Nanao fangatahana tany amin'ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina ireo mpiaro ny zon'olombelona noho ny fitazonana ilay Nizeriana mpitarika hetsi-panoherana

Omoyele Sowore. Pikantsary avy amin'ny antsafa tao amin'ny CNBCAfrica, 13 Desambra 2018.
Ny 23 Aogositra, fikambanana mpiaro ny zon'ny fampitam-baovao sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety miisa 48 no nanao fitarainana tany amin'ny Firenena Mikambana (ONU) sy ny Vaomiera Afrikana misahana ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka noho ny fitazonana am-ponja tsy ara-drariny ilay mpikatroka Nizeriana Omoyele Sowore.
Nanamafy ny vondrom-pikambanana iraisampirenena sy Afrikana, izay ahitana ny Global Voices any Afrika Atsimon'i Sahara, ny Open Society ho an'ny Afrika Andrefana, Tondro amin'ny Sivana, ary ny Article 19 Afrika Andrefana fa nanitsakitsaka ankitsirano ny zon'olombelona ananany sady nanitsakitsaka ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety sy ny fanadihadiana an-gazety any Nizeria ny fitazonana an'i Sowore.
Kandidà ho filoham-pirenena tamin'ny fifidianana tany Nizeria natao ny 23 Febroary tamin'ity taona ity i Sowore izay mpamoaka vaovao avy amin'ny tranokalam-baovao an-tserasera mpanao fanadihadiana Sahara Reporters. Nosamborina araka ny andinin-dalàna faha 27 (1) ao amin'ny Lalànan'ny Fampihorohoroana 2011 i Sowore . Mety higadra mandrapahafaty, handoa lamandy na izy roa miaraka izy raha voampanga sy meloka .
Nosamborin'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-pirenena (SSS) tany Lagos, Nizeria i Sowore ny 3 Aogositra taorian'ny niantsoany ny fihetsiketsehana “#RevolisionaAnkehitriny” hanoherana ny tsy fahaiza-mitantan'ny governemanta .
Vakio bebe kokoa: Nigerian activist arrested for calling for a nationwide #RevolutionNow protest movement
“Noforonina fotsiny mba hampanginana an'i Sowore” ny fisamborana sy ny fitazonana azy
Ireo vondrom-pikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety miisa 48 dia nangataka tany amin'ny Vondronasa ONU misahana ny Fanagadrana tsy Ara-drariny , ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'ny fahalalahana manatanteraka fivoriambe am-pilaminana sy ny zo (hanangana) fikambanana, ary ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny toe-javatra iainan'ny mpiaro ny zon'olombelona amin'ny “fiantohana ny famoahana avy hatrany an'i Sowore”. Hoy izy ireo tao anatin'ny fangatahan'izy ireo—izay nomena ihany koa ny iraka manokana misahana ny zon'ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon’ ireo mpiaro ny zon'olombelona avy amin'ny Vaomiera Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka—hoe :
We request that you urgently intervene to secure the immediate release of Mr Sowore and declare his arrest and detention a gross violation of his human rights, including the right not to be arbitrarily detained as protected by Article 9(1) of the International Covenant on Civil and Political Rights (ICCPR) and Article 6 of the African Charter on Human and Peoples’ Rights (the Banjul Charter); the right to a fair trial as protected by Article 14 ICCPR and Article 7 of the Banjul Charter; the right to freedom of expression as protected by Article 19 ICCPR and Article 9 of the Banjul Charter; the right of freedom of peaceful assembly and of association as protected by Articles 21 and 22 ICCPR and Articles 10 and 11 of the Banjul Charter; and his rights as a human rights defender as outlined in the 1999 UN Declaration on Human Rights Defenders and 2017 African Commission Cotonou Declaration on strengthening and expanding the protection of all Human Rights Defenders in Africa.
Mangataka izahay mba hidiranareo an-tsehatra haingana mba hiantohana ny famotsorana avy hatrany an'Atoa Sowore ary hanambara ny fisamborana sy ny fitazonana azy ho fanitsakitsahana tanteraka ny zon'olombelona, anisan'izany ny zo tsy tokony hotànana am-ponja tsy ara-drariny araka ny voalazan'ny Andininy faha-9 (1) amin'ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Ara-politika (ICCPR) sy ny Andininy faha-6 amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka (ny Satan'ny Banjul); ny zo hahazo fitsarana ara-drariny araka ny voalazan'ny Andininy faha-14 amin'ny ICCPR sy ny Andininy faha-7 amin'ny Sata Banjul; ny zo amin'ny fahalalaham-pitenenana araka ny Andininy faha-19 amin'ny ICCPR ary ny Andininy faha-9 amin'ny sata Banjul; ny zo amin'ny fahalalahana amin'ny fivoriana am-pilaminana araka ny andininy faha-21 sy 22 amin'ny ICCPR sy ny Andininy faha-10 sy faha-11 amin'ny Sata Banjul; ary ny zony amin'ny maha mpiaro ny zon'olombelona azy araka ny voasoritra ao amin'ny Fanambarana nataon'ny ONU tamin'ny taona 1999 momba ireo Mpiaro ny Zon'olombelona sy ny Fanambaran'ny Komisiona Afrikanina tany Cotonou momba ny fanamafisana sy ny fanitarana ny fiarovana ny Mpiaro ny Zon'olombelona rehetra aty Afrika.
Anisan'ny nanao sonia ireo fifanarahana ireo i Nizeria ka manitsakitsaka mivantana ny lalàna iraisampirenena noho izany ny fanagadrana an'i Sowore.
Nanambara ihany koa ny fikambanana iraisampirenena sy eo an-toerana momba ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety fa “tsy mari-pototra ny fisamborana an'i Sowore noho ny antony filazana fa nohahiahiana tamin'ny fampihorohoroana izy”:
Sowore did what he has done throughout his career as a journalist and human rights activist: exercise his right to freedom of expression and seek to bring about change through peaceful means, in this case a peaceful protest. The use of the emotive term “revolution” merely underlines his desire for transformative change in what he considers the shortcomings of the current government. There are strong suspicions that Sowore’s arrest stems from other motives than suspicions of terrorism. This is further highlighted by the fact that the authorities failed to define a charge against him for the first few days after his arrest; the investigations that were subsequently instigated against him under the Terrorism Act were clearly only created to serve the purpose of silencing Sowore.
Nanao izay tokony nataony nandritra ny asany i Sowore amin'ny maha-mpanao gazety azy sy amin'ny maha-mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona azy tamin'ny fampiharana ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fikatsahana ny hitondra fanovana amin'ny fomba milamina, izay hetsika am-pilaminana amin'ity tranga ity. Manasongadina fotsiny ny faniriany hanao fanovana lalina amin'izay heveriny fa lesoka ataon'ny governemanta ankehitriny ny fampiasana ilay teny mampihetsi-po hoe “revolisiona” . Ahiana mafy fa avy amin'ny antony hafa ny fiahiahiana azy hanao asa fampihorohoroana nisamborana an'i Sowore. Mbola nasongadin'ny zava-misy tamin'ny tsy fahombiazan'ny tompon'andraikitra tamin'ny famaritana ny fiampangana azy nandritra ny andro maromaro izany taorian'ny nisamborana azy; hita mazava fa noforonina mba hampanginana an'i Sowore ny fanadihadihana natao taty aoriana araka ny Lalàna miady amin'ny Fampihorohoroana .
Mbola tsy notsaraina manoloana ny fitsarana mahefa sady tsy mbola voapanga tamin'ny fomba ofisialy i Sowore. Saingy, nanaiky ny fangatahana avy amin'ny SSS ny fitsarana tao Abuja tamin'ny 8 Aogositra amin'ny hitazonana azy mandritra ny 45 andro mba hanaovana fanadihadiana araka ny Lalànan'ny Fampihorohoroana. Mbola tsy nahomby hatreto ny ezaka nataon'ny mpisolovava an'i Sowore, Femi Falana izay mpisolovava matihanina ao Nizeria, amin'ny fangatahana ny famotsorana azy.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...