Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

29 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 29 Janoary 2019

Macau: Fibahanana ara-politika

GV Mpisolovava

Nahita ireo mpiserasera aterineto avy any Macau fa namelona ny rafitra fanivanana miankina amin'ny voambolana lehibe ny sehatra fifanakalozan-kevitra lehibe indrindra ao Macau, cyberctm ary nanaisotra ny teny hoe "Lehiben'ny mpanatanteraka" sy ny solony "Lehiben'ny Mpangalatra"

Ny tantaran'ny Biryani : Ny Biryani ve no sakafom-pirenena any Pakistana?

Azo heverina ho toy ny mpanjakan'ny lakozia any Azia Atsimo ny Biriyani kanefa izany ve no sakafom-pirenena ao Pakistana?

Fantaro i Ruben Hilari Quispe, mpampiatrano ny kaonty Twitter @ActLenguas manomboka ny 28 Janoary ka hatramin'ny 3 Febroary 2019

Rising Voices

Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Ruben Hilari Quispe izay mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 28 Janoary 28-3 Febroary 2019 ao amin'ny fanentanana amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroana ara-pîtenenana antserasera.

Torolàlana Hiantohana ny Fiarovana / Fahatoniana Niomerika ho an'ireo Afrikàna Mpiaro Tontolo Iainana

GV Mpisolovava

Ho an'ny tolona ataon-dry zareo, efa miha-miditra amin'ny fampiasàna fitaovam-pifandraisana niomerika ireo mpiaro tontolo iainana ao Afrika. Saingy vao mainka izy ireo lasa lasibatry ny fanafihana an-tserasera sy ny faneriterena ara-bàtana. Inty ny taridàlana iray ho fampianarana azy ireo hiaro ny fiainany an-tserasera sy eny anivon'ny fiarahamonina.

Nahoana no mbola monina any amin'ny hotely foana ireo Armeniana nifindra monina, 30 taona taorian'ny nandosirany an'i Azerbaijan?

"Nolazaina anay isan-taona fa homena trano izahay amin'ny herintaona."

Voaheloka 3 taona sy tapany an-tranomaizina i Hu Jia 

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Rehefa nigadra nandritra ny efa-bolana tany am-ponja ilay bilaogera monina ao Beijing, Hu Jia dia voaheloka higadra 3 taona sy tapany an-tranomaizina noho ny “fanozongozonana ny fanjakàna”, izay heverin'ny mpisolovavany Li Fangping fa ” mety hisarika tsikera maro iraisampirenena momba...

Iran: Nosivanina ny tranokalam-baovao Jahan

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny bilaogy sy tranonkala Iraniana marobe fa ny tranonkala ao Iran Jahannews (midika hoe vaovao eran-tany) dia voasivana taorian'ny namoahany taratasy iray, nosoratan'ny mpikambana parlemantera Iraniana, izay nitsikera an'i Saeed Mortazavi , ilay lehiben'ny mpampanoa lalàna ao Teheran. Niresaka...

Iran: Hetsi-panoherana antserasera nandritra ny tsingerintaona faha-30 nibodoana ny ambasady Amerikana

GV Mpisolovava

Manamarika ny tsingerintaona fibodoana ny ambasady Amerikana ny 4 Novambra. 30 taona lasa izay, nibodo ny ambasady ireo mpianatra, saingy ankehitriny dia niova tanteraka ny mpianatra, ka tamin'ity indray mitoraka ity, ho fahatsiarovana izany andro izany, dia te-handefa hafatra milamina ho an'izao tontolo izao izy ireo.

Shina: Hetsika antserasera manohitra ny CNNIC

GV Mpisolovava

Nametraka tranonkala fanoherana antsoina hoe FuckCNNIC ny vondrona webmasters mba hanoherana ny politika vao haingana izay mandràra ny olona tsy hisoratra anarana aminny anaran-tsehatra CN.

Tonizia: Nogadraina ilay mpianatra Mohamed Soudani noho ny tafatafa tamin'ny fampitam-baovao iraisampirenena

GV Mpisolovava

Nanjavona tamin'ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia ilay mpianatra Toniziana Mohamed Soudani, 24 taona, rehefa avy nitafatafa tamin'ny Radio Monte Carlo International sy ny Radio France International.