Ireo lahatsoratra tselika an'ny Facebook: Avereno fafàna ireo lahatsoratrao raha nisy fanitsiana manan-danja natao

 (Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2018)

TL;DR: rehefa manavao lahatsoratra iray efa navoaka ianao, ny an'ny Facebook ho lany andro, tsy maintsy mampiasa an’ity fitaovana fanaovana ‘debogage’ an'ny facebook ity ianao mba “hanadiovana” an'ireo lahatsoratrao raha toa nisy fanovàna manan-danja natao an'izany lahatsoratra izany.

NY TANTARA: Nosimbàn'ny Facebook ny plugin-ndry zareo ka tsy maintsy ho porofoiko aminy izany

Sary 1 – Mampiavaka ny Facebook ireo lahatsoratra tselatra, faran'izay haingana indrindra amin'ireo lahatsoratra ataontsika aseho ho an'ireo mpampiasa FB amin'ny finday. Pikantsary avy amin'i  Jer Clarke.

Nitarika famafàna asa iray tena manan-danja tsy nisy fampilazàna, ny fanovàna plug-in IA iray nampiasainay nefa tsy nampiomànana. Nandany andro maro aho hahatakarana azy, sy hiadiana hevitra tamin'ireo mpitrandraka ary mba hanaporofo tamin'izy ireo fa goavana ny olana. Azonareo atao ny mamaky mihoatra lavitra noho izay irianareo ho fantatra mikasika an'ireo antsipirihan'ny olana ao amin'zany rohy izany, saingy tsy mandrisika loatra aho.

Mbola mitranga hatrany ny olana, saingy ny fiziriziriako fara-faharatsiny mba naneken'izy ireo ary nanomezany toky mba hamoronana fanàfana iray. Saingy indrisy, toa tsy vetivety izany fanàfana izany, hatreto aloha dia ilaintsika ny manova fihetsika sy manao dingana fanampiny.

NY OLANA: hafatra lany andro ho an'ireo mpampiasa ny fampiharana Facebook amin'ny finday

Ireo lahatsoratra tselika amin'ny Facebook (ireo lahatsoratsika ao amin'ny Facebook) tsy hanaraka ny toetrandro rehefa mamerina mitahiry indray ianao ny lahatsoratra iray efa nivoaka teo aloha ao anaty WordPress ianao, na dia mety hiaraka amin'ny vava aza no hanavaozan'ny IA tamin'ireo dika tany aloha amin'ny plug-in. Rehefa kirainao ny lahatsoratra iray, mila mahazo antoka ianao hoe hitan'ireo mpampiasa Facebook ireo fanovàna nataonao.

Hatreto aloha, tsy izay no zava-misy. Mandrapaha, hahita ilay lahatsoratra tahaka izay nisy tamin'ny fotoana nisian'ny famoahana voalohany ihany ireo mpampiasa ny fampiharana FB amin'ny finday tahaka izay nivoahany tany am-boalohany indrindra, miaraka amina fanovàna mandeha ho azy fotsiny isaky ny 30 andro.

NY VAHAOLANA: Ampiasao ilay fitaovana “Sharing Debugger” mba hamaritana indray ny rohy

Pikantsary mikasika ny “Sharing Debugger” miaraka amin'ny bokotra Fipasohana indray hita tsara.

Manolotra fitaovana iray antsoina hoe “Sharing Debugger” ny Facebook izay tsy natokana ho an'io asa io akory, nefa mandeha ihany na izany aza.

Rehefa mandefa fanavaozana manandanja iray ho ana lahatsoratra iray ianao, dia mandeha any amin'ny Sharing Debugger, mametraka ny rohin'ilay lahatsoratra izay navaozinao, avy eo, eo amin'ny efijery izay mipoitra aorian'io, tsindrio eo amin'ilay hoe “Pasohy indray”. Haniraka ny Facebook hanamarina ilay lahatsoratra izany ary hanavao ny IA ao aminy.

Ilaina manokana ihany koa io fitaovana io isaky ny tsy maintsy hanao fanavaozana ireo topimaso zaraina ao amin'ny Facebook ianao (miseho ny sary sy ny lohateny mizara hafatra iray ianao). Efa nanoratra mikasika ny Sharing debugger aho mba hanitsiana an'ireo topimaso nozaraina tamin'ny lasa.

ENDRIKY NY LISITRA: Ahoana no atao hanavaozana ny dika IA ao amin'ny Facebook amin'ny lahatsoratra iray

Atombohy amin'ity, mety hampiasa im-betsaka an'io ianao:

Ataovy izao manaraka izao isaky ny hanao fanavaozana manan-danja amin'ny lahatsoratra iray ianao:

  • Adikao ny rohy avy amin'ilay lahatsoratra avy navaozinao
  • Tsidio ny Sharing Debugger
  • Apetaho ilay rohy
  • Tsindrio ny Debug
  • Tsindrio ny marika Scrape Again (Pasohy indray) eo amin'ilay pejy nivoaka avy eo

NETY VE? Fanamarinana ny dika IA amin'ny  lahatsoratra iray

  • Ampiasao ny Facebook eo amin'ny findainao (tsy iPad/Tablet)
  • Tsindrio eo amin'ny toerana iray nizaranao ny hafatrao
  • Tokony hahita ilay dika Instant Articles ianao, hamarino fa tokony vita fanavaozana ny votoatiny.

MISAOTRA AMIN'NY FAHARETANAO: Miala tsiny, mahamonamonaina izy ity

Manantena aho fa hanana dika iray vaovao amin'ilay plugin ry zareo mba hahafahan'izy io handeha ho azy amin'ny manaraka, hohelingeleniko foana ireo raha ohatra ka ilaina.

Eo ampiandrasana izany, mifalifalia miaraka amin'ilay namana vaovao tsy foinao, Sharing Debugger.

Sary 2 – Ireo tena namana. (Fihaonambe GV 2017 tany Kôlômbô, sary an'i Jer Clarke)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.