LIVE amin'ny 15 Septambra 15: Mbola afa-matoky ny lalàna ihany ve ny olon'ny firenena anjakan'ny demaokrasia?

Iray amin'ireo andry telo amin'ny demaokrasia, voarakitra indrindra ao anatin'ny rafitra politika ny fahefana mpanao lalàna — sy ny paika fanaovana lalàna. Misy avokoa ny rafitra momba ny lalàna sy ny paika famolavolana lalàna mba hiarovana ny olona amin'ny firenena demaokratika. Na izany aza, tamin'ny fikarohana nataonay tao amin'ny Unfreedom Monitor, dia hitanay ombieny ombieny mazava tsara ny fomba fampiasan'ny fanjakana tsy refesi-mandidy, sy ireo fanjakana lazaina fa demaokratika koa, ireo lalàna navoaka mba hiarovana ny olom-pirenena ho fitaovana hanandratana ny hetsiky ny vahoaka, ny teny ary ny fijoroana ao amin'ny sehatra ankihy mba hanakonana ny fahalalahan'izy ireo maneho hevitra.

Any Torkia ohatra, manome fahefana bebe kokoa handray fanapahan-kevitra irery amelezana ny olom-pirenena ny fanitsiana tsirairay amin'ny lalàna manodidina ny Fiadidiana ny Fifandraisandavitra sy ny Fifandraisana (TIB). Any Zimbaboe indray, manitsakitsaka ny zo nomerikan'ny olom-pirenena ny  Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra ary mamela ny fanjakana hiditra ara-dalàna amin'ny sehatra anjotra ihany koa. Namoaka lalàna maromaro i Rosia nanomboka tamin'ny taona 2012 mba hamerana sy hanarahamaso ny fampiasana aterineto sy ny fahalalahana miteny eo amin'ny olom-pirenena. Ny Lalàna momba ny heloka anjotra taona 2015 ao Tanzania indray dia mamela ny governemanta handrombaka angon-drakitra sy hikaroka angon-drakitra manokana avy amin'ireo mpamatsy tolotra aterineto. Any India kosa mandritra izany fotoana izany, lalàna maromaro (tsy misy ifandraisany amin'ny sehatra nomerika) no ampiasaina amelezana ireo feo mpitsikera mafy ny fanjakana.

Miaraha aminay mivantana ao amin'ny YouTube live  hanaovana fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fihaonan'ny lalàna, ny teknolojia ary ny demaokrasia amin'ny 15 Septambra amin'ny 2:00 hariva GMT. Maimaim-poana ny fivoriana ary misokatra ho an'ny besinimaro. Misorata anarana eto ambany mba hahazoana fampahatsiahivana momba ny hetsika:

Misorata anarana maimaim-poana amin'ny Eventbrite

Hotanterahin'i Ellery Biddle, Talen'ny Advox teo aloha ary Tonian-dahatsoratry ny Consulting amin'izao fotoana izao ao amin'ny Coda Story ny fifanakalozan-kevitra, ary hahitana ireto mpisehatra manaraka ireto:

  • Alok Prasanna Kumar, mpiara-manorina ny Vidhi Centre for Legal Policy izay anaovany asam-pikarohana momba ny lalàmpanorenana, ny fitantanana an-tanàn-dehibe ary ny lalàna momba ny teknolojia. Mpanoratra lahatsoratra ao amin'ny Economic and Political Weekly y Deccan Herald izy.
  • Laís Martins, mpanao gazety Breziliana monina ao São Paulo amin'izao fotoana izao, izay isoloany tena ireo famoaham-baovao Breziliana sy iraisampirenena momba ny politika, ny zon'olombelona, ​​​​ny teknolojia ary ny zavatra rehetra eo anelanelany. Mpikambana ao amin'ny Pulitzer Center izy ary mpikaroky ny Unfreedom Monitor misahana an'i Brezila.
  • Veszna Wessenauer dia Mpitantana Programa ao amin'ny Ranking Digital Rights ary niara-niasa tamin'ny ONG-FTMF Hongroà sy iraisampirenena maro, anisan'izany ny Political CapitalDemocracy Reporting International, ary EU-Russia Civil Society Forum. Izy no mpikaroka Unfreedom Monitor misahana an'i Hongria.

Tsy andrinay ny handraisanao anjara amin'ny alakamisy 15 septambra amin'ny 2:00 tolakandro GMT (tsindrio eto raha hiova ho amin'ny hasinoran'ny toerana misy anao).

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).  .

Trohy ny endrika PDF amin'ny fehin'ny dosie.

Midira amin'ny tobinangondrakitra azon'ny rehetra idirana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.