Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nahoana no mbola monina any amin'ny hotely foana ireo Armeniana nifindra monina, 30 taona taorian'ny nandosirany an'i Azerbaijan?

Ny hotely Naira any Yerevan, fonenan'ny mpitsoa-ponenana avy any Azerbaijan. Sary nalaina tao amin'ny Chai-Khana.org. Nahazoana alalana.

Ity manaraka ity dia tantara avy amin'ny Chai-Khana.org ary navoakan'ny  Global Voices eto indray noho ny fifanarahana fiaraha-miasa. Avy amin'i Aren Melikyan sy Hermine Virabian ny lahatsoratra sy ny lahatsary  .

Ankehitriny, fonenan'ny taranaka nifandimby telo ity trano fandraisam-bahiny ity, anisan'izany ny zafikely sy ny zanak'ireo olona voatery nitsoaka an'i Azerbaijan tamin'ny taompolo 1980, nandritra ny vanim-potoana mialoha ny ady tany Karabakh. Na dia teo aza ny fiandrasana dia tsy very fanantenana izy ireo fa homena trano fonenana any Armenia indray andro any.

Nandritra ny taona maro, tsy nisy nihaino ny ankamaroan'ny antso sy ny taratasy fangatahana fanampiana nataon'izy ireo. Na dia ireo nahazo valiny avy amin'ny manampahefana aza dia tsy nahazo na inona na inona afa-tsy fampanantenana fotsiny ihany.

Rehefa afaka telopolo taona nonenana tao amin'ny “efitrano” 11 metatra toradroa tao amin'ny tranobe iray tsikaritra amin'ny foto-drafitrasany mampalahelo dia nangataka trano vaovao avy any amin'ny fanjakana ny fianakaviana sasany. Saingy matahotra ny hanao izany izy ireo satria mety ho very hatramin'ny efitrano honenany ao amin'ny Hotely Nairi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.