Soritan'ny hetsi-panoherana ataon'ny Baloch ny famoretana ireo vitsy an'isa ara-poko

Mpanao fihetsiketsehana Baloch ao Saravan tanàna Iraniana eo akaikin'ny lapan'ny governemanta. Niavian'ny sary: Ny vaomieram-pirenena Fifaharan'i Iran. Nahazoana alalana.

Nipoaka tamin'ny fiandohan'ity volana ity ny hetsika fanoherana ny governemanta tao amin'ny faritanin'i Sistan-Baluchistan ao atsimo atsinanan'i Iran, taorian'ny fitifirana namoizana ain'olona Baloch mpivarotra akoranafo folo farafahakeliny nataon'ny fitondrana Iraniana, ary narehitry ny famoretana sy tsy firaharahiana ny vahoaka Baloch am-polony taona maro.

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny Twitter ny vondrona mpikatroka iray antsoina hoe “Iran Human Rights Monitor” manaramaso ny fanitsakitsahan-dalàna ao amin'ny Repoblika Islamika:

Nifandona tamin'ny mpiambina revolisionera ny mponina ao amin'ny sisintany ifanakalozan'i Sistan sy Baluchestan ao amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Iran. Nilaza ny mponina ao an-toerana fa farafahakeliny olona valo no maty ary ampolony no naratra. Efa hita tamin'ny tantara ny fitifiran'ny tafika mpiambina revolisionera ireo olompirenena Baluch nampahantraina izay voatery hitondra akoranafo hahavita taona (volana)

Sistan-Baluchistan no faritany mahantra indrindra ao Iran, izay miaina ambany tokonan'ny fahantrana ny atsasaky ny mponina miisa 1.346.000. Io ihany koa no hany faritany izay izay mihoatra noho ny mponina an-tanandehibe ny isan'ny mponina an-tsaha, ary efa hatry ny ela  no tsy mba ary fitaovana.

Ity raharaham-pitifirana ity indray no tohin'ny tantara lava fanavakavahana natrehin'ny mponina Baloch tao Iran. Voaporitra anelanelan'ny sisintanin'i Iran, Afghanistan, ary Pakistan, ara-tantara ny mponina Baloch no vitsy an'isa tsy manan-jo apetraka anjoron'ny fiaraha-monina, tsy mba nomena hirika ara-toekarena loatra, ary lasibatry ny herisetram-panjakana hatrany.

Toy izao ny fanambaràna nataon'ny Amnesty International tamin'ny 2 marsa momba ny tifitra:

Testimony from eyewitnesses and victims’ families, coupled with video footage geolocated and verified by the organization’s Crisis Evidence Lab, confirms that on that day [February 22], Revolutionary Guards, stationed at Shamsar military base, used live ammunition against a group of unarmed fuel porters from Iran’s impoverished Baluchi minority causing several deaths and injuries… At least 10 people, including a 17-year-old boy, were killed on 22 February, according to Baluchi human rights activists who interviewed primary sources.

Fijoroana vavolombelona avy amin'ny nanatri-maso sy tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina, miaraka amin'ny lahatsary voafangitra sy voamarin'ny Crisis Evidence Lab an'ny fikambanana no nanamafy fa tamin'io andron'ny [22 febroary] io, nampiasa bala tena izy ny Mpiambina Revolisionera itifirana ireo vondrona mpitondra akoranafo tsy manana fitaovam-piadiana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Baluchi nampahantraina izay niteraka fahafatesana sy faharatrana maro… Farafahakeliny Olona 10, anisan'izany ny zazalahy iray 17 taona, no [voatifitra] tamin'ny 22 febroary, araka ny filazan'ny mpikatroka zon'olombelona Baluchi izay nanadihady ireo loharanom-baovao voalohany.

Taorian'io famonoana io, nipoaka tany amin'ny faritany Sistan-Baluchistan ny fihetsiketsehana, nodoran'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'izany ny fiaran'ny polisy iray ary nobodoin-dry zareo ireo tranom-panjakana. Voalaza fa farafahakeliny polisy iray no maty tamin'ny fifandonana nifanaovan'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny manampahefana. Nakaton'ny manampahefana ny fifandraisana aterineto ao amin'ny faritra, raha lazain'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona ny fisian'ny fisamborana maro.

Mitaratra ny tsi-fahafaliana namaka ampolony taona maro tamin'ny tsi-firaharahian'ny governemanta ny hetsi-panoherana. Araka ny tatitra nivoaka tamin'ny Jone 2016 avy amin'ny Iran Human Rights Review, ny tetikasam-pampandrosoan'i Baluchistan dia latsaky ny 0,001 isanjaton'ny tetikasam-pirenena manontolo. Hoy ny tatitra:

More than half of the development budget is spent on security and policing in the province. While hundreds of billions of tumans (a unit of 10 rials) are spent to establish security and police stations and Revolutionary Guard Centres, many students continue to occupy sheds as classrooms.

Mihoatra ny atsasaky ny tetikasam-pampandrosoana ny tetibola nolaniana tamin'ny fiarovana sy ny fitandroana filaminana any amin'ny faritany. Raha anjatony miliara tumans (venty 10 rials) no lany tamin'ny fametrahana ny fiarovana sy ny komisariàn'ny polisy ary ny Foiben'ny Mpiambina Revolisionera, mpianatra maro no mibodo ny tranon'entana ho efitra fianarana.

Ny tsi-fisian'ny fitaovana ara-toekarena dia nampiarahana tamin'ny politika sy ny fanao izay manavakavaka ny Baloch sonita, na ara-kolontsaina na ara-pivavahana. Ny tosika hametrahana ny mari-panondroana Baloch dia vao maika norangitin'ny zavamisy fa miaina tsy manana antota-taratasy [mg] ara-dalàna  ao Iran ny kilonga Baloch. Avy amin'izany dia tsy ny fahafahana mahazo fanabeazana amin'ny fitenin-drazana no voatsipaka , fa amin'ny tranga sasany dia ny fitsipahana an-dry zareo tsy hizaka ny mahaolompirenena ihany.

Tsy nijanona hatreo anefa ny famoretana arovan'ny fanjakana: ampolony taona maro ny Baloch no lasibatry ny andiam-pisamborana, fanagadrana, ary famonoana ara-pitsarana ao Iran. Tamin'ny taona 2016, natao lohatenin-gazety ny Filoha-lefitra Iraniana rehefa notondroiny tanàna kely iray tao Balochistan izay novonoina ara-pitsarana avokoa ny lehilahy rehetra, ary marihina fa ireo sisa velona tao an-tanàna dia niezaka nanao fanondranana an-tsokosoko mba hivelomana.

Efa ela ny fifanakalozan-kevitra amin'ny vahoaka Baloch no nafantoka tamin'ny fitoloran-tenan-dry zareo amin'ny lazaina ho “varotra tsy ara-dalàna miampita sisitany”, lasitrasa miteraka olana ao aminy noho ny fanerena hametrahana famerana mifandraika amin'ny varotra sy ny fahazoana mivezivezy amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo. Mivelatra amin'ny sisintanim-panjakana-firenena telo i Balochistan ara-tantara, ary izay Baloch manao raharaham-barotra manerana ity faritra ity dia matetika no voatonona anarana ho “mpanao fanondranana an-tsokosoko.”

Nampiasaina nandritra ny taona maro ihany koa ireny marika ireny hanamarinana ny famoretana sy ny famonoan'ny fanjakana ny Baloch ao Pakistan.

Sarin'ireo olompirenena Baloch izay novonoin'ny Mpiambina Revolisionera tamin'ny tifitra androany tao amin'ny faritanin'i Sistan sy Baluchestan, Atsimo Atsinanan'i Iran.

Ampolony taona maro izay, Baloch an'arivony maro no napetraka ho jiolahy, nosamborina ary novonoina ara-pitsarana ho mpanao fanondranana sy mpandika lalàna, fiampangana nipetraka hatry ny ela natao hamelezana ireo vondrom-piarahamonina avy amin'ny sisitany hafa ao Iran.

Vao haingana tamin'ity volana ity, tamin'ny fanambaràna iray manameloka ny famonoana ara-pitsarana ny gadra Baloch iray, nilaza ny Firenena Mikambana fa farafahakeliny gadra Balochi 21 no novonoina ara-pitsarana tany amin'ny fonjan'i Zahedan, Mashhad, ary Isfahan hatramin'ny tapaky ny volana desambra 2020. Nampian'ny fanambaràna fa maro amin'ireo novonoina ireo no “voampanga amin'ny resaka rongony na manitsakitsaka fiarovam-pirenena, taorian'ny fombafombam-pitsarana feno lesoka.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.