Nomelohina higadra roa taona noho ny sioka iray nataony Twitter tamin'ny taona 2017 momba ny fifandirana arakasa teo amin'ny orinasa mpiompy akoho sy ny mpiasa mpifindramonina ao aminy ny mpanora-gazety thailandey Suchanee (Cloitre) Rungmueanpon.
Tamin'ny 24 desambra 2019 ny Fitsaram-Paritany Lop Buri no nahita an'i Suchanee ho meloka tamin'ny fanalam-baraka raha nisioka tamin'ny septambra 2017 fa nomena baiko ny orinasam-piompiana akoho Thammakaset hanome onitra ny mpiasa “noho ny fanandevozana arakasa”. Mpanangom-baovaon'ny Voice TV i Suchanee tamin'izany fotoana izany.
Voampanga ho ratsy fikarakara ireo mpiasa mpifindramonina miisa 14 tao aminy ny Thammakaset tamin'izany fotoana izany. Nametraka fitoriana maro tany amin'ireo sampandraharahan'ny governemanta ireo mpiasa, izay saika avy any Myanmar ny ankamaroany, tamin'ny filazana fa noterena ry zareo hiasa ora maro mihoatra nefa tsy nahazo tambin-karama, ary ambany noho ny karama farany ambany ny karaman-dry zareo, voafetra ny fahafahan-dry zareo mivezivezy ary noraofina ny pasipaoron-dry zareo.
Taorian'ny famotorana ny Departemantan'i Thailandy misahana ny Fiarovana arakasa sy ny fiarovana ara-tsosialy no nanome baiko ny orinasa hanome onitra ho an'ny mpiasa.
Nampita sioka avy amin'ny tsatoka Twitter avy amin'ny Tambajotran'ny Zon'ny Mpiasa Mpifindramonina niresaka ilay raharaha i Suchanee. Saingy nampangain'ny Thammakaset ilay mpanora-gazety fa manala baraka ny orinasa tamin'ny fampiasana ny voambolana “fanandevozana arakasa” tao amin'ny fanehoan-keviny Twitter.
Manampy izany, nampangain'ny Thammakaset ireo mpiasany taloha, eny fa na hatramin'ny mpiaro ny zon'olombelona nanandrateny tamin'ity raharaha ity ho manala baraka.
Tamin'ny febroary 2019, fikambanam-piarahamonina sivily maro no nanasonia taratasy iray mandrisika ny manampahefana thailandey hitsipaka ny raharaham-pitorian'ny orinasa mpiompy akoho:
The complaints by Thammakaset appear to be reprisals brought to harass human rights defenders involved in exposing abuses. Such reprisals interfere with the work of human rights defenders and prevent the implementation of labor rights protections.
Hita ho valifaty natao hanositosehana ireo mpiaro ny zon'olombelona niditra antsehatra tamin'ny famoahana ho hitam-bahoaka ny fihoaram-pahefana ny fitorian'ny Thammakaset. Manohintohina ny asan'ny mpiaro ny zon'olombelona ny valifaty tahaka izany ary misoroka fampiorenana ny zo arakasa.
Afaka noho ny fandoavana solofonja i Suchanee amin'izao fotoana izao. Mikasa ny hampakatra ny raharaha izy.
Dear All
Thank you very much for your support. I got no choice but need to be strong. At least for my baby boy.
Suchanee Cloitre
— Suchanee Rungmueanpon (@suchaneeR) December 26, 2019
Ry havana,
Mankasitraka indrindra tamin'ny fanohananareo. Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny hatanjaka aho. Farafaharatsiny ho an'ny zazalahikeliko.
Suchanee Cloitre
Notabatabainy ihany koa ny toeran'ny fahalalaham-pitenenana ao Thailandy nandritra ny antsafa media iray:
There is a high level of self-censorship in Thailand…When you forbid freedom of expression… you forbid an open society.
Avo ny fanivanantena eto Thailandy… Rehefa rarànao ny fahalalaham-pitenenana… rarànao ny fiarahamonina misokatra.
Melohin'ireo mpanandra-pitenenana amin'ny media sy ny mpiaro ny zon'olombelona ny fanasaziana a,'i Suchanee. Tsikerain'ny Komity mpiaro ny mpanora-gazety ny fanapahan-kevitry ny fitsarana:
Journalists should never be jailed for their critical commentary on issues of public import. It’s high time Thailand repealed its draconian and abusive criminal defamation law.
Tsy tokony higadra mihitsy noho ny fanehoan-kevitra mitsikera amin'ny raharaham-bahoaka ny mpanora-gazety. Fotoana indrindra izao hanesorana ity lalànan'ny fanalam-baraka henjana sy mihoa-pefy ity.
This is an outrageous sentence in a case that should never have even been entertained by the court. A complete farce. But one that will likely have a chilling effect on #Thai journalistic freedom #SLAPP #Thammakaset #HRDs https://t.co/91wBIt2Fiz
— Patrick Phongsathorn (@patrickphongsa) December 24, 2019
Didy manafintohina amin'ny raharaha iray izay tsy tokony ilalaovan'ny fitsarana velively. Hatsikana ranoiray. Saingy ny iray izay mampisy fiantraikany iray mampihemotra amin'ny fahalalahana ara-panoratan-gazety.
Cartoon by Stephff on the use of defamation law against journalists pic.twitter.com/xB0qJaxmtj
— Prachatai English (@prachatai_en) December 27, 2019
Sariitatr'i Stephff amin'ny fampiasana ny lalànan'ny fanalam-baraka hamelezana ny mpanora-gazety
Jereo ity video (lahatsary) fohy ity handrenesanao ny sasantsasany amin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpiasa nitory arakasa ny Thammakaset eto ambany ity: