Fantaro i Andria Piciau: Fanontaniana sy Valiny ifanaovana amin'ny mpikatroky ny teny Sardiniana

Sary avy amin'i Andria Piciau, nahazoana alalana

Mihahita taratra hatrany amin'ny habaka anjotra ny fahasamihafam-piteny Eoropeana, izay ampiasain'ireo mpitenim-paritra sy fiteny vitsy an'isa ary vondrom-piarahamonina fitaovana nomerika sy fampahalalam-baovao hitahirizana, hampiroboroboana sy hamelomana indray ny lovany ara-piteny. Ao anatin'izany toe-tsaina izany, mikarakara ny fandrindràna mifandimby ao amin'ny kaonty X (Twitter taloha) ny  fanentanana anjotra @EuroDigitalLan an'ny Rising Voices. Milaza ny tantarany manokana amin'ny fiteniny ao ireo mpikatroka sy mpandala ny fiteny, mifandray mivantana amin'ny mpihaino/mpamaky azy ary mizara ireo fanamby mbola misy sy ny fahombiazana.

Amin'ity antsafa tamin'ny mailaka ity, mizara ny topimason'ny asan'ny teny APS ny vahiny manaraka, Andria Piciau avy ao amin'ny Acadèmia de su Sardu APS, izay miasa amin'ny fiteny Sardiniana. Misy fampahalalana bebe kokoa azo jerena ao amin'ny kaontiny X: @academiasardu. Andria no hitantana ny kaonty mandritra ny herinandron’ny 8–14 aprily 2024

Rising Voices (RV): Azafady mba lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.

Andria Piciau (AP): Tompon'andraikitra amin'ny teknolojian'ny fiteny ao amin'ny Academia de su Sardu APS aho, fikambanana mpanao asa soa mifantoka amin'ny fampiroboroboana sy fiarovana ny teny Sardiniana ary ny zon'ny mpiteny azy. Ny fikambananay dia vondrom-piarahamonina isan-karazany ahitana ireo mpahay teny, manampahaizana momba ny fiteny, mpampianatra ary mpianatra izay samy manam-pitiavana amin'ny fiteny sy ny kolontsaina Sardiniana.

Ao amin'ny Academia no namolavolako ny “sardu.wiki,” sehatra fifanakalozan-kevitra  amin'ny fandraketana ny (fiteny) Sardiniana. Ny tetikasa voalohany nampiantranoina tao amin'ity sehatra ity dia antsoina hoe “LemONS” (“ny Voambolan'ny Sardinianina amin'ny Tsipelina Mahazatra”) ary ahitana fikarohana betsaka momba ireo fironan-teny voasokajy amin'ny alàlan'ny soso-kevitray mampanaraka lasitra, “Su Sardu Standard.” Ahafahan'ny mpisera mandrakitra ireo karazan-teny ao an-toerana, ny fanononana ary ny fomba fiteny, tohanan'ny sari-tany ifarimbonana izay mampiseho ny fitsinjarana ara-jeografika an'ireo karazan-teny ireo ity hetsika ity. Manamarika ny fiantombohan'ny Atlas fiteny Sardinianina izany, ezaka lehibe voasoritra ao amin'ny satanay.

Lafiny manan-danja iray amin'ny asanay ny fametrahana anaty lasitra iray (standardization) ny (fiteny) Sardiniana ho amin'ny fenitra roa (ho an'ny karazany lehibe Campidanese sy Logudorese-Nugorese, izay vondrom-pitenim-paritra manana fitoviana sy fifandraisana anatiny ary  ampiasaina ho tondro mora ampiharina ho an'ny mpianatra sy ny sekoly ambony, no sady manaiky ny fisampanan'ny fiteny sy ny harenany. Efa ofisialy any atsimon'i Sardinia ny fenitra narosonay momba ny Campidanese Sardiniana, ary tamin'ny herintaona aho nanampy tamin'ny fampahafantarana ny asa manontolo nandritra ny fihaonambe akademika tany Pays de Galles sy Alemaina.

RV: Manao ahoana ny toetry ny fiteninareo amin'izao fotoana izao na anjotra na ivelanjotra?

AP: Nosokajian'ny UNESCO ho fiteny “tandindonin-doza tanteraka” ny Sardiniana, eo ambavahoanan'ny “tandindomin-doza mafy”. Tsy tafiditra ao anatin'ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly izy, fa mizara ho karazany midadasika roa: Campidanese any atsimo sy Logudorese-Nugorese any avaratra.

Maherin'ny antsasaky ny mpiteny Sardiniana no mampiasa ny karazana midadasika amin'ny Campidanese, izay manjavona noho ny fampiasana ny teny italiana, indrindra any amin'ireo tanàndehibe toa an'i Cagliari sy Quartu Sant'Elena, izay saika nanjavona amin'ny sehatra ankalamanjana. Mifanohitra amin'izany kosa, mirona ho mpandala ny nentin-drazana kokoa ny karazana Logudorese-Nugorese, ao anatin'izany ny zana-karazany Nugorese ampiasaina manodidina an'i Nuoro, ary mijanona ho manjaka indrindra any amin'ireo salantsalan-tanàndehibe.

Nahitana fitomboam-pahalianana hatrany ny fiteny Sardiniana tato anatin'ny taona vitsivitsy amin'ny fitahirizana sy fampiroboroboana, na dia takon'ny fametrahana anaty lasitra iray aza ny ezaka, indrindra tamin'ny tsy fahombiazan'ny tolo-kevitra Limba Sarda Comuna, nitadiavana fenitra tokana. Nampiseho ny filàna fomba fijery iraisana (mampiaty) kokoa amin'ny lahateny manodidina ny fiteninay izany zava-misy izany, zava-bita izay mihamahazo fankatoavana tsikelikely eo amin'ireo mpiteny sy andrim-panjakana.

Misitraka fisiana matanjaka ao amin'ny Facebook amin'ny vondrona sy pejy manokana ny Sardiniana ao amin'ny aterineto, na dia mivadika teny italiana aza ny resaka matetika noho ny tsy fahampian'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra amin'ny teny Sardiniana. Manasongadina ireo fanamby mbola mihatra amin'ny famelomana sy fampiroboroboana ny fiteny amin'ny vanim-potoana nomerika ity toe-javatra ity.

RV: Inona no antony manosika anao hahita ny fiteninao amin'ny sehatra nomerika?

Ao anatin'ny tontolo mifandrohy toa ny antsika, miova haingana ny antsoin'ny mpahay haiteny ara-tsosialy hoe “tontolon'ny haiteny”. Tsy midika fotsiny ity endriteny (tontolo) ity hoe manana fiteny voasoratra eny ankalamanjana na toeram-pihariana, toy ny takelaka ara-pifamoivoizana, takela-pihariana, dokambarotra, afisy, sns, araka ny namaritana azy tany am-boalohany. Tafiditra ao anatin'izany koa ny “tontolon'ny fiteny (endriteny) nomerika” tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny media sosialy sy ny votoaty anjotra hafa. Mino izahay ao amin'ny Acadèmia de su Sardu APS fa zava-dehibe ny fampiroboroboana ny fisian'ny fiteny Sardiniana ao amin'ireo toerana rehetra ireo noho ny antony roa lehibe.

Voalohany, tsy maintsy mahita ny fanohanana rehetra ilainy amin'ny fomba tsotra sy haingana araka izay azo atao izay rehetra liana amin'ny fanampiana ny dingana famelomana indray ny fiteny.

Mino izahay fa tena ilaina izany ho an'ny taranaka tanora, izay nifindran'ny teny Sardinianina avy amin'ny tenim-piarahamonina ho amin'ny fiteny nolovaina, ary miha-nomerika kokoa ny fiainany. Mila mahita hirika hianarana sy vondrom-piarahamonina ao amin'ity tontolon'ny nomerika ireo mpiteny azy ireo mba hahafahan'izy ireo manabe voho, tahaka ny fomba nahafahany mahita fanohanana any amin'ny faritra iainan-dry zareo.

Faharoa, tsy tokony ho lavitry ny toerana misy ny fiainanay ara-toekarena, izay anjotra ankamaroany ny fiteny Sardiniana. Mba hisorohana ny fisarahana, manantena izahay fa afaka manampy amin'ny fanoherana ny fanilihana ny fiteny Sardinianina amin'ny seha-bahoaka ka hampanara-dalàna ny fiteny.

RV: Farito ny sasany amin'ireo fanamby manakana ny fiteninao tsy ho azo ampiasaina feno anjotra.

AP: Ny olana lehibe hitanay ao amin'ny Academia de su Sardu APS dia ny tsy fahampian'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra amin'ny fiteny Sardiniana, miainga avy amin'ny tsy firaharahiana am-polony taona maro na koa fankahalana mihitsy avy amin'ireo andrim-panjakana eo an-toerana. Miitatra mihoatra ny fandikana an-tsoratra ny fitenim-paritra mankany amin'ny fahaizana fototra mamaky sy manoratra amin'ny fiteny Sardiniana ity olana ity, ao anatin'izany ny fehezanteny tsotra na ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra fohy an-tsoratra. Ireo mpiteny teratany, izay tsy zatra mahita ny fiteniny amin'ny endrika an-tsoratra, matetika no mahatsapa “harerahana amin'ny fiteny” ary sahirana mamaky lahatsoratra fohy.

Fanampin'izany, misy ny tsy fahampiana mivaingana amin'ny fampahafantarana ny fitenim-paritra ivelan'ny an'ny tena manokana, indrindra eo amin'ireo taranaka nahabe zaza teraka, izay manasarotra ny fitadiavana fehezan-teny mahazatra amin'ny fifandraisana anjotra. Ireo mpandahateny tanora kokoa, tsy dia zatra amin'ny fiteniny, no mora mirona kokoa hitrandraka ny fiovaovam-piteny.

Fanamby lehibe iray hafa koa ny fisian'ny foto-kevitra ara-piteny matanjaka, toy ny foto-kevitra “olona iray fiteny iray” tohanan'olona vitsy an'isa. Ity fomba fijery ity dia manosika ny fomba fandasirana (standardization) tokana, matetika mitarika mankany amin'ny lahatsoratra anjotra amin'ny teny Sardiniana artifisialy, voamariky ny tsy fahatomombanan'ny voambolana sy ny firafitry ny teny. Hita indraindray amin'ny asan'ireo mpiteny tsara fikasana miezaka mandray anjara eo amin'ny fiarahamonina ny olana mitovitovy amin'izany. Mampalahelo fa manakana ny mpiteny teratany tsy handray anjara eo anivon'ny fiarahamonina ary miteraka fanamby ho an'ny mpianatra ny votoaty Sardiniana ratsy tefy toy izany.

RV: Inona no dingana mivaingana heverinao azo atao mba hamporisihana ny tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hampiasa ny fiteniny hatrany?

AP: Tenim-bakoka ankehitriny ny fiteny Sardiniana, fiteny vitsy an'isa manan-tantara miely patrana indrindra ao Sardinia fa tsy mavitrika miteny izany ireo tanora maro avy amin'ny fianakaviana miteny Sardiniana. Manana fahalalàna fototra ihany amin'ny atao hoe “sardiniana tsara” ireo olona ireo saingy kivy amin'ny fianarana na fampiasana ilay fiteny satria tsy mahita izay nantenainy manokana sy ny tsy fahampian'ny fitaovam-pianarana sy ny fahafahana mampihatra ny fiteny. Miatrika ireo fanamby ireo amin'ny alalan'ny fampivelarana fitaovana enti-mampianatra sy ny famoronana tontolo iarahana amin'ny fampiharana ny fiteny amin'ny alalan'ny hetsika toy ny “Su Sardu Standard”, ny tetikasa “LemONS”, ary ny fampianarana sy ny fivoriana anjotra ny Academia de su Sardu. Kinendrin'ireny ezaka ireny ny hanome fototra ara-pitsipi-pitenenana mivaingana no sady mitrandraka ireo karazam-piteny. Nampitombo ny ezaka nataonay izahay tao anatin'ny taona vitsivitsy izay mba hanatratrarana mpianatra betsaka araka izay tratra.

Na izany aza, manaiky ny Academia de su Sardu fa tena ilaina amin'ny famelomana indray ny fiteny Sardinianina ny politika feno momba ny fiteny avy amin'ny governemanta Sardiniana. Ny politika toy izany no tokony hanohana amin'ny fomba hentitra ny fiteny sady manaja ny karazany, mivoaka mihoatra ireo foto-pisainana tsy mamokatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.