Misy kaonty Twitter iray mamoaka sary sy kisarisary avy amin'ny faritra samihafa ao Rosia. Mampihomehy izy ireo mikasika ny lafiny mampalahelo amin'ny fiainana any Rosia ankehitriny.
Manana mpamaky miisa 248.000 ny kaonty, ary mamaritra azy io ho “Ny zava-misy Rosiana. Tsy misy seha-kevitra (odidina)” ny mpanoratra azy. Nisafidy sary maromaro avy amin'ny fahana farany nataon’ny kaonty ny Global Voices.
— No Context Russia (@Russia_NC) November 28, 2022
Ny soratra eo amin'ny varavarankelin'ny fiara misy ranomandry: “Reraka aho”
— No Context Russia (@Russia_NC) November 25, 2022
Ny soratra eo ambonin'ny varavarana dia mivaky hoe: ‘Fivoahana’, ny soratra eo amin'ny taratasy eo amin’ilay varavarana manao hoe ‘Tsy misy fivoahana’
— No Context Russia (@Russia_NC) November 23, 2022
Hoy ny soratra eo amin’ny rindrina: “Ary ahoana no itiavanao izao fiainana izao?? An??”
— No Context Russia (@Russia_NC) November 20, 2022
Mitovy amin'ny kamiao Krismasy Coca Cola ny kamiao saingy misy soratra hoe “Mena sy Fotsy”, izay marika an’ny fivarotana malaza ahafahan'ny olona mividy toaka any Rosia. Roa ny mahatsikaiky eto: tsy misy intsony ny Cola Cola ao amin'ny firenena, ary ny tahan'ny fisotroana toaka somary ambony ihany raha nihena tao anatin’ny folo taona farany.
— No Context Russia (@Russia_NC) November 17, 2022
Hoy ny soratra: “mandray fandoavam-bola amin'ny bitcoins hanamboarana lavarangana”
— No Context Russia (@Russia_NC) November 17, 2022
Mbola miely patrana any Rosia ny olana momba ny fahafahana miditra, ary mampametra-panontaniana matetika ny vahaolana.
— No Context Russia (@Russia_NC) November 10, 2022
“Café Eagle” no anaran'ilay fisotroana kafe
— No Context Russia (@Russia_NC) November 8, 2022
Hoy ny sora-baventy eo amin'ny rindrina: Mitohy ny fanaraha-maso an-tsary
— No Context Russia (@Russia_NC) November 8, 2022
Any amin'ny tanànakely misy ranomandry, jiro eo akaikin’ny varavarankely izay mampiasa kerosene (solika fiaramanidina) mba hanomezana hazavana, mbola hita any amin'ny tanànakely vao haingana ny sasany amin’izany.
— No Context Russia (@Russia_NC) November 5, 2022
Mivaky hoe “Ambilansy” (mpitondra marary) ny soratra eo amin'ny akanjon'ilay lehilahy mitondra toaka
— No Context Russia (@Russia_NC) November 5, 2022
Ny anaran'ilay boky dia “Fanapahan-kevitry ny mpitantana”
— No Context Russia (@Russia_NC) October 23, 2022
Mampiseho endrika mahazatra amin'ny tohatra ao amin'ny tranobe misy rihana ny sary farany izay honenan’ny ankamaroan'ny Rosiana an-tanàndehibe. Mampiseho fampirehetana jiro izy io, ary misy soratra hoe “Fandefasana balafomanga mankany Etazonia”. Raha jerena ny fandrahonana momba ny ady nokleary ataon’ny governemanta Rosiana nandritra ny volana maromaro farany tamin'ny fananiham-bohitra an'i Okraina, tena esoeso mampalahelo sady mampihomehy tokoa izany.