Toerana bitika no avelan'ny lalao politika ho an'ny vehivavy aty Afrika, sy any an-kafa. Na izany aza, mitatitra vehivavy roa ambin'ny folo ny kaontinanta, anisan'izany ny vehivavy nitarika nisolo toerana fito avy amin'ny firenena 10 amin'ny fitambaran'ny vehivavy enimpolo eran-tany nitàna io toerana io.
Iray amin'ireo mpisava lalana amin'ity sehatra ity i Ellen Johnson Sirleaf, teraka tamin'ny taona 1938: Filohan'i Liberia nanomboka tamin'ny 16 Janoary 2006 ka hatramin'ny 22 Janoary 2018, izy no filoha vehivavy voalohany voafidy tamin'ny fifidianana eran-tany taty Afrika. Mpahay toekarena tamin'ny fiofanana, niasa ho Sekreteram-panjakana misahana ny Fitantanam-bola izy, ary minisitry ny Fitantanam-bola teo anelanelan'ny 1979 sy 1980. Nanamafy ny fanoloran-tenany hiady amin'ny jadona ao amin'ny firenena ny fanonganam-panjakana nataon'ny filoha teo aloha Samuel Doe tamin'i William Richard Tolbert, filoha tamin'izany, izay namoy ny ainy niaraka tamin'ny minisitra telo ambin'ny folo.
Nalefa an-tsesitany an-keriny, niverina nanohitra ny fitondran'i Doe izy. Norahonana ho faty, niverina tany Etazonia izy tamin'ny taona 1985 mba hanohy ny fianarany, talohan'ny niverenany indray tamin'ny taona 2005 mba hirotsaka ho fidiana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ho an'ny Parti de l'Unité (Antokon'ny Firaisankina) ka nahazoany vato 59,4% tamin'ny 8 Novambra 2005 manoloana an'i George Weah, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena Liberiana teo aloha. Taorian'ny nahavoafidy azy, dia miezaka ny hanala ny tanindrazany ao anatin'ny lisitry ny Pays Pauvres Très Endettés (PPTE) (Firenena Mahantra Be Trosa ) izy. Voafidy indray izy tamin'ny taona 2011 ho an'ny fe-potoam-piasana faharoa izay nifarana tamin'ny Janoary 2018.
Mavitrika ao amin'ny kaontiny Twitter izy:
As president, I fought for all girls to have free & compulsory primary #education. On #IDWGIS, I urge all African leaders to prioritise access to #STEM education & careers for women & girls, which will help build an inclusive & sustainable future for our continent. https://t.co/CpMOXdxEUq
— Ellen Johnson Sirleaf (@MaEllenSirleaf) February 11, 2023
Amin'ny maha filoham-pirenena ahy, dia niady aho mba hananan'ny zazavavy rehetra #fianarana ambaratonga fototra maimaim-poana sy tsy maintsy atao. Ao amin'ny #IDWGIS, mamporisika ny mpitondra Afrikana rehetra aho mba hanao ho laharam-pahamehana ny fidirana amin'ny fanabeazana sy ny fikarakarana ny #STIM ho an'ny vehivavy sy tovovavy, izay hanampy amin'ny fananganana hoavy iraisana sy maharitra ho an'ny kaontinantantsika.
Afrikana miavaka iray hafa i Joyce Banda, teraka tamin'ny taona 1950, ary filoha lefitr'i Malawi teo ambany fitarihan'i Bingu wa Mutharika: lasa filoham-pirenena taorian'ny fahafatesan'ity farany tampoka izy tamin'ny 7 Aprily 2012 ity, ary nitondra ny firenena nandritra ny roa taona. Nandritra ny fe-potoam-piasany dia nikasa hamerina ny fifandraisana tsara amin'ireo firenena mandroso izy, indrindra amin'ny fanafoanana ny fitontongan'ny kwacha (vola Malawi) mba hahafahana manohy indray ny fanampiana iraisam-pirenena. Mampanantena ihany koa izy fa hampitsahatra ny fanasaziana ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy, iray amin'ireo fepetra napetraky ny mpitondra tandrefana amin'ny famerenana indray ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana. Na dia nahazo ny fampiatoana ny lalàna manameloka ny fiarahan'ny samy lehilahy na samy vehivavy aza izy tamin'ny volana Novambra 2012, dia tsy nisy lalàna nanafoana ny lalàna taloha.
Tamin'ny taona 2013, notondroin'ny Forbes ho vehivavy faha-47 mahery indrindra eran-tany, vehivavy manan-kery indrindra eto Afrika izy. Mbola mavitrika ara-politika eo amin'ny sehatra Afrikana i Banda: anisan'ny delegasionan'ny International Republican Institute (IRI) sy National Democratic Institute (NDI) izy tamin'ny fanarahamaso ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin'ny 25 Febroary 2023 tany Nizeria.
#NigeriaElections2023 NDI/IRI joint Nigeria elections observation mission. The @NDI/@IRIglobal Joint Election Observation Mission presented its preliminary statement about the February 25 presidential and National Assembly elections. Proud to be part of this successful mission. pic.twitter.com/8EIh3l9AaK
— H.E. Dr. Joyce Banda (@DrJoyceBanda) February 27, 2023
#NigeriaElections2023 Iraka fanarahamaso iraisana NDI/IRI ny Fifidianana. Namoaka fanambarana savaranonando momba ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin'ny 25 febroary ny @NDI/@IRIglobal misahana ny fanarahamaso ny fifidianana. Mirehareha amin'ny maha-isan'ity iraka nahomby ity.
Vehivavy roa hafa no voafidy ho filoham-pirenena any Afrika: Sahle-Work Zewde izay voafidin'ny Antenimieram-pirenena Etiopiana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 25 Oktobra 2018. Izy no vehivavy voalohany nitàna io toerana io, ary iray amin'ireo vehivavy roa lehibem-panjakana eto amin'ny kaontinanta afrikanina.
Nitantana ny fiadidian'ny nosy Maorisy i Ameenah Gurib-Fakim tamin'ny volana Jona 2015 ka hatramin'ny taona 2018. Mpahay simia sy mpikaroka malaza momba ny fitsaboana amin'ny zava-maniry (phytotherapie) sy ny tontolon-javamiaina, niasa tamin'ny fanentanana momba ny fiakaran'ny mari-pànan'ny toetrandro izy.
Filohan'ny tetezamita
Vehivavy hafa koa no efa nitànta ny toerana maha filoha tamin’ny tetezamita politika. Cathérine Samba Panza no nitarika ny Repoblikan’i Afrika-Afovoany nandritra ny krizy nanomboka tamin’ny Janoary 2014 ka hatramin’ny Martsa 2016, taorian’ny fametraham-pialan’ny filoha Michel Djotodia. Mpikatroka ny zon'ny vehivavy, nandresy an'i Désiré Kolingba, zanaky ny filoha teo aloha André Kolingba izy. Ny hafany voalohany dia ny fiantsoana ireo mpikomy hametraka ny fitaovam-piadiany mba hiara-manorina ny firenena.
Izy koa no vehivavy Afrikana-Afovoany voalohany lasa filoham-panjakana. Nanambara ny tenany ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa i Panza izay tsy manana antoko politika tamin'ny volana Aogositra 2020, saingy 0,9%-n'ny vato monja no azony. Nampitain'ny Rfi tao amin'ny kaontiny twitter ny hafany.
💬🇨🇫 «Face à la dégradation de la situation sécuritaire et humanitaire de la #Centrafrique, de nombreux appels m’ont exhorté à solliciter à nouveau le suffrage de mes compatriotes.» Catherine Samba-Panza, candidate à la présidence.
►Invitée Afrique de @Kpenahiss #RFImatin 👇 pic.twitter.com/rw6EBxavVE— RFI (@RFI) August 31, 2020
“Manoloana ny fiharatsian'ny toe-draharaha ara-pilaminana sy maha-olona ao amin'ny #Repoblika #Centrafrique, marobe ny antso nanentana ahy mba hiditra indray hahazo ny fandatsaham-baton'ny mpiray tanindrazana amiko.” Catherine Samba-Panza, kandidà ho filoham-pirenena.
Tany Afrika Atsimo, filoha vonjimaika nandritra ny iray andro nanomboka tamin’ny 24 ka hatramin’ny 25 septambra 2008 i Ivy Matsepe-Cassaburi. Torak’izany koa i Carmen Pereira, izay nitarika ny Parlemanta cap-verdiana (mbola tafaray tamin’i Guinée-Bissau i Cape Verde tamin'izany) nanomboka tamin’ny taona 1975 ka hatramin’ny taona 1980 ary nitàna ny toeran'ny filoha nandritra ny telo andro tamin'ny taona 1984.
Tany Burundi, praiminisitra i Sylvie Kinigi, teraka tamin'ny taona 1952, nanomboka ny 10 Jolay 1993 ka hatramin'ny 7 Febroary 1994, avy eo Filoha Vonjimaika nanomboka ny 27 Oktobra 1993 ka hatramin'ny 5 Febroary 1994. Nanosika azy hitàna ireo toerana roa ireo ny kisendraseran'ny ady an-trano. Tamin'ny volana Janoary 1994, nofidìn'i Parlemanta ho filoha i Cyprien Ntaryamira, nametra-pialana tsy ho Praiminisitra i Kinigi ary nandao ny firenena.
Tany Gabon, Rose Francine Rogombé amin'ny maha-filohan'ny Antenimieran-doholona azy, no filoha vonjimaika nanomboka tamin'ny volana Jona ka hatramin'ny Oktobra 2009, taorian'ny nahafatesan'ny filoha Omar Bongo tamin'ny 8 Jona 2009, fotoana nanomanana ny fifidianana izay nandresen'i Ali Bongo, zanaka lahin'ny filoha efa maty. Rehefa avy nitarika tetezamita fakan-tahaka amin'ny fikarakarana fifidianana izy dia nanohy ny asany tao amin'ny Antenimieran-doholona. Amin'ny maha-filohan'ny Fikambanan'ny Mpitsara Gaboney azy, sy Sekreteram-panjakana misahana ny Fampandrosoana ny Vehivavy tamin'ny taona 1980, dia namirapiratra izy tamin'ny asa ara-politika fakan-tahaka. Maty tamin'ny volana Aprily 2015 teo amin'ny faha-73 taonany izy.
Filoha mpisolo toerana tao amin'ny Filankevitry ny Fanjakana Liberia i Ruth Perry nanomboka ny 3 Septambra 1996 ka hatramin'ny 2 Aogositra 1997, taorian'ny ady an-trano voalohany tao amin'ny firenena. Araka ny hita tokoa, nifampiraharaha momba ny fampitsaharana ny ady teo amin'ireo ankolafy niady tao Liberia ny Fiarahamonina Ara-toekaren'ny Firenena Afrikana Andrefana (CEDEAO) tamin'ny 18 aogositra 1996 ary nanambara fa hisolo an'i Wilton Sankawulo ho Filohan'ny Filankevitry ny Fanjakana ao anatin'ny governemanta vonjimaika i Perry.
Nahitana vehivavy mpitantana ny raharaham-panjakana ihany koa i Tanzania. Lasa vehivavy voalohany nitarika ny firenena i Samia Suluhu Hassan taorian'ny nahafatesan'i John Magufuli tao Tanzania. Voafidy ho filoha lefitra tamin’ny taona 2015 ary voafidy indray tamin’ny taona 2020, hitàna izany toerana izany izy hatramin’ny taona 2025.
Mampiseho ny herin’ny vehivavy mpanao politika aty Afrika ireo ohatra ireo, na dia mbola vitsy an’isa ry zareo amin’ity sehatra ity.