Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

05 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 05 Febroary 2019

Shina: Tsy misy tsikera manohitra ny Green Dam intsony!

Ny 10 jona, namoaka fanambarana mampahatsiahy ny fampitam-baovao rehetra mba hitatitra amin'ny lafiny tsara momba ny Green Dam, Youth Escort,  rindrambaiko fanivanana sy fitsikilovana apetraka amin'ny solosaina rehetra amidy ao Shina ny sampan-draharahan'ny fampielezan-kevitra.

Namoaka ny vokatry ny fanivanana ao Azia ny OpenNet Initiative

Nanao fikarohana momba ny aterineto ao Azia sy manerana izao tontolo izao nanomboka tamin'ny taona 2002 ny OpenNet Initiative (famoahana feno: nandray anjara koa aho), ary vao haingana no namoaka ny tatitra farany momba ny fanarahamaso sy ny fifehezana ny aterineto any Azia, ary indrindra any Shina.

Shina: Andron'ny fikojakojana tao amin'ny aterineto Shinoa

Tamin'ny 2 jona, tranonkala maromaro tany ampitan-dranomasina no nakatona, anisan'izany ny twitter, flickr ary youtube. Androany 3 jiona, tranonkala maro ao an-toerana, anisan'izany ny Fanfou (endrika twitter Sinoa) sy ny VeryCD (tranonkala fizarana loharanom-baovao avy amin'ny mpiserasera) no nametraka fanamarihana fanamboarana rafitra milaza fa tsy azo idirana hatramin'ny 6 Jiona ny...

Shina: Mpiserasera nogadraina noho ny “fampielezana tsaho”

Notazonin'ny polisy ao Hubei ilay mpiserasera Xiong Zhongjun noho ny fanadihadiana tao amin'ny aterineto ny mombamomba ilay mpamily fiara nanao lozam-pifamoivoizana. Nanomboka tamin'ny 21 Aogositra ny fitazonana naharitra 10 andro araka ny tatitry ny Xinhua.

Lahatsary: ​​Ahoana ny ataon'ny polisy sy ireo manampahefanan'ny fadintseranana amin'ireo bilaogera rehefa any amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo?

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny 21 Oktobra 2009, nosakanan'ireo mpitandro ny filaminana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo ilay bilaogera Ejiptiana Wael Abbas raha handeha hiverina tany Cairo iny izy. Tamin'ny fotoana roa nandalovany tao amin'ny seranam-piaramanidina dia tsy nandeha niaraka tamin'ny solosainany enti-tanana na ny...

Iran: Nahazo ny loka NPC i Goudarzi, ilay bilaogera voafonja 

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanambara ny Klioban'ny Gazety Nasionaly (NPC) fa ilay bilaogera Iraniana Kouhyar Goudarzi, izay notanana tao amin'ny fonjan'i Evin tao Tehran, fonja malaza ratsy amin'ny fampijaliana ireo voafonja, no nahazo ny loka ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety iraisam-pirenena John Aubuchon 2010.

Notsoahan'ny mpampanoa lalàna Azerbaijani ny fiampangana niteraka resabe an'ilay gadra politika  

Nidera ny fanafahana ho toy ny fandresen'ny vahoaka ireo mpikatroka.

Iran: Atahorana ny ain'ilay bilaogera 

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)  Hrana , sampam-baovaon'ny mpikatroka mpandala ny zon'olombelona no mitatitra fa atahorana ny ain'i Hossein Maleki Ronaghi ary mila fitsaboana maika izy any am-ponja. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina i Hossein Maleki Ronaghi. Iray amin'ireo mpikatroka an-tserasera lehibe ao ambadiky...