Iran: tranonkala iray mpandala ny nentin-drazana voabahana (namoaka diplaoma sandoka an'ny minisitra iray)

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voasivana ny Alef, tranonkala Iraniana iray mpandala ny nentin-drazana andro vitsy lasa izay (Aogositra 2008). Tranonkala sy bilaogy maro no nitatitra fa namoaka ny mari-pahaiza (Ph.D) “sandoka” avy any Oxford an'ny Minisitry ny Atitany Iraniana ny Alef ary nahitana fahadisoana maro tamin'ny teny Anglisy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.