Ankoatra ireo fifanarahana matoatoa, tsy misy vokatra hita maso ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'i Bielôrosia sy Zimbaboe

Nanao sonia antontan-taratasy maromaro i Bielôrosia sy Zimbaboe. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube  tao amin'ny fantsona YouTube ONT (fantsona tohanan'ny governemanta bielôrosiàna). Fampiasàna ara-drariny

Tamin'ny fiandohan'ny 2023, nandray an-tànana sy nampiroborobo ny fifandraisan'i Bielôrosia sy Zimbaboe ny mpitarika an'i Bielôrosia Alyaksandr Lukashenka, (izay filohan'i Bielôrosia hatramin'ny nananganana ilay birao tamin'ny 20 Jolay 1994). Nanao fitsidiham-panjakana nandritra ny telo andro tao amin'ilay firenena afrikàna izy ary ho an'ny fiarahamiasa dia  nampanantena fandrosoana tsy nisy hatrizay, ary ho ampahany amin'ny programa mekanika momba ny fambolena dia hanolotra traktera maromaro sy fitaovana fanangonam-bokatra ho an'ny governemanta, mitentina eo amin'ny 66 tapitrisa dôlara amerikàna. 

Rehefa tafaverina tany Minsk renivohitr'i Bielôrosia i Lukashenka, dia nambara fa vokatra iray azo tamin'ny fitsidihany tao Zimbaboe ny fifanarahana iray mitentina 200 tapitrisa dôlara amerikàna. Araka ny fanazavàn'ny UDF, media bielôrosia tsy miankina,  (rehefa halavaina dia  ‘Unity, Democracy, Freedom’), tsy nisy zavatra niova firy hatramin'ny Janoary 2023 raha ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'ny firenena roa tonta.

Ny UDF dia nanoritsoritra fandaharam-potoana iray tamin'ireo fitsidihana ôfisialy sy ireo antontan-taratasy nosoniavina saika isambolana mihitsy. Tamin'ny Martsa 2023, Frederick Shava minisitry ny raharaha ivelany sy ny varotra iraisampirenena ao Zimbaboe dia nitsidika an'i Minsk, izay nifampiresahany tamin'i  Lukashenka.

Tamin'ny Aprily,  Auxillia Mnangagwa, vadin'ny filohan'i Zimbaboe koa dia nivahiny tao Minsk. Ny anton-dia ôfisialin'ny fitsidihany dia voalaza fa mifototra amin'ny fahalinany amin'ny rafi-pitsaboana bielôrosiàna, ny fiahiana ny ankizy ary ny famokarana sakafon-jaza. Nokianin'ireo media tsy miankina ao Zimbaboe ilay fitsidihana, tamin'ny filazàna azy iny ho tsy mifanaraka amin'izay voalazan'ny lalànan'i Zimbaboe momba ny anjara asan'ny vadin'ny filoha hanao fitsidihana ara-panjakana

Nambaran'izy ireo ihany koa fa niaraka tamin'ilay mpandraharaha ‘mahabe resaka’ Aleksander Zingman izy, izay notendren'ny filoha Emmerson Mnangagwa tamin'ny 2019 ho kaonsilin'i Zimbaboe ary nofaritan'ireo mpanao gazety nandalina ny Pandora Papers (11.9 tapitrisa ireo antonta-taratasy tafaporitsaka izay navoakan'ny International Consortium of Investigative Journalists nanomboka tamin'ny 3 Oktôbra 2021) ho iray amin'ireo tompony  mpiara-miombona antoka amin'ny orinasa iray mitrandraka volamena araka ny fifanarahana matoatoa (tsy mazava) iray.

Lukashenka nihaona tamin'ny vadin'ny filohan'i Zimbaboe. Pikantsarin'ny lahatsary YouTube  tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Pervyi natsionallyi canal Belorusskogo radio (fantsona tohanan'ny governemanta bielôrosiàna). Fampiasàna ara-drariny

Rehefa nihaona tamin'i Lukashenko, ny vadin'ny filohan'i Zimbaboe dia tsy niantso azy fotsiny tamin'ny hoe “ilay rain'ny firenena,  fa koa ilay reny.” Tamin'ny Aogositra 2023, ilay masoivohon'i Zimbaboe vao avy notendrena ho ao Bielôrosia, Ignatius Graham, no tonga tao  Minsk.

Na efa taorian'ny nanaovana sonia ireo fifanarahana tany am-piandohan'ny taona aza, nanao sonia antontan-taratasy maromaro ireo tomponandraikitra ôfisialy, isan'ireny ny toromarika iray avy amin'i Lukashenko hametrahana vaomiera iraisana amin'ny May 2023, ireo ministeran'ny fanabeazana dia niara-nanasonia ny drafitra stratejika iray ho an'ny fampianarana ambony sy ny siansa ho an'ny taona 2023–2025, ary ireo Antenimiera hanohana ny fifanekena iray ifanaovan'ny Bielôrosia sy Zimbaboe momba ny resaka fandoavan-ketra roa.

Na izany aza, araka ny anasongadinan'ny UDF azy, tsy nisy vokatra azo nampiharina hita avy amin'ireny fifanarahana ireny. Anatin'ireo loharano misokatra, ny hany vaovao azo raisina dia hafatra iray tany amin'ny Aogositra 2023: notaterin'ny masoivohom-baovaom-panjakana BelTA fa traktera miisa 3.575 no tokony atolotra ho an'i Zimbaboe eo anelanelan'ny 2023–2024, ary  efa nanomboka ny fandefasana an-tsambo azy ireny. Avy amin'io angondrakitra io, hita fa hatramin'ny fiandohan'ny taona, zara raha nisy fandrosoana ny momba ilay raharaha. Tany am-boalohany, Lukashenka nanambara fa hanome traktera miisa 3.700 i Bielôrosia.

Volana vitsy lasa izay, nanolotra fiara mpamono afo niisa 23 ho an'i Zimbaboe i Bielôrosia

Ny UDF dia mitanisa ny Praiminisitra bielôrosiàna, Roman Golovchenko, ho nilaza fa ao anatina fifanarahana ara-barotra amin'ny any ivelany ifanaovana amin'ireo firenena afrikàna, “tsy mbola voavadika araka ny tokony ho izy ho lasa tetikasa ara-barotra sy ara-toekarena ny renivola pôlitika nangonina hatrizay.”

Araka izany, hoy ny tatitry ny UDF, azo ambara fa ny hany zavatra tokana voarain'ny ankolafy bielôrosiàna nandritra iny taona lasa iny dia liona iray vaosesika, fanomezana natolotra an'i Lukashenka nandritra ny fitsidihany an'ilay firenena afrikàna.

Liona voasesika, natao fanomezana ho an'i Lukashenka tao Zimbaboe. Pikantsary tamina lahatsary YouTube tao amin'ny fantsona Youtube an'ny RBR Info. Fampiasàna ara-drariny.

Araka ny anasongadinan'ny UDF azy, antony roa no mety ho azo hanazavàna ireo ezak'i Lukashenka hametraka fifandraisana amin'i Zimbaboe: na andrana hialàna amin'ireo sazy omen'ny Tandrefana, na andrana hanorina rafitra kolikoly iray sarontsaronana amina endrika fifanarahana ifanaovan'ny fanjakana.

Na izany aza, toa miha-mivoatra ihany ny toedraharaha. Voamarik'ireo media tsy miankina ao Afrika sy ao Bielôrosia fa tsy ela akory izay ny iraka manokan'i Lukashenka, Viktor Sheimanre, dia nitsidika an'i Zimbabwe, ka tamin'izany no nihaonany tamin'i Mnangagwa, filoham-pirenena sy Shava, minisitry ny raharaha ivelany, tamin'ny 30 Oktôbra 2023. Araka ny tatitry ny The Zimbabwean,  niteraka ahiahy ilay fahatongavan'ny jeneralin'ny tafika bielôrosiàna, Viktor Sheiman. Tamin'ny 2018 i Sheiman, nanoloana ireo sazy avy amin'ny Firaisambe Eorôpeàna sy Etazonia, dia efa nivahiny sahady tao Zimbaboe talohan'ireo firesahana fifampiraharahana ara-barotra nifanaovan'ny tsy miankina.  

Raha ny voalaza, nandritra izay fotoana izay, nifampiraharaha fifanekena ara-barotra izy, nisolo tena ny governemanta bielôrosiàna, indrindra fa ireo tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany toy ny volamena, ny platina sy ireo tany tsy fahita firy, tao anatina tetikasam-pitrandrahana ifandrimbonana. Kanefa, ireo fiporitsahana antontan-taratasy Pandora dia nahita fa eo amin'ny toeran'izany dia ny orinasa mpitrandraka volamena an'ny zanakalahin'i Sheiman, Sergei sy ilay Bielôrosiàna mpandraharaha, Alexander Zingman, no nisy. 

Hatry ny taon amaro i Viktor Sheiman no mpanohana mahafatra-po an'ilay Bielôrosiàna mpanao jadona, Alyaksandr Lukashenka. Samy nanasazy azy daholo ny Fiombonambe Eorôpeàna sy Etazonia noho ny resaka fanitsakitsahana zon'olombelona sy ny fanjavonan'ireo mpanakiana an'i  Lukashenka taloha sy nandritra ny naha-lehiben'ny mpampanoa lalàna azy tao Bielôrosia, tamin'ny 2004.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.