Iran: Atahorana ny ain'ilay bilaogera 

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

 Hrana , sampam-baovaon'ny mpikatroka mpandala ny zon'olombelona no mitatitra fa atahorana ny ain'i Hossein Maleki Ronaghi ary mila fitsaboana maika izy any am-ponja. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina i Hossein Maleki Ronaghi. Iray amin'ireo mpikatroka an-tserasera lehibe ao ambadiky ny hetsika manohitra ny fanivànana tranonkala Iran Proxy i Hussein Rongah Melki (fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe “Babak Khoramdin”). Nibilaogy momba ny zon'olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.