Hatramin'ny 2018 i Loujain al-Hathloul, ilay Saodiàna vavy, mpikatroka malaza sady mpanao fampielezankevitra, no efa naiditra am-ponja noho ny fitakiany hampitsaharana ny rafitra fiahian-dehilahy sy ny fandraràna ny vehivavy tsy hahazo hamily fiara. Nafahana tamin'ny herinandro lasa iny izy ary nandefa ny bitsika voalohany nanomboka tamin'ny Alarobia.
Returning with a heart full of gratitude, but bruised from 1001 disappointments. pic.twitter.com/CsM79OLDzb
— لجين هذلول الهذلول (@LoujainHathloul) February 17, 2021
Tafaverina miaraka amin'ny fo feno fankasitrahana, saingy torovan'ny hadisoam-panantenana an'arivony
— لجين هذلول الهذلول (@LoujainHathloul) 17 Febroary 2021
Loujain, izay nalaina an-kery avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny May 2018, nampijaliana, tsy navela notsidihan'ny fianakaviana, ary natokana toerana naharitra fotoana maro nandritra ny namonjàna azy, dia nomelohina hifonja mandritra ny enina taona tamin'ny 28 Desambra 2020, didy navoakan'ilay fitsarana malaza ratsy misahana ny asa fampihorohoroana ao amin'ny fanjakàna. Ilay fetran-taona enina, izay ny antsasany nataon'ilay didy ho sazy mihantona, dia nihena raha oharina amin'ny fanamelohana faratampony 20 taona am-ponja izay notakian'ny fampanoavana tamin'ny 17 Desambra.
Ny gazety ao an-toerana, raha nitanisa ilay fanapahankevitry ny fitsaràna, nilaza fa i Loujain, 31 taona, dia voaheloka ho “nanao heloka bevava voararan'ny andininy faha-43 ao amin'ny Lalàna miady amin'ny Asa Fampihorohoroana“, isan'izany ny fiarahana miasa amina hery vahiny mpanozongozona, sy ny fampiasàna ny aterineto ho fanohanana fandaharam-potoana iray avy any ivelany ho ao anatin'ny fanjakàna, ka tanjona amin'izany ny hanohintohinana ny filaminam-bahoaka.
Miainga avy amin'io didy io, efa nioman'ny fianakavian'i Loujain ny fanafahana azy amin'ny Martsa, satria efa vitany nandritra ny fihazonana azy teo am-piandrasana ny fitsaràna ny ankamaroan'ny saziny.
An-kafaliana no nandraisan'ireo pôlitisiàna sy mpanohana erantany ilay fivoaran-draharaha, izay nomarihan'ny fianakaviany fa mbola mihatra amin'i Loujain ny fandraràna azy tsy hahazo mivezivezy any ivelany sy ny famerana ny fisehoany imasom-bahoaka.
Thank you @POTUS! My sister is not free, she’s on a travel ban, and the whole family as well. Her trial is still ongoing.
Thank you again for the support ??❤ https://t.co/R56nrvur03— Lina Alhathloul لينا الهذلول (@LinaAlhathloul) February 10, 2021
Misaotra an'i @POTUS! Tsy manana fahalalahana ny rahavavaiko, raràna izy tsy hahazo mivahiny any ivelany, toy izany koa ny fianakaviany. Mbola mitohy ny fitsaràna azy.
Misaotra hatrany amin'ny fanohanana— Lina Alhathloul لينا الهذلول (@LinaAlhathloul) 10 Febroary 2021
Ny filoha frantsay Emmanuel Macron nibitsika hoe:
Je me réjouis de la libération de Loujain al-Hathloul et partage le soulagement de sa famille. https://t.co/MEELVy3TVg
— Emmanuel Macron (@EmmanuelMacron) February 10, 2021
Faly aho tamin'ny nanafahana an'i Loujain al-Hathloul ary iombonako ny fahamaivamaivanan'ny fianakaviany.
— Emmanuel Macron (@EmmanuelMacron) 10 Febroary 2021
Christiane Amanpour, mpanentana ao amin'ny VNN, nanoratra hoe:
Released but not yet free. https://t.co/SxB8WOYido
— Christiane Amanpour (@camanpour) February 17, 2021
Afaka saingy tsy mbola manana fahalalahana
— Christiane Amanpour (@camanpour) 17 Febroary 2021
Ilay famotsorana malaza azon'i Loujain dia iray amin'ireo fivoarana miabo marobe amin'ny rafitry ny lalàna manoloana ireo mpikatroka sy gadra noho ny resaka pôlitika ao Arabia Saodita, izay ny sasany nafahana ary ny hafa nomena fanalefahan-tsazy.
Ny fiovàna tao amin'ny Trano Fotsy no voalaza ho nitondra io fiovàna io. Ny fialàn'ny fitantanan'i Donald Trump, izay tsy dia niraharaha ny resaka zon'olombelona tao amin'ilay faritra, nandrisika ireo fitondràna tsy refesimandidy, ary ny fahatongavan'ny fitantanana iray maniry ny hanao tsindry amin'ireo mpiaradia aminy mba hanaja ny zon'olombelona no mety nanafaingana ny fitsaràna nitarazoka sy nampihena ny sazy.
Ny namotsorana ilay mpikatroka malaza dia mandrisika ihany koa ny fitakiana hamotsorana ireo hafa nogadraina noho ny resaka fanehoana hevitra, izay mbola mihiboka any anatin'ireo fonja saodiàna.
ALQST, vondrona tsy miankina iray mpiaro zon'olombelona izay mijery manokana ireo olana saodiàna, nanoratra hoe:
الإفراج المشروط عن مدافعتين عن حقوق الإنسان #لجين_الهذلول و #نوف_عبدالعزيز
إلا أن محاكمات أخريات لم تنته بعد، وفي تطوّرٍ مقلق طالب الادعاء العام بالاستئناف في قضية #نسيمة_السادة كمحاولةٍ لإنزال حكم أقسى
تدعو #القسط للإفراج غير المشروط عن جميع المعتقلاتhttps://t.co/nfJdPmrzEy pic.twitter.com/gDvf6dH3hn
— القسط لحقوق الإنسان (@ALQST_ORG) February 15, 2021
Fanafahana narahana fepetra nomena ireo roa mpiaro zon'olombelona, #Lujain_Hathloul sy #Nouf_Abdulaziz.
Kanefa, tsy mbola vita ireo fitsaràna hafa, ary ao anatina fivoarana mampiahiahy dia nanaovan'ny Fampanoavana fampiakarana ny didy momba ny raharahan'i Nassima Al-Sada, andrana hitadiavana sazy henjana kokoa.
#ALQST dia mitaky ny famotsorana tsy misy fepetra ho an'ireo rehetra voagadra https://t.co/nfJdPmrzEy pic.twitter.com/gDvf6dH3hn
Adam Coogle, tale lefitra ao amin'ny rantsan'ny Human Rigths Watch, faritra Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra, nibitsika hoe:
Ok MBS, time for Abdulrahman to go home too, enough is enough @AreejASadhan https://t.co/m045NSCPWo
— Adam Coogle (@cooglea) February 10, 2021
Ok, MBS, fotoana izao tokony hodian'i Abdulrahman an-trano, ampy izay, tena ampy @AreejASadhan https://t.co/m045NSCPWo
— Adam Coogle (@cooglea) 1 Febroary 2021