
8 Oktôbra, mpikatroka nanao hetsipanoherana teo anoloan'ny foiben-toeran'ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny Sidina (GFS). Saripika nalefan'i Joshua Wong tao amin'ny mombamomba azy tamin'ny Facebook.
Antontan-taratasy maromaro an'ny Government Flying Service (GFS) ao Hong Kong mirakitra ireo sidina, ary tafaporitsaka tsy ela akory izay, no manoso-kevitra hoe nitsongo dia mpikatroka 12 ny polisin'i Hong Kong mandra-pisambotry ny polisin'ny sisintany avy any amin'ny tanibe shinoa azy ireo, ny 23 Aogositra teo.
Tany am-boalohany ny pôlisy ao Hong Kong dia nandà ho tsy nahafantatra ny fikasàna fandosirana ho any Taiwan amin'ny alàlan'ny sambo haingam-pandeha hataon'ireo mpikatroka, ary nanambara fa ny 28 Aogositra vao nisy nampahafantatra azy ireo izany, taorian'ny tenimita nalefan'ireo manampahefana avy any amin'ny tanibe shinoa.
Saingy ireo porofo niseho masoandro tamin'ity herinandro ity dia mampiseho fa nahafantatra tsara ny drafitra ireo manampahefana ao Hong Kong ary mety nanampy ireo manampahefana avy any amin'ny tanibe shinoa tamin'ilay hetsika fisamborana.
Eo anelanelan'ny 16 hatramin'ny 30 taona ry zareo, tany am-boalohany ireo mpikatroka 12 dia nampangaina tao Hong Kong ho nanao heloka bevava, niainga tamin'ny resaka fanaovana herisetra tamina mpitandro filaminana iray, fandoroana, ary fanaovana korontana sy firaisana tsikombakomba amina hery vahiny tamin'ny hetsipanoherna nataon-dry zareo tamin'ny 2019.
Raha ny tranga fanakorontanana, mety ho tonga hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina ny sazy ho an'ireo heloka ireo, na famonjàna mandra-maty raha ny firaisana tsikombakomba amin'ny hery vahiny araka ny lalàna vaovao momba ny fiarovam-pirenena.
Raha fony nahazo fahafahana tamin'ny fandoavana onitra ry zareo, niketrika ny handositra an'i Hong Kong tamin'ny alàlan'ny sambo haingam-pandeha ka ho an'ny Taiwan ireto mpikatroka 12 ireto, toerana mety hahazoan-dry zareo fialokalofana. Voasambotr'ireo mpiandry sisintany shinoa ry zareo ary nohelohina ho niampita sisintany nefa tsy nahazo alàlana. Ao Shenzhen izy ireo no tazonina amin'izao fotoana izao.
Hatramin'ny nisamborana azy ireo, tsy fantatra izay misy ireo 12 no sady tsy aharenesana vaovao momba azy, ary voasakana tsy mahazo mitsidika an-dry zareo ireo mpisolovava nokaramain'ny fianakaviana.
Hatramin'ny nisamborana azy ireo, arahan'ireo mpikatroka ao Hong Kong maso ireo rakitra radara avy amin'ireo sambo eny akaiky eny, ary ireo torohay hafa azo raisina mba entina hanamarinana raha tena tany amin'ny fari-dranomasina shinoa tokoa ilay sambo haingam-pandeha no nosakanana — raha ny mifanohitra amin'izay no voaporofo, dia azo tsaraina ho tsy nanaraka ny lalàna ilay fisamborana.
Tamin'ity herinandro ity, nahazo izy ireo rakitra avy amin'ny alàlan'ny fampiasa iray fanjohiana sidina antsoina hoe Flightware ny Apple Daily News, izay milaza fa nisy fiaramanidina B-LVB an'ny governemanta nanaraka ilay sambo haingam-pandeha nitondra ireo mpikatroka tamin'ny 23 Aogositra mandra-pahatafavoakan-dry zareo ny fari-dranomasin'i Hong Kong.
Namoaka vaovao tao amin'ny Twitter ilay mpikatroka Joshua Wong, izay mpikambana ao anatin'ilay vondrona mpanohana “Save HK 12 youth” (vonjeo ireo tanora 12 avy ao Hong Kong):
#Breaking news by @appledaily_hk: #12hkyouths’ speedboat was allegedly tracked by #Hkgov aircraft before capture. Family members suspect that #HK gov cooperated w/ #China and helped Chinese cops to arrest the 12 #AsylumSeekers after their #refugee route was known. #save12hkyouths pic.twitter.com/439gfBCapz
— Joshua Wong 黃之鋒 ? (@joshuawongcf) October 5, 2020
#VaovaoMafana avy amin'ny @appledaily_hk: voalaza fa nitsongo dia ny sambo haingam-pandeha nitondra ireo #12hkyouths’ (tanora12hk) ny fiaramanidin'ny #Hkgov talohan'ilay fisamborana. Ahiahin'ny fianakaviana ny fisian'ny fiarahamiasan'ny #HK amin'i #China sy nanampiany ireo pôlisy shinoa hisambotra ireo mpikatroka 12 mpitady fialokalofana (#AsylumSeekers) taorian'ny nahafantarana ny làlan-dry zareo handeha handositra #refugee. #save12hkyouths pic.twitter.com/439gfBCapz
— Joshua Wong 黃之鋒 ? (@joshuawongcf) 5 Oktôbra 2020
Nandà tsy haneho hevitra momba ny zavanisy ny GFS. Tamin'ny 6 Oktôbra, nohamafisin‘i Carrie Lam, lehiben'ny mpanatanteraka, fa tsy nisy andraikitra noraisin'ny governemanta ao Hong Kong tamin'ny fisamborana an'ireo 12 ireo.
Andro roa taorian'ny nivoahan'ny tantara avy amin'ny Apple Daily News, nahazo ny rakitra momba ny sidina avy amin'ilay fiaramanidina B-LVB ny “Save HK 12 youth” izay mampiseho fa tafiditra tamin'ilay hetsiky ny GFS tamin'ny 23 Aogositra ny #HKGov:
Internal document proved that HKPF involved in GFS operation on 23 Aug morning. The Government Directory has deleted the contact details of the entire Operations Unit of GFS from its telephone directory.#save12hkyouths pic.twitter.com/inVNbx079J
— save12hkyouths (@save12hkyouths) October 8, 2020
Navoitran'ny taratasy fifandraisana anatin'ny pôlisy ao Hong Kong ny fandraisan'ny HKPF anjara tamin'ilay hetsiky ny GFS tamin'ny marainan'ny 23 Aogositra. Nofafàna tao anatin'ny rejisitry ny antso an-telefaonin'ny governemanta daholo izay fomba rehetra mety hahafahana mifandray amin'ireo sampana mpamita iraky ny GFS .#save12hkyouths pic.twitter.com/inVNbx079J
— save12hkyouths (@save12hkyouths) 8 Oktôbra 2020
Notsipihan'i Joshua Wong fa “P-OPS” no fitomboka nitondràna ilay iraka, fanafohezana ny hoe “police operations”:
2.2/ Time record of mission coincided with that of speedboat;
2.3/ helicopter unit, usually deployed for anti-smuggling or illegal immigrants operations, was instead left unattended;
2.4/ Fly Program stated ‘P-OPS’ (police operations) – aerial surveillance led by Police. pic.twitter.com/ObclpdREiR
— Joshua Wong 黃之鋒 ? (@joshuawongcf) October 8, 2020
2.2/ Nifanandrify tanteraka tamin'ny fotoana voarakitra fa nandehanan'ilay sambo haingam-pandeha no nanaovana ilay iraka;
2.3/ navela hiasa tsy misy fanarahamaso ny rantsana mpandeha angidimby, izay mazàna alefa amin'ireo hetsika fanenjehana mpanao varomazina na mpifindra monina an-tsokosoko;
2.4/ Volazan'ny fandaharam-potoana ho an'ny sidina ny ‘P-OPS’ (police operations) – fanarahamaso an'habakabaka ataon'ny pôlisy pic.twitter.com/ObclpdREiR
— Joshua Wong 黃之鋒 ? (@joshuawongcf) 8 Oktôbra 2020
Ny 8 Oktôbra, nanao hetsipanoherana teo anoloan'ny GFS ilay vondrona mpanohana sy ireo fianakaviana, nitaky fanazavana feno momba ilay iraka an'habakabaka tamin'ny 23 Aogositra:
Protest of families of the 12 detained in Shenzhen outside the government flying service headquarters; soon surrounded by police pic.twitter.com/I0WjCqRXIS
— Kris Cheng (@krislc) October 8, 2020
Hetsipanoherana ataon'ny fianakavian'ireo 12 voatazona ao Shenzhen, eo ivelan'ny foiben-toeran'ny sampandraharaha misahana ny sidina, vetivety foana dia nohodidinin'ny pôlisy pic.twitter.com/I0WjCqRXIS
— Kris Cheng (@krislc) 8 Oktôbra 2020
Ny fitomboan'ny porofo dia nitarika ny olona ao Hong Kong hino hoe nanamora ny fitazonan'i Shina ireo mpikatroka 12 ireo ny pôlisy, toerana izay tsy hananan-dry zareo vintana mihitsy hoe hahazo fitsaràna tsy mitanila:
It’s obviously that hk gov knew the details of this event but they are lying now. It seems that hk police planned with ccp’s authorities to kidnap the 12 hk youth. That’s absolutely ridiculous. Please #save12hkyouths ?? pic.twitter.com/49J0JJq1RT
— 懷疑人生嘅六角恐龍 (@lalAgayauah9753) October 8, 2020
Mivandravandra be fa nahafantatra ny antsipirihany momba ity tranga ity ny governemanta ao Hong Kong, saingy mandainga ry zareo ankehitriny. Toa niaraka nandrafitra ny tetika tamin'ireo manampahefana avy amin'ny antoko kaominisita shinoa ny polisy tao HK mba hakàna an-kery ireo tanora 12 mpikatroka. Tena faran'izay tena mampihomehy. Miangavy vonjeo ireo tanora 12 #save12hkyouths ?? pic.twitter.com/49J0JJq1RT
— 懷疑人生嘅六角恐龍 (@lalAgayauah9753) October 8, 2020