Faritra iray mikorontana, nopotehan'ny governemanta Tajik tao anatin'ny olana ara-toekarena lalina sy fandiampahalemana

“Fiarahabana avy amin'ny mponin'i Gorno-Badakhshan”, ambaran'ny fanorenana amin'ny endriny Sovietika any amin'ny sisintany Kyrgyz-Tajik. Sary an'i avy amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0).

Tamin'ny 15 Jona 2022, taorian'ny iray volana feno herisetra natao tamin'i Pamir tao amin'ny Faritra mahaleotena tao Gorno-Badakhshan (GBAO) ao Atsinanan'i Tadjikistan, izay niteraka famoizan'olona maherin'ny 40 tao anatin'ny andro roa monja ary nahitana fisamborana olona an-jatony, kamiao maherin'ny 30 feno entana niaraka tamin'ny miaramila no voalaza fa niala ilay faritany nikorontana tao anatin'ny telo andro, tao anatin'ny fotoana nitsidihan'ny Komandin'ny Fibaikoana Foiben'i Etazonia, ny General Michael E. Kurilla tao Tadjikistan. Roa andro taty aoriana, tamin'ny 17 Jona, nilaza tamin'ny fomba ofisialy ny Foibem-pibaikoana iraisan'ireo ministera momba ny fiarovana sy ny filaminanam-bahoaka ao GBAO, faritra manamorona ny sisintanin'i Afganistana, Shina sy Kirghizistan, fa voasakana ny hetsika rehetra nataon'ireo “vondrona mpampihorohoro voarindra” ao amin'ny faritra, ary nanampy koa fa olona 220 no nosamborina ary 16 hafa, izay nanao fanoherana mitam-piadiana, no maty.

Teo aloha, ny 12 Jona 2022, Khursand Mazorov sy Zoir Rajabov, mpitarika roa tsy ôfisialy malaza ao GBAO, no maty tao an-drenivohitry ny faritra Khorog nandritra ny “hetsika manokana”, rehefa voalaza ho nanao fanoherana mitam-piadiana sy tsy nety nitolo-batana izy ireo. Ireo lehilahy roa voalaza ao anaty tatitry ny governemanta ho toy ny “mpitarika vondrona mpanao heloka bevava voarindra”, dia nampangaina amina vesatra isan-karazany, anisan'izany ny fampihorohoroana, famonoana olona, fanondranana rongony sy fivarotana an-tsokosoko fitaovam-piadiana. Araka ny tatitry ny governemanta, ireo lehilahy roa ireo ihany koa dia nahitana basy mahery vaika 11, bala afomanga fitifirana faira mifono vy niisa 9, basy marovava 2, basy sniper 2 ary fitaovam-piadiana hafa sy bala maro . Ireo lehilahy roa ireo dia anisan'ireo tao anatin'ireo “mpitarika vondrona mpanao heloka bevava voarindra”, izay nosamborina, notanana na maty nandritra ny hetsika ho fitandroana ny filaminana natao “niaraka tamin'ny fanekena sy fiarahamiasa tamin'ny mponina teo an-toerana”, araka izay voalazan'ny tatitra ofisialy.

Sary maro azo avy ao GBAO pic.twitter.com/ram6UyQ3wG

Ny tanjona voalohany amin'ny famoretana feno herisetra ao GBAO ankehitriny no toa famoretana farany atao amin'izay lazaina fa “mpitarika tsy ara-dalàna” ao amin'ny foko vitsy an'isa Pamiri, izay anisan'ny sampana Ismaili Shi'a Islam, tsy mitovy amin'ny ankamaroan'ny Tajiks. Ireo mpitarika tsy ara-dalàna izay indraindray atao hoe “manam-pahefana” (авторитеты), nandray anjara tamin'ny ady an-trano tamin'ny 1992-1997 tany Tajikistan, teo anilan'ny United Tajik Opposition (UTO) nanohitra ny tafiky ny filoha ankehitriny, Rahmon, dia nampidirina voalohany ho ao anatin'ireo rafitry ny governemanta, taorian'ny fifanarahana fandriampahalemana tamin'ny taona 1997, nahazo toerana lehibe tao amin'ny polisy tany amin'ny faritra sy ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka teo anefa, noezahan'ny filoha ny hanafoana ny mpanohitra ara-politika, satria noheveriny ho ambana mivantana ho azy ireo mpikatroka taloha tao amin'ny UTO – indrindra fa ireo  mpikambana tao amin'ny Antoko Fahaterahambaovao Islamika ao Tajikistan (IRPT). Araka izany, raha ny mikasika fanarahamaso ataon'ny governemanta, nijanona ho faritany tsy voafehy sy tsy mankatò indrindra ao Tajikistan ny ao GBAO noho ny toerana ara-jeografika tsy manam-paharoa, ny firafitry ny foko sy ny fivavahana ary ny toe-piainana sarotra ara-tsosialy sy ara-toekarena ao aminy. Matetika dia lazaina fa ny Pamiris dia “samihafa amin'ireo Tajiks“, tsy noho ny fiteniny sy ny fivavahany hafa ihany, fa koa noho ny fiarahana sy ny firaisankina eo amin'ny fianakaviana, ny tambajotram-piarahamonina na ihany koa ny disadisa amin'ny rà.

Seho iray avy ao Roshorv, tanàna iray ao amin'ny lohasahan'i Bartang, GBAO. Sary an'i Evgeni Zotov avy amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Koa satria ny GBAO efa hatry ny elabe no faritra manana taham-pahantrana ambony be, tahan'ny tsy fananana asa ambony indrindra sy vidin-tsakafo ambony indrindra, ary avo telo heny ny vidin'ny herinaratra raha oharina amin'ny manerana an'i Tajikistan, ny ankamaroan'ny fianakaviana ao dia mivelona amin'ny fandraisana vola fanampiana alefan'ireo fianakaviana avy any ivelany, indrindra ny avy any Rosia. Na izany aza, noho ny mbola fisian'ny adin'i Rosia sy Okraina sy ireo sazy ara-toe-karena avy amin'izany, ny fandefasana vola izay manome hatramin'ny 27%-n'ny harinkarena faoben'i Tajikistan tamin'ny taona 2020 dia nanjary nihena ho 22% izany araka ny tombana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena. Amin'io lafiny io, tena ilaina ny rafi-pahefana efa misy ao amin'ity faritra mitoka-monina ity, satria ireo  “mpitarika tsy ara-dalàna” dia noheverin'ny mponina ho “mpanao asa soa, mpanome tolotra fototra, sy mpiaro ny tombontsoa ary ny soatoavina eo an-toerana, izay “manelanelana amin'ny fifandirana eo an-toerana sy manampy ny sahirana”.

Hatramin'ny nifaranan'ny ady an-trano dia lasa fahazaran’ny governemanta foibe ny fiampangàna miverimberina an'ireo mpitarika tsy ara-dalàna ho manao fanondranana zava-mahadomelina, paraky sy fanondranana an-tsokosoko vatosoa, raha vantany vao mipoaka ny fihetsiketsehana na ny herisetra ao amin'ny faritra, fiampangana navoaka tsara tamin'ny 2018. Ho lasa raharaha manan-danja indrindra ato ho ato ireo fitarainana mikasika ny fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina, satria voalaza fa manome ny 20 hatramin'ny 30 % amin'ny harinkarena faoben'i Tajikistan ny varotra rongony. Tato anatin'ireo taona faramparany anefa izao dia niharatsy ireo fiampangana, nanomboka tamin'ny fanondranana an-tsokosoko ny rongony, paraky ary vatosoa ka hatramin'ny famonoana olona, fanondranana an-tsokosoko fitaovam-piadiana ary hatramin'ny fampihorohoroana mihitsy aza. Araka izany, ny fiampangana ôfisialy taorian'ny fisamborana tamin'ny 11 Jona 2022 an'ireo mpitarika tsy ara-dalàna telo – Talib Ayombekov, Niyozsho Gulobov, ary Munavvar Shanbiev — dia nahitana vono olona, fandrobàna, fanondranana an-tsokosoko rongony sy fitaovam-piadiana, fanakorontananana fiainam-bahoaka, ary fanetsiketsehana ireo fiandirana any amin'ny faritra.

Na teo aza ny zava-misy hoe ny hetsi-panoherana sy ny fipoahan'ny herisetra miverimberina ao GBAO dia matetika lazaina ho noho ny faritra ao aminy tsy azo idirana sy tsy azo onenana, ary koa noho ny fahantrana, ny sasany mihevitra azy ireny ho fanehoan-kevitra voajanaharin'ny vahoaka amin'ny habibiana sy ny herisetra ataon'ny sampandraharaha fiarovana, tahaka ireo hetsika miaramila mitarika ho amin'ny fahafatesana sivily (2012), ireo herisetra ara-nofo na fitondrantena ratsy ataon'ireo mpikambana anatin'ny sampana fiarovana (2013), na fampiasana hery tafahoatra amin'ny olontsotra tsy mitam-piadiana (2014). Tahaka izany koa, ny hetsipanoherana tao Khorog tamin'ny taona 2021 dia nateraky ny famonoana an'i Gulbiddin Ziyobekov, 29 taona izay, araka ny tatitra ôfisialy, dia voatifitra nandritra ny fanoherana mitam-piadiana, na dia nirona nankany amin'ny famonoana fahatany aza ireo loharano avy ao an-toerana sy ireo ampahan-dahatsary. Nokarohina noho ny fidarohana ny lefitry ny mpampanoa lalàna i Ziyobekov noho ny fanorisorenana ara-nofo nataon'iry voalohany tamin'ny vehivavy iray tao an-toerana izay, araka ny voalazan'ny vavolombelona ao an-toerana, dia niala tsiny ampahibemaso ilay lefitry ny fampanoavana taty aoriana.

Ny Filoha Tajik Emomali Rahmon teo amin'ny fihaonamben'ny Collective Security Treaty Organization (CSTO) – Fifanekem-piarovana iraisana. Maosko, 16 May 2022. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Комсомольская Правда.

Araka ny tsikaritra matetika, ny valin-tenin'ny governemanta manoloana ny hetsi-panoherana sy korontana miverimberina any amin'iny faritra iny dia saika voafetra ho ny fampiasan-kery sy famoretana, ka tsy miraharaha tanteraka ny fifampiresahana, izay lasa nisongadina manokana tato anatin'ny folo taona farany. Koa satria matetika ny tantara politika taorian'ny ady an-trano tao Tajikistan no nofaritana ho toy ny ezaky ny filoha Rahmon hanafoana ireo mpifaninana ara-politika, namorona nandritra izany ny endrika fandriampalemana sy firaisam-pirenena, GBAO no lasa sakana goavana amin'ny fanatanterahana izany. Ambonin'izany, sahala amin'ny manahy mikasika ny drafitry ny tetezamita ho an'ny fahefany, mifototra voalohany indrindra amin'ny “ havana sy mponina ao amin'ny faritra niaviany ao Kulob “ ilay filoha 69 taona, izay filoham-pirenena maharitra indrindra amin'izao fotoana izao any amin'ireo faritra taorian'ny Firaisana Sovietika, raha raisina ireo fitazonana toerana vonjimaika na fisoloana toerana, ary mitàna arahan'ny eso ny anaram-boninahitra ofisialy ho “Mpanorina ny Fandriampahalemana sy ny Firaisankinam-pirenena” (Асосгузори сулҳу ваҳдати миллӣ).

Talohan'ny fifidianana ho  filoham-pirenena tamin'ny 2020, izay nahalany an'i Rahmon fanindimy ho amin'ny toerany, nasiam-panitsiana ny lalàm-panorenana mba ho afaka milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ireo izay feno 30 taona, manokatra lalana ho an'ny zanany lahy, Rustam Emomali, 34 taona, izay efa ben'ny tanàna ankehitriny ao Douchanbé renivohitra, ary koa ny filohan'ny Majlisi Milli, antenimieran-doholona ao Tajikistan, ilay toerana misolo ny filoha raha sanatria maty, na mametra-pialàna na tsy fahafahana manohy asa intsony. Na izany aza, koa satria mety ho lasa tsy azo ihodivirana ny drafitra tetezamita – dia natao ho fampahatsiahivana ireo fanesorana tamin'ny toerana manan-danja na ny fisamborana ny fianakavian'ny filoha teo aloha tao Ozbekistan sy Kazakhstan – tsy andrandraina hisosa milamina ny tetezamita, indrindra fa anaty fotoanan'ny krizy ara-toekarena, ny olana amin'ny tsy fandriam-pahalemana mitombo arahan'ny nahazoan'ireo Talibans ny fifehezana ao Afganistàna sy ny ady amin'izao fotoana ifanaovan'i Rosia sy Okraina. Mandritra izany fotoana izany, Rustam Emomali, ilay hita ho mpisolo toerana ary voatsikera mafy noho ny tsy fanànany fahaiza-mitantana sy fifandraisana, no noheverina ho atidoha nikotrika ny famoretana feno rà nandriaka tao GBAO tamin'ny volana Mey, rehefa nandeha nanao fitsidihana ofisialy tany Maosko ny rainy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.