Nahandro nentim-paharazana Bolgara: fomba iray hamerenana ny fahatsiarovana ara-kolontsaina ny tarhana

 

Sakafo tarhana. Sary tahiry avy amin'i Temenuzhka Mateva, nahazoana alalana.

Ity no andiany faharoa amin'ny andiany telo notontosain'i Dessislava Dimitrova sy Nevena Borisova momba ny fomba nitondran'ireo vehivavy mpandraharaha ny famelomana indray ny nahandro nentim-paharazana any amin'ny faritra samihafa ao Bolgaria, ao anatin'ny hetsika sakafo ketrika ela maoderina, mampiroborobo ny fizahantany sy manohitra ny fihenan'ny mponina. 

Sakafo avy any Persia ny tarhana, ary any Eoropa atsimo atsinanana sy any Afovoany Andrefana no mihinana azy. Mofomamy izy io amin'ny ankapobeny, namboarina tamin’ny lalovay, natao tamin’ny fangaro maina nalona misy voa sy yaourt na ronono nahotrika. Tsy dia fantatra loatra amin'izao fotoana izao ity sakafo nentim-paharazana ity, raha vao am-polony taona vitsivitsy lasa izay no nikarakarana azy tsy tapaka tany amin'ny tokantrano maro any amin'ireo tendrombohitra Bolgara any Strandzha, Sakar, ary Rhodopes.

Sarintanin'i Bolgaria mampiseho ny toerana misy ireo vohitra Yavornitsa, Antimovo ary Plevun. Araka ny sarintany avy amin'ny lahatsoratra Wikipedia tsirairay avy, CC BY-SA 3.0.

Natao andavanandro tany amin'ny tanànakely atsimon'i Plevun izay niarahan’i Temenuzhka Mateva matetika tamin'ny renibeny fony kely ihany koa ny sakafo isankarazany misy tarhana. Taona maro taty aoriana, noho ny antony ara-pihetsehampo, nanapa-kevitra ny hamelona indray ilay fomban-drazana i Temenuzhka ary nivadika ho mpikolokolo izany. Hoy izy:

„Траханата бе закуска сутрин през цялата зима, но баба я добавяше и към всяко вече готово ястие – като поизстине, все поръсваше. Сега разбирам, че го е правила, за да „подсили“ храната, запазвайки и пробиотичните свойства на траханата. Например, на кисело мляко ще сложи малко, ще си надробим и ще ядем. На готов фасул, вече изстинал, и там поръсваше!“

“Ny tarhana no sakafonay maraina nandritra ny ririnina manontolo, ary asian’i nenibe an’izany daholo ny sakafo rehetra efa voaomana. Afafiny amin’ny sakafo foana ny tarhana rehefa nangatsiaka. Ankehitriny vao takatro fa mba “hampaharitra” ilay sakafo no nanaovany an'izany satria izany koa no fomba iray hitazomana ny probiotika ao aminy. Nahafantatra zavatra betsaka ny olona fahiny!”

Temenuzhka Mateva (eo ankavanana) miaraka amin'ny zafikeliny. Sary tahiry manokana, nahazoana alalana.

Nampiany fa maneho ny mombamomba ny faritra manokana ny fomba fahandroan-tsakafo. Ohatra, any amin'ny tanànakely sasany, ohatra, izay ambolena karazana legioma isankarazany dia misy legioma isankarazany afangaro ao anaty tarhana. Ary omanina miaraka amin'ny yaourt betsaka kokoa ilay sakafo, raha toa ka ny fiompiana ondry no fivelomana eo an-toerana.

Manomana karazana tarhana miavaka i Temenuzhka, tsy misy yaourt, na voankazo na legioma. Mba hanaovana koba, ataony anaty rano ny hobilao (houblon), ny katsaka, ny karazana voanjobory ary ny voanemba, ary sivaniny ny fangaro rehefa mangotraka ny rano sy mitsingevana eny ambony ireo akora ary asiany varimbazaha einkorn sy lafarinina segla. Avela hitombo ny koba, ary afangaro amin’ireo akora sisa hafa.

Ny voamadinika varimbazaha boulgour no ampahany hafa amin'ny tarhana namboarina avy amin'ny varimbazaha einkorn. Havela hitombo 2-3 andro amin’ny toerana mafana ny koba (avy amin'ny boulgour, koba ary varimbazaha einkorn) rehefa vita. Amin'ny farany, sivanina ny koba amin’ny fitaovana antsoina hoe darmon (дармонь amin'ny teny Bolgara). Tsy maintsy hamainina amin'ny masoandro ny voa azo, ary avy eo tehirizina ao anaty taratasy na kitapo lamba mandritra ny ririnina manontolo. Raha ny amin'ny akora voamadinika, tian’i Temenuzhka manokana ny ampemby sy ny mampiasa zavamaniry tsy nambolena tamin'ny akora simika.

Ny tarhana no fomba iray hitehirizana ny kalitaon'ny sakafo ara-pahasalamana amin'ny voankazo sy legioma nahotrika. Misy karazany roa manokana fotsy sy mena ity sakafo ity, izay matetika omanina amin'ny fahavaratra aorian'ny fijinjana. Koa satria tsy mila hafanana ny fanomanana azy dia azo antsoina soa aman-tsara hoe “sakafo velona” izy, manankarena bakterian-dronono.

Ampiasaina ho ampinga amin’ny fahaverezan’ny fahatsiarovana ara-kolontsaina ny tarhana ankehitriny raha natao hiarovana amin’ny mosary izy teo aloha.

Започнах да приготвям трахана, откакто имам внуче. Замислих се, че сега, когато съм баба, е време да предам на децата си онова, което съм запомнила от моята. В продължение на години опитвах да я възстановя такава, каквато я помня.

Nanomboka nikarakara tarhana aho hatramin’ny naha renibe ahy, nihevitra fa fotoana izao hanomezana fahalalana ny taranaka fara mandimby ny zavatra nianarako tamin’ny renibeko. Ary vitako tao anatin'ny roa taona ny namerina ity sakafo ity araka ny fitadidiko azy.

Miezaka mampalaza ilay vokatra i Temenuzhka, saingy mbola miatrika olana isankarazany noho ny fitsipika mifehy ny fiarovana ara-tsakafo. Tsy voarakitra ho  nahandro ara-pomba ofisialy ny Tarhana ka sarotra kokoa ny manolotra izany any amin'ny trano fisakafoana. Noho izany no nananganany vondrom-piarahamonina ao an-toerana tao amin’ny faritra Ivaylovgrad, ary mampiasa ny tambajotra sosialy izy mba hampalaza kokoa ilay sakafo.

Vao haingana ireo olona maro izay nanandrana ny tarhana no vonona hianatra ny fomba fanomanana izany. Ho an'ireo olona izay mankasitraka ny fomban-drazana nandritra ny taonjato maro, mihevitra ny hikarakara atrikasa ao Plevun i Temenuzhka, manantena izy fa hamerina ilay sakafo eo amin'ny latabatra Bolgara ny ezaka ataony.

Ity no andiany faharoa amin'ny andiany telo. Efa nivoaka omaly ny ampahany voalohany ary hivoaka rahampitso ny fahatelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.