Mpikatroka sy mpampianatra sekoly ambony miasa ao anatiny sy ivelan'i Belarosia no miezaka ny misarika ny fifantohana iraisampirenena amin'ny fanoheran'ny vahoaka na io amin'ny didy jadona henjana indrindra any Eoropa, na koa amin'ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosiana amin'i Okraina sy ny fampiasany an’i Belarosia ho mpiara-dia aminy. Voalaza tokoa mantsy fa nisy mpikatroka Belarosiana sasany nanapoaka lalamby mba hisakanana ireo fiara mifono vy sy fitaovana rosiana tsy ho tonga any Okraina, kanefa, rehefa tratra izy ireo dia miatrika ny fanamelohana ho faty any Belarosia.
Tamin'ny 1 Novambra 2022, namoaka lohahevitra iray tao amin'ny Twitter i Hanna Liubakova, Belarosiana mpikambana ao amin'ny Atlantic Council, mpanao gazety sady mpampiofana media, momba ny tranga farany sady nanafintohina indrindra mikasika ireo gadra politika ao Belarosia. Mampahatsiahy izy fa tsy nitsahatra ny fanoherana, ary manohitra ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina araka izay tratrany ny Belarosiana. Miatrika sazy an-tranomaizina maharitra na fanamelohana ho faty mihitsy aza ireo olona be herimpo ireo noho ny herimpony. Ity ny tohinkevitr’i Liubakova:
Andeha hojerentsika ny zava-misy.
🔹Mpikatroka teny amin'ny lalamby voatifitra teo amin'ny lohaliny i Vital Melnik. Ankehitriny, voampanga ho nanao fampihorohoroana, nanompa an'i Lukashenka, ary tamin’ny fahazoana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izy. Natolotra ny fitsarana ny raharaha. Mety ho tonga hatramin’ny fanamelohana ho faty ny fampihorohoroana ao Belarosia pic.twitter.com/pDKMl55znV
🔹Right now, three men are on trial in the Homiel court, accused of terrorism,treason, participation in an extremist formation. The reason for the arrest was a relay cabinet on the railway set on fire. The Investigative Committee officially stated that they can face death penalty pic.twitter.com/63VyZyxykn
— Hanna Liubakova (@HannaLiubakova) November 1, 2022
🔹Amin'izao fotoana izao, telo lahy no tsaraina ao amin'ny fitsarana Homiel, voampanga ho nanao fampihorohoroana, ho namadika, ho nandray anjara tamina fiofanana mahery fihetsika. Noho ny fandoroana ny fampitaovana herinaratra tao amin’ny lalamby ny anton’ny fisamborana. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny komity mpanao famotorana fa mety ho voaheloka ho faty izy ireo pic.twitter.com/63VyZyxykn
🔹Siarhei Hlebka from Stoupcy was sentenced to 11 years in prison. According to the regime, on March 2, he set fire to logs on the railway to prevent the movement of Russian military equipment. During his detention, he was severely beaten. pic.twitter.com/M1EcyfjRjE
— Hanna Liubakova (@HannaLiubakova) November 1, 2022
🔹 Voaheloka higadra 11 taona an-tranomaizina i Siarhei Hlebka avy ao Stoupcy. Araka ny voalazan'ny fitondrana, ny 2 martsa, nodorany ny vatan-kazo teo amin'ny lalamby mba hisorohana ny fivezivezen'ny fitaovam-piadiana Rosiana. Nandritra ny fihazonana azy, voadaroka mafy izy. pic.twitter.com/M1EcyfjRjE
🔹Student Danuta Piarednia was sentenced to 6,5 years in jail for a repost of an article that criticized Putin and Lukashenka & the war against #Ukraine. Danuta studied Romano-Germanic philology in Mahiliou. She was accused of calling for harm to the national security of Belarus pic.twitter.com/eIXobYgtQe
— Hanna Liubakova (@HannaLiubakova) November 1, 2022
🔹Nahazo sazy an-tranomaizina 6 taona sy tapany an-tranomaizina i Danuta Piarednia, mpianatra, noho ny famerenana lahatsoratra iray nanakiana an'i Putin sy Lukashenka ary ny ady any #Okraina. Nianatra filôlôjia Romano-Alemà tao Mahiliou i Danuta. Voampanga ho nanohintohina ny fiarovam-pirenena ao Belarosia izy pic.twitter.com/eIXobYgtQe
Mampatsiahy ireo tranga ireo fa velona ary mitohy ny fanoheran’ny Belarosiana ny governemantany sy ny ady ao Okraina. Nampivily ny saina tany Belarosia tokoa ny fifantohana amin'i Okraina ny tranga sasany, araka ny nolazain'i Almut Rochowanski, manampahaizana momba ny fiarahamonim-pirenena taorian'ny vanim-potoana Sovietika, tamin'ny Global Voices tamin'ny antsafa iray:
For my Belarus contacts, as far as they're concerned, their uprising is still ongoing, their revolution is still ongoing. Lukashenka is an illegitimate president for them. But then I recently attended a session with European foreign policy experts. And the way they see it, the uprising is over, and it failed.
Ho an'ireo ifandraisako any Belarosia, raha ny momba azy ireo, mbola mitohy ny fikomian'izy ireo, mbola mitohy ny revolisiona ataon'izy ireo. Filoha tsy ara-dalàna ho azy ireo i Lukashenka. Saingy vao haingana aho no nanatrika fivoriana niaraka tamin'ireo manampahaizana momba ny politika ivelany Eoropeana. Ary araka ny fahitan'izy ireo izany, dia tapitra ny fikomiana, ary tsy nahomby izany.
Misy ihany koa ny tranga momba ny fanavakavahana atao amin’ny Belarosiana noho ny zom-pireneny sy ny fiheverana fa mety hanohana an'i Lukashenka na ny ady ao Okraina izy ireo. Saingy ny tantara nofaritan'i Liubakova dia mampiseho ny herimpon'ireo mpikatroka sy olon-tsotra izay mbola manohitra ny fitondran'i Lukashenka any Belarosia. Mitohy isan’andro ny famoretana ary tsy tokony hanadino azy ireo izao tontolo izao.