Noafahana i Mahmoud ‘Shawkan’ Abu Zeid mpaka sary fanao an-gazety rehefa nigadra nandritra ny dimy taona mahery tany am-ponja

Nosamborina tamin'ny volana Aogositra 2013 i Shawkan raha nitatitra momba ny fitokonana manohitra ny fanesorana ny filoha Ejiptiana teo aloha Mohamed Morsi. Sary nozarain'ny fanentanana Fahafahan'i Shawkan tao amin'ny Facebook.

(Hijanona eo ambany ‘fanaraha-mason'ny polisy’ mandritra ny dimy taona manaraka i Shawkan)

Navotsotra ny fonja tany Ejipta tamin'ny 4 Martsa i Mahmoud Abu Zeid, izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Shawkan rehefa avy nigadra dimy taona.

Nanambara ny famotsorana ity mpanao gazety ity vao marainan'ny Alatsinainy tamin'ny famoahana ny sariny sy ny rainy ary ny rahalahiny ny fanentanana “Fahafahana ho an'i Shawkan”.

Notanana tamin'ny 14 Aogositra 2013 i Shawkan raha naka sary ny fitokonana ao Rabaa El Adaweya izy, izay nahitana ireo mpanohana ny filoham-pirenena Ejiptiana teo aloha Mohamed Morsi nivory mba hanohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila ka niafara tamin'ny fialany ny faha-3 Jolay tamin'io taona io. Nahafaty olona miisa 817, fara fahakeliny, ny mpitandro filaminana Ejiptiana ary olona maro hafa no naratra , araka ny Human Rights Watch, rehefa nanaparitaka ny fitokonana izy ireo.

Nandany efa-taona teo ho eo nandritra ny fitazonana azy vonjimaika mialoha ny fanamelohana azy i Shawkan, izay niasa ho an'i Demotix tamin'ny fotoana nisamborana azy. Izany dia manitsakitsaka ny lalàna Ejiptiana, izay mamaritra ny fe-potoana fanagadrana vonjimaika fara-fahabetsany ho roa taona. Notsaraina niaraka tamin'ny voampanga miisa 739 hafa izy izay fantatra amin'ny hoe “Raharaha Fanaparitahana Rabaa”.

Tamin'ny 8 septembre 2018, nanameloka azy ny Fitsarana Heloka Bevava tao Kairo tamin'ny vesatra tsy ara-drariny tamin'ny famonoana olona sy ny fifandraisana tamin'ny Mpirahalahy Miozolomana, izay nofaritan'ny governemanta Ejiptiana ho vondrona mpampihorohoro ankehitriny.

Voaheloka ho faty ny mpikambana malaza sy ireo mpiara-dia amin'ny Mpirahalahy Miozolomana miisa 75 nandritra io fitsarana io ihany, ary voasazy higadra mandra-pahafaty ireo voampanga miisa 47.

Nitazona an'i Shawkan tany am-ponja tsy nisy fanazavana ofisialy ny fitondrana Ejiptiana na dia nandany dimy taona tany an-tranomaizina aza izy. Tamin'ny volana Novambra 2018, nahita ny sehatra famoaham-baovao Ejiptiana Mada Masr fa najanona any am-ponja mandritra ny enim-bolana fanampiny i Shawkan sy ny olona miisa 214 hafa satria nihevitra azy ireo ho tsy afaka handoa onitra ho an'ny fahasimbana nitranga nandritra ny fitokonana sy ny fanaparitahana izany ny mpampanoa lalàna..

Na dia teo aza ny famotsorana azy dia mbola eo ambany “fanaraha-mason'ny polisy” mandritra ny dimy taona fanampiny i Shawkan, izay midika fa tsy maintsy mandalo any amin'ny foiben'ny polisy izy isan'andro amin'ny hariva. Ao amin'ny paositry ny polisy izy no hatory ny alina, mandra-pahatongan'ny didim-pitsarana fanalefahana ilay antsoin'izy ireo hoe “fepetra fisorohana.”

Atao fahirano ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety  

Mbola ao anatin'ny fahirano ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Ejipta, izay mbola ahitana fisamborana sy fanenjehana ary fandrahonana ataon'ireo manampahefana ireo mpiasan'ny fampitam-baovao tsy miankina. Tamin'ny 29 Janoary, notanan'ny manampahefana tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena tao Kairo ilay mpanao gazety sady mpikaroka momba ny zon'olombelona Ahmed Gamal Ziada rehefa tonga avy any Tonizia avy nianatra momba ny asa fanaovan-gazety. Taorian'ny fisamborana azy, nanjavona nandritra ny roa herinandro i Ziada, mandra-pahamelohana azy ho nanely vaovao diso tao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny 13 Febroary. Nomena famotsorana vonjimaika izy rehefa nandoa onitra ny 2 Martsa ary eo am-piandrasana famotorana azy.

Tamin'ny 19 Febroary, notanan'ny mpitandro ny filaminana tao amin'io seranam-piaramanidina io ihany koa ilay mpitati-baovao ao amin'ny New York Times, David D. Kirkpatrick, raha iny izy tonga iny. Nalaina ny findain'i Kirkpatrick ary notanana nandritra ny adiny fito tsy nisakafo na nisotro rano izy, hoy ny New York Times. Noroahina nankany Londra tsy nisy fanazavana izy nony avy eo .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.