Tantara tamin'ny 23 Marsa 2019
Mpanao gazety Rosiana noterena hiala noho ny fitsikerany ireo manampahefana ao St. Petersburg tao amin'ny fantsona Telegram
Nilaza i Maria Karpenko, mpanao gazety ao amin'ny Kommersant, iray amin'ireo gazety mpivoaka isan'andro malaza ao Rosia fa noterena hametra-pialana izy rehefa avy nifanatrika taminy momba ny fantsona Telegram tantaniny ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra.
Shina: Voaheloka higadra telo taona ilay mpitantana ny tranonkala mpiaro ny zon'olombelona
Ity no fisamborana faharoa an'i Huang. Nosamborina izy tamin'ny 3 Jona 2000 noho ny fiampangana azy tamin'ny "fandrisihana fanakorontanana" ary voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina. Voampanga ho namoaka lahatsoratra momba ny hetsi-panoherana nosoratan'ireo mpanohitra monina any ivelany izy tao amin'ny tranonkalany.
Jordania: Miady hevitra momba ny mety ho Fivorian'ny Vaomieran'ny Fiaraha-Miasa ao amin'ny Helodrano
Niteraka fanehoan-kevitra marobe ny fanambarana fa mety hanatevin-daharana ireo mpikambana enina ao amin'ny Filankevitry ny Fiarahamiasan'ny Helodrano (Gulf Cooperation Council -GCC) na (GCC) i Jordania sy i Maraoka.
Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices amin'ny lokan'ny fahalalaham-pitenenana
(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Natao ny 29 Desambra 2009 ny fanendrena ho an'ny Loka Breaking Borders , loka vaovao nokarakarain'ny Google sy ny...