Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Tanzania amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Mihemotra ny demokrasia any Tanzania. Mampiseho ny endriky ny fanjakana antoko tokana i Tanzania raha tokony ho firenena misy antoko maro izy araka ny lalàmpanorenana. Tahaka any amin'ny ankamaroan'ny governemanta tsirefesimandidy, heverina ho toy ny “fandrahonana ny filaminam-pirenena” ny zavatra rehetra ahafahana miditra amin'ny fanehoan-kevitra ho an'ny daholobe. Nandritra izany fotoana izany, nanova ny fomba nivoaran'ny politika ao Tanzania ny teknolojia nomerika, manomboka amin'ny fanentanana sy famoriam-bahoaka misy ka hatrany amin’ny habaka Twitter an-tserasera ary ny fampiasana sehatra horonantsary toy ny YouTube sy Facebook Live mba hiresahana amin'ny mpifidy. Nanome sehatra ireo hirika ireo rehefa mandrara ny famoriam-bahoaka ara-politika ny governemanta ka nahatonga ny mpanohitra hitsikera ny governemanta sy hikatsaka ny mangarahara.

Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana ny Filoha Magufuli tamin'ny taona 2015, norarana ny fandefasana mivantana ny fotoam-pivorian'ny parlemanta, toa hoe satria fandaniam-bola be ho an'ny governemanta izany. Dingana goavana amin'ny fitazonana ny olom-pirenena ho ao anatin'ny tsy fahalalana mihitsy ny fandraràna ny fandefasana mivantana ny fivorian'ny parlemanta rehefa napetraka sy nolaniana ho lalàna nefa tsy nahafantatra momba izany ny olom-pirenena. Maro no nanontany ny amin’ny fomba nandaniana ireo lalàna ireo, ary voamarika fa tsy naharitra ny fe-potoana ary tsy mahasolontena ny fakàn-kevitra tamin’ny vahoaka. Anisan'ireo lalàna nolaniana ny fanitsiana ny Lalàna momba ny (Antontanisa), sy ny Fitsipika mifehy ny Elektronika sy ny Paositra.

Nampihatra ny fahefany tamin'ny sehatra nomerika tamin'ny fomba telo lehibe i Tanzania:

  • Fanaraha-maso: Sehatra iray tsy dia nisy fameperana firy ny fitantanana ny angondrakitra ao Tanzania satria mbola misy lalàna miresaka tsara momba ny zavatra toy ny fiarovana ny angondrakitra sy ny fitanan-tsiambaratelo. Na izany aza, manome bahana ho an'ny sampan-draharaham-panjakana hiditra amin'ny zava-misy sasany ny lalàna toy ny Lalàna momba ny Heloka An-tserasera rehefa mety amin'izy ireo izany.
  • Sivana amin'ny Aterineto: Nitranga tamin'ny taona 2020 ny fanakatonana voalohany ny aterineto tao Tanzania ary tsy nahagaga, satria efa nampiseho saina mena ny firenena amin'ny resaka sivana amin'ny aterineto. Nahatonga ny maro hino ny fanaraha-maso sy ny fandrindrana ny hoe iza ary inona no votoaty azo aseho amin'ny aterineto fa eo an-dalam-pananganana ny mitovy amin'ny Rindrin’Afo Lehibe ao Shina i Tanzania izay hitazona ny habaka ho fehezina sy hahetsiky ny tetipanoron'ny governemanta.
  • Famerana araka ny lalàna: Ampiasaina io hamerana ny fahalalahana maneho hevitra sy hanakanana ny fanehoan-kevitra. Nosakanana tamin'ny alalan'ny lalàna ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, nandoavana hetra ny asa fanaovan-gazetin’ny olom-pirenena, ary nosokajiana ho fikomiana na fampahalalam-baovao diso ny fahalalaham-pitenenana. Manokatra ny lalana ho an'ny fitondram-panjakana izany hifehezana ny fitantarana sy hampisara-kevitra.

Nampikatso ny fampahalalam-baovao ny tsirefesimandidy nomerika ao Tanzania ary namorona rivo-piainana hisian'ny tahotra, ahiahy ary fihenjanana teo amin'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny. Rehefa mitaraina amin'ny tsy fahombiazan’ny governemanta ny olom-pirenena, dia natao matetika ho antony tsy ahafahan'ny olom-pirenena mizara ao amin'ny media sosialy ny ratsy sy ny faharatsian'ny fiainam-bahoaka ao Tanzania ny fitiavan-tanindrazana sy ny nasionalisma.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).     Vakio ato ny tatitra feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.