‘Your’dle : Misy amin'ny fiteny maro erantany izao ny Wordle

Wordle is everyone's favorite word game. Screenshot from video by CBS Sunday Morning.

Kilalaon-teny ankafizin'ny rehetra ny Wordle. Pikantsary avy amin'ny lahatsary an'ny CBS Sunday Morning.

Sambany tafiditra tao amin'ny rakibolan-tsika tamin'ny Oktobra 2021 ny Wordle, lalao fohy kely amin'ny aterineto izay mahaliana ny rehetra, . Tamin'io fotoana io i Josh Wardle, ilay injeniera amin'ny rindrambaiko, monina ao Brooklyn, New York, no nanapa-kevitra ny hanao ilay lalao  ho azon'ny besinimaro raisina.

Tany am-boalohany dia noforonin'i Wardle ho toy ny fanomezana iray ho an'ny sipany ilay piozila faminavinana teny, saingy taorian'ny nahitana fa nalaza be teny anivon'ny fianakaviany sy ny namany izy io, dia napetrany ho anaty tranonkala tsotra iray natao ho an'ny daholobe. Tamin'ny 1 novambra 2021, 90 monja no isan'ny olona nilalao azy io. Tao anatin'ny roa volana mifanesy, an'hetsiny ireo mpankafy ny lalao ka lasa anarana tsy zoviana. Ny tatitry ny vokatra aazony mifototra amin'ireo emojis – ireo antontam-bato efamira miloko maneho ny isan'ny fiezahana ilaina haminaniana ilay teny misy litera dimy – dia nameno ny fahan'ny tambajotra sosialinay.

Nambabo ny saintsika ny Wordle, hany ka nomena anarana hoe “ilay lalovay mpanainga ny Omicron” izy io.” Saingy nahoana no tiantsika be izy io.

Ny Wordle no lalovay mpanainga ny Omicron.
— Emily Coleman (@editoremilye)

Nahoana no lasa adala amin'ny Wordle ny olona ?

Ny fahatsoran'ilay lalao no nahazoany ny fahombiazany : mangataka anao izy haminavina teny iray misy litera dimy ary manome andrana enina ho anao, mampiseho anao raha toa ka hita ao anatin'ilay teny miafina ny iray amin'ireo litera nofidianao sy na mipetraka amin'ny tena toerany ireo litera ireo.

Ny sasany nidera ihany koa ilay lalao ho raharaha atao indray mandeha isanandro, izay midika fa tsy maka afa-tsy minitra vitsy amin'ny fotoananao izy ary tsy mandefa fampahatsiahivana mahasorena aminao, tsy mampiseho doka aminao na manasa anao hifaninana amin'ireo mpilalao hafa (na dia mampiseho aminao ny làlana vitanao manokana aza izy).

wordle directions

Pikantsary avy amin'ny tranonkala Wordle misy an'ireo torolalana tsotra mikasika ny fomba filalaovana ny lalao.

“Heveriko fa ankasitrahan'ny olona ny fisian'ity zavatra ity amin'ny aterineto izay mahafinaritra fotsiny”, hoy ny nambaran'i Wardle tamin'ny New York Times tao anaty tafatafa iray“. “Tsy fanandramana hanao zavatra manjavozavo amin'ny angon-drakitrao na amin'ny masonao io. Fa lalao mahafinaritra fotsiny”.

Tamin'ny 1 Febroary, nihiratra ny mason'ireo mpankafy ny lalao tamin'ny nahafantarana fa novidian’ny New York Times ny Wordle, tamina sandam-bola “tsy fantatra”  saingy amina tarehimarika fito”. Nizara lahatsoratra iray nampihetsi-po ihany koa i Wardle izy tenany, teo amin'ny Twitter, nilaza fa “faly” izy tamin'ilay fifanarahana ary nampiany fa “lasa lehibe tsy araka ny noeritreretiko hatrizay” ilay lalao :

Tsy mampino ny mahita ilay lalao mitondra hafaliana ho an'olona marobe ary tena velom-pankasitrahana aho noho ireo tantara manokana nozarain'ny sasany aminareo tamiko – manomboka amin'ny Wordle mampiray fianakaviana lavitra, hatramin'ny fifampihantsiana amim-pirahalahiana, hatramin'ny fanohanana ny fiarenana ara-pitsaboana.

Etsy andaniny, mandainga aho raha miteny hoe tsy nahafaly be izany. Sady koa, olona fotsiny ihany aho, ary zafvadehibe ho ahy , arakaraky ny fihitaran'ny Wordle, ny hitohizany manome zavatra mahafinaritra ho an'ny rehetra.

Na dia nampanantena aza ilay gazety fa ny lalao “dia hitoetra ho maimaimpoana foana amin'ny voalohany”, dia marobe ny manahy fa tsy ho ela dia hanakana azy ireo tsy hanana ilay fotoana “Zen”-ny isanandro amin'ny fiteny ny fividianana azy io. Na izany aza, nahamarika ireo mpampiasa sasany fa azo tehirizina mora foana ao anaty lohamilina eo an-toerana ny lalao ary hijanona ho azo ampiasaina maimaimpoana.

Tontolon'ny Wordles

Izay tena mampientam-po indrindra amin'ny Wordle dia, ny kaody ao ambadikany azo ampifanarahana mba ho azo ampiasaina amin'ireo fiteny sy toe-javatra isankarazany. Efa nikitika sahady ny kaody ireo mpankafy mahafehy bebe kokoa ny “programmation” no sady nanamboatra azy io ho amin'ireo fiovaovàna rehetra azo eritreretina.

Iray amin'ireo lisitra tena feno indrindra ny Wordles of the World (ampiantranoin'ny gitHub) mikasika ny fahatongavan'ilay lalao amin'ny fiteny isankarazany. Ahitana fampidirana tsy latsaky ny 313 amina fiteny 91 izy io ary manambara ny tanjony ho “telo : milalao, mankalaza ny fahasamihafan'ny fiteny ary mikaroka ny fahaiza-mamorona amin'ny alàlan'ny lalao”.

Ny Wordles manerana izao tontolo izao dia lisitra iray tsy mitsaha-mitombo #amin'ny fiteny maro mikasika ny lalao ‘#wordle’, manana tanjona ho feno kokoa araka izay mety.

🟩🟩🟩🟩🟩

Mankafiza milalao amin'ny fiteninao ary aza adino fa : una lingua numquam satis est. 🗨🌐💬https://t.co/EM4tdxyOyX

Avy any Belarosiana sy Cornish ka hatrany amin'ny Filipino sy Kazakh ny lisitry ny Wordles, saingy ahitàna ihany koa ireo dikanteny amin'ny teny Klingon sy American Sign Language (mitondra ny anaran'i Dactle ity iray ity). Ireo fiteny sasany, toy ny an'i Okraniana dia manana safidy Wordle maro kokoa mihoatra ny iray : manana ianao, na ny Slovko, Kobza ary ny Wordle amin'ny fiteny Okraniana mba hisafidianana.

Wordle in Urdu. Screenshot from Urdle https://urdle.chaoticity.com/.

Wordle in Urdu. Screenshot from Urdle.    ……………..Wordle amin'ny teny teny Urdu. Pikantsary avy amin'ny Urdle.

Fifohazana eo am-pilalaovana ho an'ireo fiteny teratany

Niteraka hirika vaovao ihany koa ny laza azon'ilay lalao mba hampiroboroboana ireo fiteny teratany : Keola Donaghy, akademisiana sy mpikatroka ho an'ny fiteny,  monina ao Maui, dia namorona ny dikanteny amin'ny fiteny ao Hawaï antsoina hoe Hulihua mba hanamarihana ny fanombohan'ny “Mahina ‘Ōlelo Hawai‘i” (Volan'ny fiteny ao Hawaï).

Donaghy dia nampiasa ny kaody loharano misokatra  navoakan'i Hannah Park tany am-piandohana ary taty aoriana dia nohavaozin'i Aidan Pine, mpahay teny iray sady mpamokatra rindrambaiko avy ao Kolombia-Britanika. Namorona dika iray amin'ny Wordle i Pine, natao amin'ny fiteny Gitksan, fiteny indizeny iray ampiasain'ny Firenena Gitxsan any avaratra-andrefan'i Kolombia-Britanika.

Nisy ihany koa ny famoronana kilalao vaovao hafa amin'ny Wordle, anisan'izany indrindra ny Eldrow, izay manome anao teny iray fitarihana ary mangataka anao hamantatra izay tokony ho teny teo aloha ao anaty laharana etsy ambony, sy ny Absurdle, dika iray “mifanohitra” mifototra amin'ny AI izay “mikatsaka mafy ny tsy hanomezana anao ny valiny.”

Misy ihany koa ny Lewdle, izay ianao no mamantatra azy, mifototra amin'ny voambolan'ireo teny maharikoriko sy vetaveta, sy ny Custom Wordle, izay ahafahanao mamorona ny kilalaonao manokana amin'ny alalan'ny fampidirana teny iray ho fantarin'ireo olon-kafa (voalaza ho tena nalaza ity iray ity tany an'efitrano fianaran'ireo sekoly).

Ao anatin'ny tontolo iray izay ny fisiantsika isanandro dia tototra teny ary ao anatiny ao dia loharanom-baovao maro no miady laka hahazo ny saintsika, indraindray mahafinaritra ny mifoka rivotra, manafoana kely ny fahan'ireo media sosialy ary mandany kely dimy minitra mba haminaniana teny tokana monja – avo roa heny raha toa io teny io ka ao amin'ny tenin-dreninao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.