Hetsika manoloana ny masoivoho Tseky ao Makedonia Avaratra manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra atao amin'ny Roma sy ny herisetra ataon'ny polisy

 

“Mamono ny fanavakavaham-bolonkoditra! Te-ho velona ny vahoaka Roma!” sora-baventy tao amin'ny hetsika manohitra ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra atao amin'ny Roma, Skopje. Sary: Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA, avy amin'ny tahirin-tsary “Roma Lives Matter.”

Ny Meta.mk no namoaka ity tantara ity voalohany. Navoaka eto indray ny lahatsoratra nasiam-panovana tamin'ny alàlan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.

Tamin'ny 3 Jolay, olom-pirenena miisa 1000 mahery tany Makedonia Avaratra no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoloana ny Masoivohon'i Repoblika Tseky tao Skopje, renivohitr'i Makedonia Avaratra.

Notarihan'ny hetsiky ny olom-pirenena AVAJA , nitaky ny fahamarinana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mba handraisan'ny governemanta andraikitra manoloana ny famonoana an'i Stanislav Tomaš , tovolahy Rôma avy any Teplice, Repoblika Tseky, iray amin'ireo tranga farany nisehoan'ny habibiana nataon'ny polisy noho ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra atao amin'ireo Rôma any Eoropa .

Nanomboka teo anoloan'ny sekoly fanabeazana fototra Kočo Racin teo amin'ny Vodnjanska (fantatra ihany koa amin'ny hoe Lalana Mamera Theresa) ny fihetsiketsehana ary niroso nankany amin'ny masoivoho Tseky, izay eo akaiky eo.

“Mamono ny fanavakavaham-bolonkoditra! Te-ho velona ny vahoaka Roma!” sora-baventy tao amin'ny hetsi-panoherana manohitra ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra ao Roma, Skopje. Sary: Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA, avy amin'ny tahirin-tsary “Roma Lives Matter.”

Nilaza ny AVAJA fa tsy vitan'ny tsy nahavita nanameloka ity trangan-kerisetra nataon'ny polisy ity ny manampahefana Tseky, notarihin'ny Praiminisitra Andrej Babiš sy ny filoha Miloš Zeman, ary ny Minisitry ny Atitany Jan Hamáček, fa nisaotra ny polisy mihitsy aza noho ny fihetsik'izy ireo ary naneho ny fanohanany ireo polisy ao Teplice.

Nitady  hanamarina  ny fampiasan-kery tamin'io tranga io ho ara-dalàna ny manampahefana Tseky, tamin'ny filazàna fa natosiky ny fiankinan-doha tamin'ny zava-mahadomelina i Stanislav Tomaš. Etsy ankilany, nilaza ny AVAJA fa ny horonantsary  fisamborana izay niparitaka tamin'ny tambajotra sosialy dia mampiseho polisy iray nandohalika teo amin'ny hatok'i Tomaš nandritra ny dimy minitra ary niantso fiara mpitatitra marary  rehefa hitany fa tsy nihetsika intsony izy.

Nasongadin'ireo mpikatroky ny zon'olombelona Roma fa ny herisetra ataon'ny polisy amin'ny Roma no fomba fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra miharihary indrindra hita any Eoropa. Avy amin'ny hery tsy manam-petra ampiharin'ny polisy izay mahita sy mandray ny olona manana fihaviana Roma ho toy ny jiolahy izany.

Herisetra ataon'ny polisy mikendry ny Roma any Makedonia Avaratra

“Rehefa lasa lalàna ny tsy rariny dia lasa adidy ny fanoherana” sora-baventy tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra atao amin'ny Roma ao Skopje. Sary: Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA, tao amin'ny tahirin-tsary “Roma Lives Matter.”

Nandritra ny fihetsiketsehana  dia nampahatsiahy ny fahatsiarovana ilay raharaha tsy voavaha izay herisetra nataon'ny polisy tamin'ny volana Septambra 2020 tao Makedonia Avaratra ihany koa ny AVAJA, rehefa nisy Roma telo nodarohana tao amin'ny distrikan'i Bitola.

Taorian'ny fizarana horonantsary iray mampiseho ny polisy nidaroka ny olom-pirenena Roma tao amin'ny tambajotra sosialy dia nambaran'ny Minisiteran'ny Atitany avy hatrany ny fanaovana fanadihadiana anatiny. Nantsoin'ny Praiminisitra Zoran Zaev ho “mahamenatra” ny tranga, ary nanameloka ity tranga ity ho toy ny ohatra amin'ny fihoaran'ny polisy amin'ny fahefany ny Komity Helsinki miaro ny Zon'olombelona.

Tamin'izay fotoana izay dia nisy horonantsarin'ireo nanatri-maso maro hafa no tafaporitsaka tamin'ny fampitam-baovao. Na izany aza, narahin'ny fampielezana horonantsary manohitra ireo Roma izany tao amin'ny tambajotra sosialy, izay natao hanehoana ny “zava-nitranga rehetra”. Nanambara ny olo-malaza avy amin'ny elatra havanana isankarazany fa “mendrika izany”  ireo olona nodarohin'ny polisy satria izy ireo no nanafika voalohany ny polisy.

Naato tamin'ny asany mandra-piandry ny famotorana azy ireo polisy voarohirohy. Hatreto tsy mbola nisy ny tohiny ara-pitsarana ity raharaha ity.

Salija Bekir niresaka nandritra ny fihetsiketsehana 3 Jona nanoloana ny Masoivohon'i Repoblika Tseky ao Skopje. Sary avy amin'i Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA, tao amin'ny tahirin-tsary “Roma Lives Matter.”

Hoy ny nambaran'i Salija Bekir, iray amin'ireo mpitarika ny ekipa AVAJA tao amin'ny fihetsiketsehana hoe:

Свежи ни се сеќавањата за полициската бруталност врз Ромите во Битола кој што е во судски процес! Свежи ни се сеќавањата за присилните евикции на ромските населби, свежи ни се сеќавањата на смртта на Роми во затворите под сомнителни околности! Свежи ни се сеќавањата на секојдневната дискриминација врз Ромите од страна на поединци и институции, како што е малтретирањето на детето од Кочани!

Mbola tsaroanay tsara ny herisetra nataon'ny polisy tamin'ny Roma tao Bitola, izay anton-draharahan'ny fitsarana mandeha amin'izao fotoana! Mbola tsaroanay tsara ny fandroahana an-keriny ny Roma hiala ny fonenany, mbola tsaroanay tsara ny fahafatesan'ny Roma tany am-ponja tamin'ny fomba mampiahiahy! Mbola tsaroanay tsara ny fanavakavahana isan'andro ataon'ny olona sy ny andrimpanjakana amin'ny Roma, toy ny fandrahonana ny ankizy zaza avy any Kočani.

Mitaky vahaolana ara-drafitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-dafitra

AVAJA demanded that Czech authorities conduct an independent investigation into police brutality in the case of murder of Stanislav Tomaš and create an independent commission which would examine violations of police rules and practices contrary to police code of conduct in Roma communities.

Nitaky ny hanaovan'ny manampahefana Tseky fanadihadiana mahaleontena amin'ny herisetra ataon'ny polisy amin'ny raharaha famonoana an'i Stanislav Tomaš ny AVAJA ary ny hananganana komisiona mahaleontena handinika ny fanitsakitsahan'ny polisy ny lalàna sy ny fomba fanao mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tenan'ny polisy ao amin'ny vondrom-piarahamonina Roma.

Fihetsiketsehana manohitra ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra atao amin'ny Roma manoloana ny Masoivoho Tseky ao Skopje. Sary: Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA, avy amin'ny tahirintsary “Roma Lives Matter.”

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izay, fihetsiketsehana ahitana fitakiana mitovy amin'izany no nitranga tany amin'ny Repoblika Tseky sy tany Romania.

Fihetsiketsehana manohitra ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fanavakavaham-bolonkoditra ara-drafitra atao amin'ny Roma manoloana ny Masoivoho Tseky ao Skopje. Sary: Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA, avy amin'ny tahirin-tsary “Roma Lives Matter.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.