Mikatsaka ny hanafoana ny fanamelohana ho faty any Singapaoro ny fanentanana ‘Atsaharo ny Famonoana’

 

Activists call for the abolition of death penalty in Singapore

Miantso ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty ao Singapaoro ireo mpikatroka: Sary: Lahatsoratra Facebook nataon'ny Transformative Justice Collective

Nampiharin'i Singapaoro tamin'ity taona ity ny fanamelohana ho faty olona miisa 11 voarohirohy tamin'ny raharahan-java-mahadomelina, raha tombanana ho 63 eo ireo voafonja voaheloka ho faty miandry ny anjarany amin'izao fotoana izao.

Niahiahy amin'izao famonoana olona ho faty ara-pitsarana izao, nanomboka ny fanentanana #AtsaharonyFamonoana ny vondrona mpikatroka sy mpiaro ny zon'olombelona avy ao amin’ny Transformative Justice Collective, izay mangataka ny vahoaka hanery ny manampahefana hampiato tsy misy hatak'andro ny fanamelohana ho faty sy ny fanafoanana izany amin'ny farany.

Manana fanangonan-tsonia ny fanentanana milaza fa  tsy vahaolana tsara hisorohana ny heloka bevava ny fanamelohana ho faty:

The death penalty has no place in a caring and just society, which many Singaporeans desire. We do not accept the murder of our fellow people in our name, and firmly believe it is high time that we take steps towards abolition.

Tsy manana anjara-toerana eo amin'ny fiarahamonina mpikarakara sy marina, izay irin'ny Singaporeana maro, ny fanamelohana ho faty. Tsy ekenay ny famonoana ny mpiara-belona amin'ny anaranay, ary heverinay tokoa fa tonga ny fotoana tokony handraisanay dingana mankany amin'ny fanafoanana izany.

Mba tsy amoahana fanamelohana ho faty hampihemotra ireo asan-jiolahy mpikirakira zava-mahadomelina, nanentana ny governemanta ny fanangonan-tsonia handray fepetra hafa sy mihaja kokoa:

If we want to deter people from participating in the drug trade, we should ensure that there is affordable and high-quality healthcare and housing, decent jobs with living wages, strong labour protections, and free, accessible and voluntary community-based rehabilitation programmes that do not treat their participants as criminals.

Raha te hisakana ny olona tsy handray anjara amin'ny fivarotana zava-mahadomelina isika, dia tokony atao izay hahazoana antoka fa misy fikarakarana ara-pitsaboana sy trano fonenana mahafapo sy zakan’ny rehetra, asa mendrika amin'ny karama mahavelona, fiarovana matanjaka arak'asa, ary fandaharan’asa fanarenana ara-piarahamonina maimaim-poana, malalaka ary an-tsitrapo izay tsy manameloka ny mpandray anjara ho toy ny jiolahy.

Fanangonan-tsonia iray hafa natolotry ny fianakavian'ny voafonja voaheloka ho faty ho an'ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta no nanasongadina ny fahasahiranana ara-pitsarana atrehan'izy ireo mandritra ny fotoam-pitsarana:

We are concerned about the climate of fear that affects the willingness of lawyers to take on death penalty cases at later stages. This affects the right to adequate representation for people on death row. We have seen and experienced first-hand the increasing difficulty in finding lawyers for our loved ones.

Manahy izahay ny amin'ny rivo-piainana feno tahotra izay hampisalasala ireo mpisolovava hampiakatra ny raharaha fanamelohana ho faty ho amin'ny dingana ambony kokoa. Misy fiantraikany amin'ny zo mendrika hisoloana tena ireo olona voaheloka ho faty izany. Hitanay sy niainanay mivantana ny fitomboan'ny fahasarotana amin'ny fitadiavana mpisolovava ho an'ireo havanay.

Nahitana tatitra misimisy kokoa ny fitohizan’ny fanamelohana ho faty ao Singapaoro tato ho ato taorian'ny nanasan'ny Minisiteran'ny Atitany (MHA) ilay miliaridera britanika Richard Branson ary nihantsy azy hanao adihevitra mivantana tamin'ny fahitalavitra. Naneho hevitra momba ny lahatsoratra am-bilaogin'i Branson, izay nitsikera ny fanamelohana ho faty mifandraika amin'ny raharahan-java-mahadomelina ataon'ny governemanta Singaporeana, ny MHA. Tamin'ny 10 Oktobra i Branson, mpikambana ao amin'ny Vaomiera Maneran-tany momba ny Politikan’ny Zava-mahadomelina, no namoaka ny lahatsoratra, andro nanamarika ny Andro Maneran-tany faha-20 hanoherana ny fanamelohana ho faty.

Nanamafy ny MHA fa araka ny zavatra iainan’i Singapaoro, nahomby ny lalàna momba ny fanamelohana ho faty amin'ny famongorana ny olana mifandraika amin’ny zava-mahadomelina ao amin'ny firenena. Nampanontany tena azy ihany koa ny antony ahafahan’ny vahiny manome lesona ny Aziatika amin'ny raharahan-java-mahadomelina:

Mr Branson is entitled to his opinions. These opinions may be widely held in the UK, but we do not accept that Mr Branson or others in the West are entitled to impose their values on other societies. Nor do we believe that a country that prosecuted two wars in China in the 19th century to force the Chinese to accept opium imports has any moral right to lecture Asians on drugs.

Manan-jo hilaza ny heviny i Mr Branson. Azo raisina any Angletera amin'ny ankapobeny ireo hevitra ireo, saingy tsy ekenay fa Atoa Branson na ny hafa any Andrefana no manan-jo hametraka ny soatoaviny amin'ny fiarahamonina hafa. Tsy mino koa izahay fa ny firenena izay nanaraka ireo ady roa tany Shina tamin'ny taonjato faha-19 izay nanery ny Shinoa hanaiky ny fanafarana opium no manan-jo ara-maoraly hampianatra ny Aziatika momba ny zava-mahadomelina.

Nandà ny fanasana i Branson tamin'ny 31 Oktobra ary nandrisika ny manampahefana Singapaoreana hihaino sy hamaly ny fangatahana ao an-toerana izay manohitra ny fanamelohana ho faty. Namaly tamin'ny filazana ny MHA fa manohana ny fanamelohana ho faty ny ankamaroan'ny Singapaoreana, ary niampanga ireo mpikatroka ao an-toerana notohanan'i Branson ho mivarotra “vaovao diso” sy “tsy marina” izy ireo.

Nanontany ny antony manosika ny MHA hihantsy an'i Branson hanao adihevitra ilay mpanoratra Kirsten Han, izay ao anatin'ny Transformative Justice Collective ihany koa:

…it’s an attempt by the Singapore government to frame the death penalty issue as an “East versus West” culture clash, and to set up Shanmugam [MHA Minister] as a Singaporean nationalist standing firm against a sanctimonious Western interloper. It’s not a debate. It’s a red herring designed to distract from a growing local abolitionist movement.

…ezaka ataon’ny governemanta ao Singapaoro io hanoritan-joro ny raharaham-panamelohana ho faty ho fifandonana ara-kolontsaina eo amin’ny “Atsinanana sy Andrefana”, ary hametrahana an'i Shanmugam [Minisitry ny MHA] ho Singaporeana nasionalista manohitra tanteraka ireo Tandrefana mpitsabaka mihevi-tena ho marina. Tsy adihevitra io, fa fanodikodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny hetsika fanafoanana mihamafana any an-toerana.

Nampiany tao amin'ny tohin-kevitra Twitter fa tsy arak’ izay nilain'ny besinimaro ny adihevitra nokasaina atao:

Tsy hanampy an’iza na iza izany, na ireo olona voaheloka ho faty, na ireo olona mampiasa zava-mahadomelina, na ireo olona mila fikarakarana sy fanohanana noho ny fampiasana zava-mahadomelina. Raha tena tiantsika ny hanao ho laharam-pahamehana ny mahasoa ny vahoaka dia mila tena manadihady sy mifanakalo hevitra eo amin’ny firenena ny amin’izay azontsika atao amin’ny fomba hafa isika.

Nandritra izany fotoana izany, namerina nilaza ny hafatr’ireo mpikatroka Singaporeana momba ny fironana manerantany momba ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty ny Tambajotran'ny Manohitra Ny Fanamelohana ho Faty any Azia.

The global trend towards abolition of the death penalty reflects both a respect for the dignity of humanity, an abhorrence of the cruelty of the practice, and evidence-based knowledge that the death penalty is not a more effective deterrent than other forms of serious punishment.

Ny fironana maneran-tany manafoana ny fanamelohana ho faty no mitaratra ny fanajana ny hasin'ny maha-olombelona, sady mankahala ny habibian'ilay fomba fanao, ary ny fahalalana mifototra amin'ny porofo fa tsy mahomby kokoa noho ny endrika sazy henjana hafa ny fanamelohana ho faty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.