An-tsary: Mikarakara matso iray i Nepal mandritra ny volana natokana erantany ho an'ny fireharehana (pelaka)

Takelaka mampiseho fironana ara-pananahana sy ny karazana samihafa, tao Maitighar Mandala, nandritra ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Nihofahofa ireo saina sy elo mivolon'avana nandrakotra ny Maitighar Mandala, tsangambato manamarika miorina ao afovoan'i Katmandou, raha ireo tanora mpikatroka kosa nivondrona mba hanamarika ny matso voalohany indrindra ho an'ny pelaka tao Nepal tamin'ny 29 jona 2019 teo.

Na dia nankalazaina isantaona tao Gaijatra — fetibe nepaley ankalazàna ireo maty sy ny fanamaivanana ny hirifiry amin'ny alàlan'ny hatsikana izay amin'ny ankapobeny mitranga isaky ny volana Aogositra na Septambra – aza ny matson'ny LGBTQ+ , izao no voalohany nitrangana karazana hetsika toa io nandritra ny Volana iraisampirenena  Fankalazana ny Fireharehàna (pelaka). Namory olona avy aminà karazana sy fironana ara-pananahana samihafa izy io, noporofoin'ireo karazana takelaka midadasika isankarazany naranty.

Nanoratra teo amin'ny Facebook ireo mpikarakara ilay matsom-pireharehana, nanao hoe:

Tsy hoe hetsika ho fireharehàna sy fankalazana an'ireo fironana ara-pananahana samihafa fotsiny ireo matsom-pireharehàna ireo, fa ihany koa tolona iray hisian'ny miralenta. Toy izao manaraka izao ny fotokevitry ny Matsom-Pireharehàna tamin'ity taona ity : fampiatiana ireo mpifankatia manana fananahana mitovy (vitsy an'isa ara-pananahana sy karazana) ho amin'ireo ambaratongam-panjakana rehetra sy ny dingana famolavolana fanapahankevitra.

Na eo aza ny fampidirana ao anatin'ny Lalàm-panorenana, tsy misy mihitsy amin'ireo andrim-panjakàna no ahitàna ‘pelaka’. Ndeha isika hifanome tànana hankalaza ny fahasamihafàna ara-pananahana, ny karazana ary ny fironana ara-pananahana. #NepalPrideParade

Nankalazaina tamim-pahombiazana androany ny matso voalohany indrindra ho an'ny Fireharehàna nokarakarain'ny tanora, ny Queer Youth Group ary ny Queer Collective Nepal tao Nepal nandritra ny Volana ho an'ny Fireharehàna .#NPP2019 #NepalPrideParade pic.twitter.com/AiLX151LAi

Matso ho an'ny Fireharehàna Nepaley, natao voalohany indrindra ny volana Jona, tao anatin'ny Volana natokana erantany ho an'ny Freharehàna.#NPP2019 @queeryouthgroup ao anatin'ny firaisankina pic.twitter.com/DzHMH1VQe7

Tena mandrisika ny mahita tanora Nepaley mandray anjara mavitrika amin'ny fihetsiketsehana ho an'ny zon'ireo LGBTQI ao Nepal. Tena areti-mifindra tsy azo lavina ny angovo tao amin'ilay matso ho an'ny fireharehàna androany. Mirary Volam-pireharehàna finaritra #PrideMonth pic.twitter.com/JuFOOfcfoZ

Na somary liam-pivoarana aza i Nepal amin'ny resaka zon'ireo LGBTQ +  —  tamin'ny taona 2015 i Bhumika Shrestha mpikatroka, avy amin'ny karazana fahatelo, ho an'ny miralenta, dia nahazo pasipaoro nasiana fanamarihana ny fananahany hoe “O” fanafohezana ny ‘Other, na ‘Hafa’ ary tamin'ny 21 desambra 2007 dia neken'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenena tao Nepal tamin'ny fomba ofisialy ny fisian'izany  – mbola lavitra ny làlana ho diavina.

Feno ny zotom-po sy fientanentànana, notakian'ireo mpandray anjara tamin'ny matso ny hanànana zo mitovy, anisan'izany ny fanambadiana eo amin'ireo olona mitovy fananahana sy ny fahafahana manangan-jaza. Rehefa nanao matso tao Maitighar Mandala ho any New Baneshwor izy ireo, nampiasain'izy ireo ihany koa ilay hetsika ho sahala amin'ny fotoana fampianarana ny olona momba ireo vondrom-piarahamonina ‘pelaka’ samihafa, lavitry ny fampiasana ny teny mahazatra LGBTQ+.

Ary dia nandihy izahay – nanoroka tovovavy iray aho ary dia tiako ery izany. Ny tsironà frezy avy amin'ny lokomena tamin'ny molony ??? #NPP2019 #NepalPrideParade #pridemonth2019 ?????? @RukshanaNewa @JMaskay pic.twitter.com/ZMA5gkkHdR

Faly avokoa ny rehetra ?#nepalprideparade #NPP2019 ??? pic.twitter.com/Np2ZFqlxkU

Tsiriho ireo sary mikasika ilay hetsika, ny mpanoratra no naka azy rehetra:

Tandinon”ny mpandray anjara iray manofahofa saina mivolon'avana tamin'ny matson'ny Fireharehana Nepal 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Mpandray Anjara iray tamin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra

Mpandray anjara iray manofahofa ny saina mivolon'avana tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra

Mpandray anjara iray misalotra ny saina mivolon'avana tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Mpandray anjara iray tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Ireo mpandray anjara tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Ireo mpandray anjara tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Ireo mpandray anjara tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra.

Mpandray anjara iray manangana tangolimihodina (pinwheel) mivolon'avana tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019. Sary an'ny mpanoratra

Ireo mpandray anjara tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019 tao New Baneshwor. Sary an'ny mpanoratra

Ireo mpandray anjara tao amin'ny Nepal Pride Parade 2019 tao New Baneshwor. Sary an'ny mpanoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.