Seho andiana elefanta mirenireny any Shina. Tsy hoe ‘maha-te-ho-tia’ araka ny ahitana azy ireo.

 

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'i Xinhua.

Elefanta Aziatika dimy ambin'ny folo no lasa nalaza tao amin'ny aterinto tany Shina vao haingana indrindra sady ambasadaoro nahomby indrindra tamin'ny endrika vaovao «maha-te-ho-tia» tadiavin'ny governemanta atao. Saingy araka ny fanazavan'ireo mpiaro ny tontolo iainana, izay toa tantara mahafinaritra dia ny asa ara-toekarena tsy mitsaha-mitombo no nahatonga izany.

Nandao ny toeram-ponenany tao amin'ny Valanjavaboary Xishuangbanna ny andian'elefanta, izay eo akaikin'ny sisintanin'i Myanmar sy Laos ao amin'ny faritanin'i Yunnan ao Shina, tamin'ny tapaky ny volana Aprily.

Nanomboka tamin'izay izy ireo dia narahina drôna am-polony sy mpitandro ny filaminana. Nanomboka tamin'ny volana Mey, nandefa mivantana ny lalan'izy ireo isan'andro ny China Central Television (CCTV).

Tsy misy mahalala izay toerana tian'ny elefanta ho aleha.

Nirohotra nianavaratra efa ho maherin'ny 500 kilaometatra mandra-pahatongany tany amin'ny tanànan'i Kunming ny 6 Jona ireo elefanta. Avy eo, niverin-dalana nianatsimo izy ireo rehefa voasariky ny voankazo nomen'ireo mpanaraka azy ireo.

Dian'ny andian'elefanta tany amin'ny faritanin'i Yunnan. Pikantsary tamin'ny tati-baovaon'ny CCTV.

Nandritra ny roa herinandro lasa izay, nameno ny tambajotra sosialy Shinoa ny rakitsarin'ny andiam-biby misakafo, mandro amin'ny fotaka ary ny fatorian'ireo biby maka aina amin'ny tolakandro, ka nisarika ny fampitam-baovao malaza avy any ivelany.

Shina maha-te-ho-tia

Tsy tao amin'ny tambajotra sosialy ihany no nalaza tampoka ny tantaran'ny elefanta.

Lahatsoratra iray nalaza tao amin'ny Sina no nanasongadina fa ny fandefasana mivantana ny andian'elefanta mirenireny no fampielezan-kevitra mahomby indrindra nataon'i Shina tao anatin'ny taona vitsivitsy izay:

中国人这样善待动物,还怎么中国威胁论?[…]如果在其他国家,这会发生什么?譬如,在印度,野象进村的事件就经常发生,看到有报道,野象遭到村民放火驱赶,有村民甚至将轮胎烧着扔向野象……但中国真没有。中国人看着大象,就像看着自己的孩子。

对很多外国人来说,正是看着这15头大象,他们才终于知道,以前知道的中国,至少是不全面的 […] 这种变化,在当前西强我弱的国际舆论环境下,可能是1000篇檄文、1万次怒骂,都达不到的效果。[…]

Hanafoana ny teoria momba ny fandrahonan'i Shina ny hatsaram-panahin'ny Shinoa amin'ireo biby ireo […] Inona no hitranga raha tany amin'ny firenen-kafa no nitrangan'izany? Andao lazaina hoe tany India. Nahita tatitra aho fa hampiasa afo ny mponina mba handroahana ireo elefanta … Tsy nanao an'izany i Shina,  manao ny elefanta toy ny zanany ny Shinoa. […]

Rehefa mijery ireo elefanta miisa 15 ny vahiny dia takatr'izy ireo fa mitongilana ny fahitany an'i Shina […]  tsy ho tanteraka amin'ny alàlan'ny fanambarana matanjaka maherin'ny 1.000, na fifandirana am-bava miisa 10.000 ny fanovana fiheverana toy izany.

Nanatsoaka hevitra ny mpanoratra fa “na dia ny elefanta aza dia mahalala tsara fa firenena tsara i Shina” ary ny tantara toy izany indrindra no tadiavin'ny filoham-pirenena Shinoa Xi Jingping amin'ilay endrika “maha-te-ho-tia” an'i Shina.

Tamin'ny 2 Jona, nanamarika ny fiovan'ny fomba fiasa ara-diplomatikan'ny Antoko Komonista Shinoa i Xi rehefa nilaza tamin'ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny CCP izy mba hampiseho ny endrik'i “Shina amin'ilay azo atokisana, be fitiavana ary hajaina”.

Tsy mahagaga noho izany fa raha anisan'ireo nandefa ny horonantsarin'ny fandroan'ny elefanta tanaty fotaka tao amin'ny Twitter ilay mpitondra tenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao Shina, Hua Chunying:

Milalao fotaka sy mankafy orana.
An-dàlana hiverina ankehitriny ireo elefanta miisa 15 nandositra an'i Yunnan. Nanome azy ireo ny fotoana fandroana fotaka ny orana mitohy tato ho ato.

Saingy nametra-panontaniana ny mpisera Weibo sasany raha hitohy hahafinaritra ny tantaran'ny elefanta :

云南的大象下山,人们不是驱赶大象,还给大象投食投水,疏散村民。实际这种做法是不对的,以后大象习惯了,会经常下山扰乱人们的正常生活与生产,甚至造成人员伤亡。应该对大象进行驱赶,让大象觉得下山是危险的…

Rehefa nandao ny tendrombohitra ireo elefanta dia tsy nandroaka azy ireo ny olona fa nanome rano sy sakafo ho azy ireo. Nafindra toerana ny mponina tao amin'ny tanànakely mba hanomezana lalana ny andian'elefanta. Tsy mety izany fomba fanao izany. Hiditra amin'ny tanànakely isaky izay mahatsiaro ireo elefanta raha zatra an'izany ary mety hiteraka fahasimbana na famoizana ain'olona mihitsy aza izany. Tokony handroaka ny elefanta ny olona ary hampahafantatra azy ireo fa mampidi-doza ho azy ireo ny mandao ny tendrombohitra…

Tandindomin-doza ny toeram-ponenan'ny bibidia

Amin'izao fotoana izao, nanimba tanimboly mirefy 842 mu na 560 kilometatra toradroa ireo andian'elefanta ary fatiantoka ara-toekarena RMB 6,8 tapitrisa yuan. Nampanantena ny governemanta Shinoa fa hanonitra ny fahavoazan'ny mponina, araka ny tatitra navoakan'ny fantsom-pahitalavitra Phoenix Television izay miaraka amin'ny fanjakana.

Tamin'ny taona 2017, nanaitra ny olana momba ny fifindran'ny ala voajanahary ny mpahay siansa noho ny fanitarana ny toeram-pambolena ao amin'ny faritra misy ala anisan'izany Xishuangbanna sy Pu'er.

Ankoatra ny fambolena hazo fingotra, nanitatra ny fambolena ala ara-barotra sy ny fitomboan'ny fifandonan'ny elefanta sy ny olombelona ny fitomboan'ny indostria fanamboarana dite ao Pu'er nanomboka tamin'ny taona 2003.

Nanazava ny Profesora Zhang Li, biolojista eny ifotony miasa misahana ny elefanta Aziatika fa miezaka mitady fonenana voajanahary vaovao hipetrahany ireo andiany mirenireny ireo.

Nolazainy tamin'ny People's Daily izay an'ny fanjakana fa nihena 40 isan-jato ny fonenan'ny elefanta Aziatika tao anatin'ny roapolo taona lasa noho ny fanitarana ny fambolena ala ara-barotra.

Nandritra io fotoana io dia nitombo lasa 300 ny isan'ity karazam-biby voaaro any Shina ity raha 193 teo aloha.

Tao amin'ny lahatsoratra Weibo, nanazava toy izao i Zhang:

大象为什么离家出走?光讲政治是解决不了问题的,要尊重科学!首先要肯定保护取得的成效,随着人们保护意识的不断提高亚洲象种群在稳步增长;但是不容忽视的是地方经济快速发展对野生动物栖息地丧失和破碎化造成的严峻现实。绿水青山就是金山银山,健康完整的生态系统才是经济可持续发展的基石……

Nahoana ireo elefanta no mandositra ny fonenany? Tsy afaka namaha ny olana ny fampielezan-kevitra ary tokony hanaja ny siansa isika. Na dia tsy maintsy manamarika ny zava-bita izay nataontsika momba ny fiarovana aza isika fa nitombo ny isan'ny elefanta Aziatika dia tsy azontsika atao ambanin-javatra ny zava-misy fa nitarika ny fanjavonana sy fihenan'ny toeram-ponenan'ny bibidia ny fivoarana ara-toekarena haingana. Sarobidy toy ny volamena ny rano sy ny tendrombohitra maitso. Kitro ifaharan'ny fampandrosoana maharitra ny rafitra ekolojika ara-pahasalamana…

Nanamarika i Zhang fa mba hampitsaharana ny elefanta mirenireny mankany amin'ny tananakelin'ny mponina dia ilaina ny fametrahana rafitra mifehy ny valan-javaboary izay manamafy ny ezaka fiarovana amin'ny alàlan'ny fanitarana sy fampifandraisana ireo ala voajanahary honenan'ny bibidia.

Nifantoka tamin'ny zavatra hitranga amin'ny biby ny ankamaroan'ny valinteny tamin'ny lahatsoratr'i Zhang rehefa tsy miresaka momba izany intsony ny fampitam-baovao.

Hoy i @big_ear_cat tao amin'ny Twitter:

Nisy ihany ny manam-pahaizana nanome fanazavana momba ny dian'ny elefanta nianavaratra. Tsy niresaka ny marina ny tompon'andraikitra teo an-toerana. Na izy ireo nilaza fa very lalana ireo andian'elefanta na hoe mizotra tsara ny fikojakojana ny valan-javaboary ka be loatra ny isan'izy ireo. Nampiasa fitantarana mampialavoly aloha no nataon'ny media mpamoaka vaovao ofisialy rehetra. Tsy sahiko ny mijery ireo elefanta. Very fonenana izy ireo. Rehefa tsy liana intsony ny vahoaka nijery ireo andian'elefanta, inona no hiafaran'izy ireo? Ankehitriny rehefa nisy nilaza ny marina dia angamba tsy tian'ny tompon'andraikitra hanjavona amin'ny fitantaran'ireo fampahalalam-baovao izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.