Mibilaogy ny nofinofy: Manely ny Teny
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana : Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009)
Nahazo tosika kely ny tetikasan'ny Orizonturi Foundation “Mibilaogy ny nofinofy” tamin'ny Novambra rehefa nahazo fanasan'ny Soros Foundation i Gabriela Tanasan, mpitarika ilay tetikasa mba handray anjara tamin'ilay kaonferansa nokarakarain-dry zareo tao Bucharest, Romania, nitondra ny lohahevitra hoe “Fisoloana Vava Amin'ny Alàlan'ny Fanoratana Bilaogy“. Kaonferansa atrikasa fanofanana tafiditra amin'ny antsoina hoe Tranonkala 2.0 , ho an'ireo fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa ao Romania.
Miorina ao an-tanànan'i Câmpulung Moldovenesc, Romania, hatramin'ny 1995 ny Orizonturi Foundation no efa nanampy ireo manana olana amin'ny fahasalaman'ny saina, amin'ny fanomezana ireo tolotra miainga avy amin'ny fanomezana torohevitra ka hatrany amin'ny fikarakarana fitsangantsanganana. Ny tetikasa “Mibilaogy ny nofinofy”, vatsian'ny famatsiambola madiniky ny Rising Voices, dia mirotsaka an-tsehatra manangana klioba fanoratana bilaogy ho an'ireo mpampiasa ny tolotra atolotr'izy ireo ho fitsaboana aretin-tsaina, ka ao ireo mpandray anjara no miofana amin'ny fomba famoronana sy fitantanana bilaogy, mampiasa aterineto, ary mampakatra lahatsary. Any amin'ny farany izy ireo dia hamorona bilaogy iray iraisany, izay antenain'ilay fikambanana fa hanampy amin'ny famotehana ny fitsaratsarampoana atrehan'ireo olona manana tsy fahasalamana ara-tsaina ao Romania, hatramin'ny famoronana fanentanana iray momba ny olan'izy ireo.
Tamin'ny Novambra, i Tanasan no nanao fampahafantarana ny tetikasa “Mibilaogy ny nofinofy” tao amin'ilay kaonferansa nokarakarain'ny Soros Foundation. Natrehany ihany koa ireo fotoana hafa toy ny “Fampiasàna ny fitaovan'ny media sosialy ho amin'ny fanentanana mahomby tsy ikatsahana tombontsoa,” ny “Torolalana Web 2.0 azo ampiharina ho an'ireo ONG,” sy ny “Tetikadim-pifandraisana mampiaty ho an'ireo ONG.” Faritan'i Tanasan ny zavatra niainany tao amin'ilay kaonferansa ary resahany ny fomba nataony ampiharana ny fahalalana vaovao azony mba hanasongadinana ity tetikasan'ny Rising Voices ity:
Fotoana iray lehibe fanararaotra ho ahy ny nandraisako anjara tamin'ilay kaonferansa nokarakarain'ny Soros Foundation mba hianarako sy hitarihako fifanakalozana traikefa momba ny fampiasana ireo fitaovana vaovaon'ny media.
Nitombo fahalalana aho momba ny famoronana sy fitantanana bilaogy. Nody niaraka tamina hevitra vaovao momba izay ametrahana ny tetikasanay “Mibilaogy ny nofinofy”. Ny fanontaniana mila apetratsika amin'ny tenantsika mba hanànana bilaogy iray fantatry ny rehetra, misy zavatra ifantohana ary ilaina, dia ny hoe : ‘Inona no tanjona voalohany ho an'ilay bilaogy?’, ‘Nahoana ny mpamaky no mety ho liana amin'ilay tanjona napetrany?’, Inona no tena tian'ny olona indrindra rehefa miditra anaty aterineto ry zareo: ny mamaky, mijery sary / lahatsary, mitroka saripika / kisarisary / torohay ve ?,’ ‘inona no tetika tokony horaisina mba hahatratrarana mpamaky betsaka kokoa ka ho tratra ny tanjontsika?” ary mbola azo tohizana ny andiam-panontaniana.
Hitan'i Tanasan koa hoe fotoana lehibe fanararaotra ilay kaonferansa mba hanelezana ny teny momba ny tetikasa “Mibilaogy ny nofinofy” any amin'ireo izay miasa eny an-kianja, sy koa hanairana ny olona ho tonga saina momba ny Orizonturi Foundation sy ny asa ataon'izy ireo. Fandrisihana goavana ireo tamberina miabo. Avy ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa:
Mampientanentana ny mahita ny hafa liana amin'ireo ezaka ataon'ny tetikasanay, tsy lazaina intsony ireo fandrisihana sy ny tamberina voaray. Fanampin'izany, nivimbina torohay marobe i Gabriela momba ireo fitaovana fanampiny amin'ny fanaovana bilaogy izay efa tsy andrinay ny hametrahana azy nandritra ny Vanimpotoana Fianarana Asa nataonay.
Tapitra ny lafiny fiofanana teknika tamin'ny tetikasa “Mibilaogy ny nofinofy”, fotoana nianaran'ireo mpandray anjara ny fomba fanoratana bilaogy, ny fampiasàna fakantsary nomerika ary ny fampakarana sary. Efa manomana tsikelikely ny bilaoginy izao ireo mpandray anjara. Dingana manaraka amin'ny tetikasa ny vanimpotana fianarana asa. Mandritra io fotoana io ireo mpikambana ao anatin'ilay klioba fanoratana bilaogy no hihaona isankerinandro sy hanatontosa tetikasa mba hampisehoana izay nianaran-dry zareo hatreto. Ho ampiasain-dry zareo ihany koa io fotoana io mba hivoarana bebe kokoa sy hifankahazarany tsara amin'ny bilaogin-dry zareo. Ambaran'i Tanasan fa mandritra io vanimpotoana ao anatin'ny tetikasa io dia ho ampihariny izay nianarany nandritra ny kaonferansa nokarakarain'ny Soros Foundation :
Hanomboka ny vanimpotoana fianarana asa amin'izay ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa “Mibilaogy ny nofinofy” , ny 15 Janoary 2009. Ho arahantsika maso akaiky ireo endrika rehetra voalaza momba ny famoronana bilaogy ho an'ny isambatan'olona, ary avy eo ny bilaogy itambarambe. Ny bilaogy dia tokony horaisina amin'ny maha-‘tontolom-pifandraisana irasain'ny rehetra’ azy , toerana iray ifamotoanan'ny vaovao sy iaingan'izy ireny indray avy eo. Ny vanimpotoana fianarana asa dia manome ahy ny vintana hampihatra ireny hevitra ireny.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...