Taolana tapaka, ratra anaty: Mampiasa paikady ‘sahisahy, tsy manavaka’ ny polisin'i Hong Kong mandritra ny fihetsiketsehana, hoy ny Amnesty
Ny lahatsoratra etoana dia nosoratana sy navoakan'i Jennifer Creery voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 20 Septambra 2019. Nivoaka indray ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Tatitra vaovao avy amin'ny FTMF Amnesty International no milaza fa mampiasa paikady sahisahy sy herisetram-balifaty amin'ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana mandritra ny asara ny polisin'i Hong Kong, ka miafara amin'ny ratra tahaka ny fahatapahan-taolana sy ratra anaty.
Ny tatitra — izay mifototra amin'ny antsafa miisa 38 tamin'ireo nosamborina, mpiasan'ny fitsaboana sy mpisolovava, ary fijerena indray ny sarimihetsika — no manome antsipirihany ny “kisary mahatohina” amin'ny fihetsika tsy mety ataon'ny polisy nandritra ny 15 herinandro nanaovana fihetsiketsehana tao an-tanàna, fihetsika izay lazain'ny Amnesty fa indraindray tonga hatramin'ny fampijaliana ara-batana. Niteny i Nicholas Bequelin, talen'ny Amnesty ao Azia Atsinanana:
The Hong Kong police’s heavy-handed crowd-control response on the streets has been live-streamed for the world to see. Much less visible is the plethora of police abuses against protesters that take place out of sight. The evidence leaves little room for doubt — in an apparent thirst for retaliation, Hong Kong’s security forces have engaged in a disturbing pattern of reckless and unlawful tactics against people during the protests.
Nalaina sy nalefa mivantana ho hitan'izao tontolo izao ny setriny mavesatra sy fifehezam-bahoaka ataon'ny polisin'i Hong KOng eny an'arabe. Tsy dia hita kokoa ny fihoaram-pefy maro dia maro ataon'ny polisy amin'ny mpanao fihetsiketsehana any amin'ny takona. Fa kely ny fisalasalana avelan'ny porofo, fa ao anatin'ny hetahetam-balifaty, fa miditra kisary mahatohina amin'ny paikady sahisahy sy tsy manara-dalàna hamelezana ny olona mandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny hery mpitandro filaminan'i Hong Kong.
Ao amin'ny tatitra ataony ilay FTMF manonona ny fampiasana tafahoatra ny hery, daroka, fisamborana an-tondromolotra, fanivaivana ary fanemorana ny fahazoa-mitsabo sy torohevitra ho ohatra amin'ireo paikady ireo, ary manamarika ireo manamboninahitra sangany — fantatra amin'ny hoe “mpaka an-keriny” — ho tena mpanao izany fomba izany.
Mihoatra ny 1400 ny olona nosamborina tao Hong Kong nandritra ny asaram-piavaham-peo, nateraky ny volavolam-pampodiana-fandroahana izay mety ho nahafahana namindra olona ho any Shina isaky ny raharaha fa efa najanona. Niofo ho fampisehoan-kerisetra indraindray ny fihetsiketsehana manoloana ny fanitsakitsahan'i Beijing sy ny filazana ho fitratrevatrevan'ny polisy, ankoatra ireo fandratrana hafa.

Sarintany mampiseho ireo fisamborana mifandraika amin'ny fihetsiketseham-panoherana noraketin'ny Amnesty International nanomboka volana jolay ka hatramin'ny Septambra 2019. Data nalaina avy amin'ny , HKGISK. Saripika: Amnesty International.
Niantsafa tamin'ny olona nosamborina miisa 21 ny Amnesty, ka ny 18 nampidirina hopitaly noho ny figidragidrana azy ireo, ary ny telo nandany dimy andro tany amin'ny hopitaly faharahakeliny.
‘Tsy afa-niaina aho’
Niteny tamin'ny Amnesty ny lehilahy iray fa, nidaroka azy ireo manamboninahitra ary nandrahona ny hanapaka ny tanany raha vao miezaka ny hiaro tena eo rehefa tsy nety namaly fanontaniana nandritra ny fisamborana azy tao amin'ny Zaratany Vaovao tamin'ny volana aogositra. Voatsonga tao amin'ny tatitra izy:
I felt my legs hit with something really hard. Then one [officer] flipped me over and put his knees on my chest. I felt the pain in my bones and couldn’t breathe. I tried to shout but I couldn’t breathe and couldn’t talk.
Tsapako hoe nidona tamin-javatra tena mafy ny tongotro. Avy eo niakatra teo amboniko ny manamboninahitra iray ary nanindry ny tratrako tamin'ny lohaliny. Tsapako ny hirifiry tamin'ny taolako ary tsy afa-niaina aho. Niezaka aho ny hihiaka fa tsy afa-niaina aho ary tsy afa-niteny.
Nampidirina hopitaly nandritra ny andro maromaro io lehilahy io taty aoriana fa nisy taolana tapaka sy ratra anaty. Nitatitra ihany koa izy fa nanery nanokatra ny masony ny manamboninahitra iray ary nandefa taratra laser tao, sady nilaza hoe, “Tsy tia manondrotondro ity amin'ny olona moa ianao?”
Nampiasaina tokoa ny lasers nandritra ny fihetsiketsehana hanorisorenana ireo manamboninahitra ary tamin'ny volana aogositra 2019, nisambotra mpianatra iray noho ny hoe fananana fitaovam-piadiana fanafihana ny polisy rehefa hita fa nitondra fanondroana laser miisa folo izy.
Lehilahy iray hafa, izay niaritra fahatapatapahana maromaro tamin'ny tanany nandritra ny fisamborana azy tamin'ny volana aogositra, no nilaza fa na dia teo aza ny fiangaviana hitondrana azy ho entina any amin'ny hopitaly dia tsy nekena ny hitsaboana azy nandritra ny adiny dimy raha mbola nohazonina.
Olona roa hafa noantsafaina indray nanoritsoritra ny fotoana namonkonana (gadrafohy) azy teny an'arabe sy noterena hifoka etona mandatsa-dranomaso nandritra ny fotoana maharitra.
Mitsipaka hatrany ireny fihetsika tsy mety ireny ny solontenan'ny polisy, milaza fa ny hery kely indrindra ilaina no ampiasain'ny manamboninahitra ary araka izay tena antonony no ataon-dry zareo mandritra ny fihetsiketseham-panoherana.
Nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanora-gazety vao haingana, Tse Chun-chung, Lehiben'ny sampana Fifandraisana amin'ny vahoaka ao amin'ny polisy, no nilaza fa tsy ampy tokotanin-tsehatra ny tatitra nataon'ny Amnesty:
Those missing links, they basically did not mention clearly about the social environment in Hong Kong in recent months. I must re-emphasise that we are facing an unprecedented challenge to the rule of law.
Police are duty-bound to enforce the law impartially in these situations. Given this social environment, where a large number of radical protesters break the law recklessly, it is increasingly difficult for Police to enforce the law.
Ny tsy ampy dia tsy nanonona mazava momba ny tontolom-piarahamonina eto Hong Kong tao anatin'ny volana vitsivitsy ry zareo. Tsy maintsy manasongadina indray aho fa miatrika fanamby tsy mbola nisy toy izany hampanjaka ny lalàna.
Manana andraikitra ny polisy hampihatra tsy ankanavaka ny lalàna amin'ny toe-javatra tahaka izany. Noho io tontolom-piarahamonina io, dia maro ireo mpanao fihetsiketsehana hiringiriny sahisahy manitsaka ny lalàna, lasa mihasarotra ny mampihatra ny lalàna ho an'ny polisy.
Na izany aza, mialoha ny fivoahan'ny tatitra, nitatitra i Bequelin fa fanitsakitsahana mazava amin'ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena ireo fihoaram-pefy noraketin'ny Amnesty:
Time and again, police officers meted out violence prior to and during arrests, even when the individual had been restrained or detained. The use of force was therefore clearly excessive, violating international human rights law.
Given the pervasiveness of the abuses we found, it is clear that the Hong Kong Police Force is no longer in a position to investigate itself and remedy the widespread unlawful suppression of protesters. Amnesty International is urgently calling for an independent, impartial investigation aimed at delivering prosecutions, justice and reparation, as there is little trust in existing internal mechanisms such as the Independent Police Complaints Commission.
Averina indray, mampiasa herisetra ny polisy mialoha sy mandritra ny fisamborana, eny fa na dia efa tsy afa-mihetsika sy voatazona aza ilay olona. Hita tokoa fa tafahoatra ny fampiasan-kery, manitsakitsaka ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena.
Amin'ny fahabetsahan'ny fihoaram-pefy tsikaritray, dia miharihary fa tsy eo amin'ny toerana ahafahany manao famotorana intsony ka hanefitra amin'ny fiparitahan'ny famoretana tsy ara-dalàna atao amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny polisin'i Hong Kong. Manao antso maika ny Amnesty International ny hanaovana famotorana mahaleotena sy tsy mitongilana natao hitondra mankany amin'ny fitsarana, mitady ny rariny ary manonitra, tsy itokisana loatra ireo rafitra anatiny efa misy toy ny Vaomiera Mahaleotenan'ny Polisy mandray fitarainana.

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Desambra 2019 18 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 167 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...