Lahatsary: ​​Ahoana ny ataon'ny polisy sy ireo manampahefanan'ny fadintseranana amin'ireo bilaogera rehefa any amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo?

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 21 Oktobra 2009, nosakanan'ireo mpitandro ny filaminana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo ilay bilaogera Ejiptiana Wael Abbas raha handeha hiverina tany Cairo iny izy. Tamin'ny fotoana roa nandalovany tao amin'ny seranam-piaramanidina dia tsy nandeha niaraka tamin'ny solosainany enti-tanana na ny kapila CD-ny, na ny mémoire flash sy ny carte mémoire-ny i Abbas satria nogiazana tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 izany. Noho izany dia tsy nisy na inona na inona nogiazana tamin'ity indray mitoraka ity.

Saingy nokarohin'ireo manampahefana ny kitapon'i Wael, nisava ny zava-drehetra tao. Nisy ihany koa ny fikasana haka ny fakantsariny, saingy nanapa-kevitra ny hamela izany ilay manampahefana rehefa tsy nahavita namelona ilay fakantsary.

Azon'ireo bilaogera sy mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sary ilay manampahefana nikaroka ny kitapon'i Abbas.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.