Fihetsiketsehana mankalaza ny faha-50 taonan'ny fanambaràna ny Lalàna miaramila ao Filipina

Protest banner which reads "Never Again, Never Forget Martial Law. Marcos, Dictaor, Thief"

Sora-baventin'ny fihetsiketsehana mivaky hoe “Aza adinoina indray, aza adinoina mihitsy ny Lalàna Miaramila. Marcos, Mpanao didy jadona, Mpangalatra”. Sary avy amin'i Bagong Alyansang Makabayan, nahazoana alalana

Nisy ny hetsi-panoherana nokarakaraina hanamarihana ny faha-50 taonan'ny fanambaràna ny Lalàna Miaramila tao Filipina tamin'ny taona 1972. Nibahana tao amin'ny Twittered ny tenirohy #NeverAgain, #NeverForget, sy ny #ML50 tamin'ny 21 Septambra rehefa nizara ny eritreriny sy ny fihetseham-pony momba ny iray amin'ireo vanim-potoan-tantara mampiady hevitra hevitra indrindra teo amin'ny tantaran'i Filipina ny mpiserasera.

Nambaran’ny filoha teo aloha Ferdinand Marcos Sr. tamin’ny 21 Septambra 1972 ny Lalàna Miaramila ary naharitra hatramin’ny taona 1981. Nanjaka toy ny olo-mahery i Marcos nandritra izany vanim-potoana izany ka niantehitra tamin’ny polisy sy ny miaramila mba hitantana ny firenena. An'arivony no noana sy namoy ny ainy tamin'ny alalan'ny famoretana mahery vaika.

Rehefa voahongana nandritra ny fitroaran'ny Herim-Bahoaka tamin'ny taona 1986 i Marcos, dia nandeha an-tsesitany tany Etazonia ny fianakaviany. Nanisa ny vaomieram-panjakana fa 11.103 ny isan'ny lasibatry ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny didy jadona Marcos. Etsy ankilany, manizingizina ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa betsaka kokoa (noho izany) ireo niharam-boina nijaly teo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana.

Nanao ahoana ny “filaminan'”ny Lalàna Miaramilan'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos Sr.?

Ireto zava-misy sasantsasany haingana momba ny Lalàna Miaramila mahery vaika sy ny fitondran'i Marcos.

Maty tany an-tsesitany ny filoha teo aloha Marcos tamin'ny taona 1989. Niverina tany Filipina ny vadiny sy ny zanany tamin'ny taona 1990 ary voafidy ho amin'ny toerana samihafa ao amin'ny governemanta na dia niatrika raharaha heloka bevava sy kolikoly maro aza. Niampanga azy ireo ho nampiasa harena an-tsokosoko mba hanarenana ny fitondrany ara-politika ireo mpanakiana azy ireo. Voafidy ho filoham-pirenena tamin'ny Mey 2022 ny zanakalahy sy sady mitovy anarana Marcos tao anatin'ny fiampangana fisiana hoso-pifidianana sy ny fampiasana vaovao diso hanoratana indray ny lova jadona malaza nataon-drainy.

Nandritra ny antsafa noraketina mialoha nalefa tamin'ny 13 Septambra, nanizingizina ny Filoha Marcos Jr. fa ilaina ny Lalàna Miaramila hiarovana ny Repoblika amin'ny fikomian'ny komonista sy ny Miozolomana mitam-piadiana.

Those were the dangers and the perils that the country was facing. Most people do not realize, I’d say the rebels…the communist rebels, how close they came to Manila and how close they came to large urban centers and slowly gained control.

And that’s why it was necessary to — in my father’s view at the time — to declare martial law.

Ireo no loza sy antambo nanjo ny firenena. Tsy tsapan'ny ankamaroan'ny olona, ataoko hoe ireo mpikomy… ireo mpikomy komonista, hoe hatraiza ny fanakaikezan'izy ireo an'i Manila sy ny nanakaikezan'izy ireo ny faritra an-tanàn-dehibe ary nahazoany tsikelikely ny fifehezana.

Ary izany no antony nilaina ny fanambaràna lalàna miaramila — araka ny fijerin'ny raiko — tamin'izany fotoana izany.

Ny tsy noresahin'i Marcos Jr. dia monina any amin'ny faritany lavi-dalana ny ankamaroan'ny mpikomy mitam-piadiana ary ny taona 1969 vao niforona io tafika io. Tsy nilaza koa izy fa tokony nifarana tamin'ny taona 1973 ny fe-potoam-piasan'ny rainy raha tsy nambara ny Lalàna Miaramila. Tsy noresahiny koa ny vola an-tapitrisany maro norobain’ny fianakaviany tao amin’ny tahirim-bolam-panjakana nandritra io fotoana io.

Nanameloka ny fikasana handà ny habibian'ny didy jadona Marcos i Aquilino “Koko” Pimentel III, mpitarika ny vitsy an'isa ao amin'ny Antenimieran-doholona, ​​izay mpikambana tao amin'ny mpanohitra ara-politika ny rainy nandritra ny vanim-potoanan'ny Lalàna Miaramila:

From a son who had seen his father suffer from the abuses of martial law and had witnessed his father imprisoned four times, I tell you this: the atrocities and abuses that transpired during this period were real – no amount of disinformation can change that.

Avy amin'ny zanaka lahy iray izay nahita ny rainy nijaly noho ny fanararaotana ny lalàna miaramila sy nanatri-maso ny fanagadrana ny rainy in-efatra, dia lazaiko aminareo izao: tena nisy tokoa ny habibiana sy ny fanararaotana nitranga nandritra io vanim-potoana io – tsy misy fandisoam-baovao afaka manova izany.

Karapatan, vondrona mpiaro ny zon'olombelona, ​​namoaka fanambaràna avy amin'ireo niharam-boina izay tafavoaka velona tamin'ny fitondrana Lalàna Miaramila:

We are the living testament to the atrocities committed by the Marcoses and their cronies against the Filipino people. We are among those who endured and survived to tell our gruesome tales under martial law and to pass the torch of struggle of those who sacrificed their lives to fight for our basic rights and freedoms.

While our physical scars may have already healed years ago, our trauma and pain brought by such dark times remain. And now, with the return of the Marcoses in Malacañang [presidential palace] and the absence of justice for those whom they had victimized over the years, it feels like we are walking in another nightmare.

Izahay no porofo velona tamin'ny habibiana nataon'ny Marcoses sy ny namany mpanankarena tamin'ny vahoaka Filipiana. Anisan'ireo niaritra sy tafavoaka velona izahay mba hitantara ny tantara mahatsiravina niainanay teo ambany lalàna miaramila sy hampita ny fanilon'ny tolon'ireo nanao sorona ny fiainan'izy ireo mba hiady ho an'ny zo fototra sy ny fahalalahanay.

Na dia mety efa sitrana taona maro lasa izay aza ny ratranay  ara-batana, dia mbola mitoetra ihany ny ratram-po sy ny fanaintainanay vokatry ny fotoan-tsarotra toy izany. Ary ankehitriny, amin'ny fiverenan-dry Marcoses ao Malacañang [lapan'ny filoham-pirenena] sy ny tsy fisian'ny rariny ho an'ireo izay niharan'ny herisetra nandritra ny taona maro, dia toa mandeha ao anatin'ny nofy ratsy hafa indray izahay.

Mampitaha ny toe-draharaha tamin'ny taona 1972 sy ny toe-draharaha ara-politika ankehitriny ilay mpitarika mpikatroka Renato Reyes Jr.:

Tena mitovy ny tamin'ny taona 1972 ny ankehitriny. Voaràra ny boky. Voasakana ao amin'ny aterineto ny fampahalalam-baovao. Aratsiana ho “mpampihorohoro” ny mpikatroka sy ny revolisionera. Foanana ny fahalalahana maneho hevitra. Aparitaka amin'ny fomba mahery vaika ny fihetsiketsehana am-pilaminana. Anjakan'ny fomba miaramila ny fiarahamonina.

Ankoatra ny hetsi-panoherana tao Quezon City ao Metro Manila, nisy ihany koa ny famoriam-bahoaka natao tany amin'ny faritany ambanivohitra. Niara-nahatsiaro ny Lalàna Miaramila tamin'ny alalan'ny fiaraha-mivavaka ny mpianatra

Nivory teo anoloan'ny trano fiangonan'ny oniversite ny mpikambana ao amin'ny Oniversite Xavier – Ateneo de Cagayan mba hahatsiaro sy hanameloka ny vanim-potoanan'ny Lalàna Miaramila tao Filipina.

Nikarakara fihetsiketsehana tao an-tanàna ao Cebu ny vondrona isan-karazany. Hoy ny vakin'ny iray amin'ireo sora-baventy hoe “Marcos Itakwil” izay midika hoe “Tsipaho Marcos” amin'ny teny Filipino.

AN-TSARY: Nitaky ny hisian'ny rariny ho an'ireo niharam-boina tamin'ny Lalàna Miaramila ireo vondrona Progressista tao Cebu nandritra ny diabem-pihetsiketsehana manamorona ny Osmeña Boulevard ho fahatsiarovana ny faha-50 taonan'ny fanambaràna ny lalàna miaramila teo ambany didy jadona Marcos Sr.  (1/2)

Raha hijery sary bebe kokoa: https://t.co/pIVyyvKxip pic.twitter.com/bjsveJrEvJ

Tany New York, nanameloka ny fihoaram-pefin'ny Lalàna Miaramila ireo mpanao fihetsiketsehana raha nanao lahateny tao amin'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana i Marcos Jr. tamin'ny 20 Septambra (21 Septambra tamin'ny ora Filipina). Ahitana ny anaran'i Duterte, izay manondro ny filoha lefitra ankehitriny Sara Duterte sy ny rainy, ny filoha teo aloha Rodrigo Duterte ihany koa ireo sora-baventin'ny fihetsiketsehana. Miatrika fanadihadiana ao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena i Duterte noho ny fiampangana heloka bevava natao tamin'ny olombelona mifandraika amin'ny andraikiny amin'ny fampiharana ny “ady amin'ny zava-mahadomelina” mandatsa-drà nanomboka ny taona 2016–2022.

JEREO: An-jatony no tonga tany ivelan'ny Firenena Mikambana mba hiarahaba an'i Bongbong Marcos ao amin'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana#ML50 #Aza Manadino #Aza Manadino #TuloyAngLaban pic.twitter.com/zkionzRlhB

Nahita ny hetsi-panoherana teo akaiky i Marcos Jr.  talohan'ny nidirany tao amin'ny New York Stock Exchange, izay nihaonany tamin'ireo vondrona mpandraharaha maromaro.

TSIKARITRA: Ferdinand “Bongbong” Marcos, Jr. hita nandositra niala ny New York Stock Exchange (NYSE) taorian'ny nikasany hanao fihaonan'ny roa tonta tamin'ny praiminisitra Japon Fumio Kishida.

Niverina tany Manila, nanolorana labozia ireo rehetra nijaly sy niady tamin'ny jadona.

JEREO: Mandrehitra labozia ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny fandaharana #ML50 ao UP Diliman pic.twitter.com/zSohIqAS2h

Ity sary an-drindrina manaraka ity dia fiaraha-miasa eo amin'ireo mpanakanto efa ela sy tanora, izay maneho ny dimampolo taona nanoherana ny fanaparam-pahefana sy ny fitakiana mitohy hitazomana ny Marcoses ho tompon'andraikitra amin'ny fihoaram-pefy tamin'ny vanim-potoanan'ny Lalàna Miaramila.

Mural at the #ML50 protest site.

Sary an-drindrina ao amin'ny toeram-pihetsiketsehana #ML50. Photo avy amin'ny pejy Facebook an'i Renato Reyes Jr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.