21 Oktobra 2019

Tantara tamin'ny 21 Oktobra 2019

Minya: Manana tantara maro hafa ireo mpandray anjara amin'ny atrikasa

Rising Voices  21 Oktobra 2019

Tantaran-tsedra no mipoitra anatin'ilay tetikasa Women of Minya Day by Day, saingy teo koa ny faharetana nandresena ireo fanamby ireo. Manome fahafahana ireo vehivavy haneho ny heviny momba ireo olana mahakasika ny tenany ireo atrikasa omen'ny New Woman Foundation, indrindra momba ireo lohahevitra mikasika ny fahasalamana sy ny zony ara-dalàna.

Minya: Feon'ambanivohitra maro hafa avy ao Dawadeyya

Rising Voices  21 Oktobra 2019

Amin'ny maha isan'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices ny Women of Minya Day by Day, manohy mizara ny heviny momba ireo fiovàna farany niseho tao amin'ny fiarahamonina Egyptiana ireo vehivavy monina ao ambanivohitr'i Dawadeyya (Minya, Egypta), no sady manoratra momba ny fiainany manokana any an-tranony.

Vonjitaitra ao Pakistana 2007

  21 Oktobra 2019

Ny 3 Novambra 2007, nanambara ny Filohan'i Pakistana, Pervez Musharraf, fa latsaka an-katerena ny firenena. Notapahana ireo fantsona fahitalavitra tsy miankina, nosakanana ireo finday tao an-toerana ary nahena ny fidirana Aterineto. Novalian'ireo bilaogera io toejavatra io, na dia mety hampidi-doza ny fiarovana ny tenany aza ny fanakianana ny governemanta sy ny fanaovana hetsika.

Taratasim-pifandraisan'ny mpandika: Amazon, Google Translate, & maro hafa!

Blaogim-Piarahamonina GV  21 Oktobra 2019

(Fanamarihana : Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2015) Tratry ny Alatsinainy finaritra daholo isika! Antenaiko fa tsara fanombohana ny herinandronareo tsirairay avy! Androany eto amin'ny tanin'ny mpandikateny, horesahantsika ny… Asa fandikana vatsian'ny Amazon VAOVAO GOAVANA! Ny 13 Oktobra 2015, nanambara ny marik'i Amazon, AmazonCrossing, fa hahazo vola 10 tapitrisa dolara...