiny.

Tsy nolazaina tamin'izy ireo mihitsy ny antony.

Vao haingana no niharan'ny herisetran'ny polisy ny vondrona tamin'ny volana Aogositra 2022, rehefa notazonin'ny polisy ireo mpikambana 14 tao amin'ny vondrona raha niomana hanao fanambarana teo ivelan'ny fasana iombonana iray ireo mpikambana ao amin'ny vondrona.

Hatramin'ny famoretana tamin'ny taona 2018, nivory teo ivelan'ny biraon'ny Fikambanana Miaro ny Zon'Olombelona ao Istanbul ny vondrona. Noferan'ny tompon'andraikitra ao an-tanàna na noraràna tanteraka ny fivoriana tany amin'ny toeran-kafa any Torkia.

Saingy amin’izao fitakian’ny  ny hisian’ny rariny izao, dia lasibatra ihany koa ny fianakavian'izy ireo. Vao haingana ohatra i Jiyan Tosun, zanakavavin'i Fehmi Tosun nanjavona, sy iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny Renin'ny Asabotsy ny reniny, no lasibatra voalohany tamin'ny aterineto ary taty aoriana ivelan'ny aterineto noho izay lazaina fa fifamatorany tamin'ny vondrona mpampihorohoro tompon'andraikitra tamin'ny fipoahana tao amin'ny lalana Istiklal.

Mbola tsy nisy ny fitsarana

Na dia teo aza ny fanentanana an-taonany maro, niresaka teo anatrehan'ny Vaomieran'ny Fikarohana momba ny Zon'olombelona ao amin'ny Parlemanta Tiorka tamin'ny 2011, sy ny fihaonana tamin'ny Praiminisitra Recep Tayyip Erdogan tamin'izany fotoana izany tamin'ny taona 2011, dia zara raha nisy fivoarana ny fahazoana valiny avy amin'ny fanjakana. Tsy misy ihany koa ny karazan-tsangambato maharitra. Araka ny hetsika ao an-toerana antsoina hoe Memorialize Turkey, tetikasa iray izay “manasongadina ohatra amin'ny fahatsiarovana ireo vondrona sy olona maro izay niharan'ny fahavoazana na fitarainana nandritra ny 100 taona lasa tany amin'ny Fanjakana Ottoman farany sy ny Repoblikan'i Torkia”:

Also problematic is the fact that this dynamic memorialization effort has not been accompanied by permanent memorialization endeavors.  This creates serious constraints. Especially in Istanbul, there is no concrete memorial site, such as a monument, museum or site of conscience, that specifically commemorates the disappeared. The absence of any permanent memorialization effort focusing on the cause of the Saturday Mothers differs from the approach of, for example, the Argentine mothers. Although the Saturday Mothers would like to see the police stations in which their children were disappeared transformed into “Museums of Shame,” no concrete effort has yet been made in this regard. The absence of such sites limits the ability to transfer the memory of state terror to new generations in Turkey, and thus the struggle to overcome impunity.

Olana ihany koa ny tsy fisian'ity ezaka fahatsiarovana mavitrika ity amin'ny ezaka fahatsiarovana maharitra. Miteraka teritery lehibe izany. Indrindra fa ao Istanbul, tsy misy toerana fahatsiarovana mivaingana, toy ny tsangambato, tranombakoka na toerana ho an'ny feon'ny fieritreretana, izay mankalaza manokana ireo nanjavona. Hafa amin'ny fomba fijerin'ny reny Arzantina, ohatra, ny tsy fisian'ny ezaka fahatsiarovana maharitra mifantoka amin'ny fotokevitry ny Renin'ny Asabotsy. Na dia tian’ireo Renin'ny Asabotsy aza ny hahita ireo tobin’ny polisy nanjavonan’ny zanany ho lasa “Mozean'ny Henatra”, dia tsy mbola nisy ezaka mivaingana natao tamin’izany. Ny tsy fisian'ny tranonkala toy izany no mametra ny fahafahana mamindra ny fahatsiarovana ny fampihorohoroana ataon'ny fanjakana amin'ny taranaka vaovao any Torkia, ary noho izany ny tolona handresena ny tsimatimanota.

Saingy tapa-kevitra ny renim-pianakaviana. Amin’izao faha-27 taonany nisiany izao, dia tapa-kevitra izy ireo ny hahazo ny rariny ho an’ny fianakaviany sy ny havan-tiany ary ny hahita fiadanana amin’ny farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.