Horohorontany tany Tiorkia : Herintaona lasa izay, fampanantenana poakaty, fiainana simba

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 05 Febroary 2024)

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Nanamarika ny herintaona taorian'ny horohorontany iray nahafaty olona ny 6 Febroary, izay nofaritana ho “loza mahatsiravin'ny taonjato”, izay namely ny faritra atsimon'i Torkia. Tamin'ny 4 ora 17 mn maraina, ora tany an-toerana, nisy horohorontany nanana tanjaka 7,8 namely ny faritanin'i Gaziantep tao Torkia. Ora maromaro taty aoriana, tratry ny horohorontany iray nanana tanjaka 7,5 ny faritany Kahramanmaras tao Torkia. Iraikambinifolo no fitambaran'ireo faritany voakasika. Namoaka fampitandremana amin'ny ambaratonga faha-4 ireo  manampahefana – fampitandremana avo indrindra ampiasaina amin'ny hamehana sy ny loza tena goavana – ary nangataka fanampiana iraisam-pirenena.

Tamin'ny fomba ofisialy, namono olona tampoka be teo  amin'ny 50.000 teo ilay horohorontany, nandratra olona maherin'ny 100.000 ary nampisavoritaka ny fiainan'ireo hafa an'hetsiny maro izay manohy mipetraka any amin'ireo tanàndehibe, kaontenera sy tranolay herintaona taty aoriana. Trano mitontaly 37 000 no voalaza ofisialy ho simba nanerana ny faritany rehetra. Tatitra fanombanana iray nivoaka tamin'ny volana Martsa 2023 no nilaza fa, raha toa ka trano fanampiny 18 000 no fantatra fa mila fanamboarana haingana sy fanamboarana manontolo, dia trano miisa 650 000 no fantatra fa simba. Nisanda maherin'ny 10 miliara dolara tamin'ny toekaren'ilay firenena ihany koa ilay horohorontany, ka namela olona tsy an'asa maherin'ny 650 000. Tamin'izany fotoana dia nampanantena ny filoham-pirenena Recep Tayyip Erdoğan fa hiverina amin'ny laoniny ny fiainan'ny mponina ao anatin'ny herintaona, miaraka amin'ireo trano fonenana omen'ireo manampahefana rehefa vita izany. Nampanantena hanamboatra trano vaovao miisa 319 000 ny filoham-pirenena hatramin'ny volana Febroary 2024 ary mitontaly 680 000 ny fitambarany hatramin'ny taona 2025. Saingy, araka ny voalazan‘ny minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fanajariana ny tany, trano 46 000 monja no vita hatreto ka namela ireo sisa velona tamin'ilay horohorontany ho any anaty fialofana vonjimaika, kaontenera ary tranolay.

Fampanantenana tsy notanterahina

Rehefa nitranga ilay horohorontany dia nampanantena ny hanao hetsika haingana ireo manampahefana ary hanarina indray ny fahavoazana naterany. Volana vitsivitsy monja nialohan'ny fifidianana ankapobeny, nahazo ny fanohanana avy tamin'ireo tena voadona mafy ireny fampanantena ireny mba handatsa-bato ho an'ny Antokon'ny Rariny sy Fampandrosoana (AKP) eo amin'ny fitondrana ary koa ho an'ny filoha am-perinasa.

Adino ireo tatitra marobe momba ny tsy nahavitàn'ny governemanta nisoroka ny fihitaran'ny fahavoazana, na dia io ihany aza, hatramin'ny 1948,  no governemanta nandany lalàna niisa 19 ho famotsorankeloka (andoavana vola) ho an'ireo mpiantoka fanorenana trano tsy nahafeno ny fenitra fiarovana. Marobe tamin'ireo faritra, izay namondronana ireo tranolay sy nanaovana firotsahana an-tsehatra noho ny maha-olona ary voarakitra taorian'ilay horohorontany, no nanjavona niaraka tamin'ny fipoahan'ny asa fanorenana trano. Nandritra ny taona maro, fitsipahana fitokisana niisa 58 napetrak'ireo pôlitisiàna mpanohitra no nolavin'ny AKP, fitsipahana nitakiana ny hananganana vaomiera tsy miankina hanara-maso ny maha-azo antoka ireo tranobe. Antso an'efitra ny an'ireo manampahaizana manokana avy amin'ny Tranoben'ireo Injeniera Zeôlôgy.

Araka ny voalazan‘ny Human Rights Watch, na dia “nisokatra tato anatin'ny volana vitsivitsy aza ny fitsarana an'ireo mpanorina trano, mpanara-maso ny fanorenana sy ny mpiasa ara-teknika, … tsy nisy na iray aza mpiasam-panjakana, ben'ny tanàna voafidy na mpikambana anaty filankevitra monisipaly notsaraina noho ny andraikiny tamin'ny fanomezana alàlana ireo tetikasa fanorenana lavitry ny fenitry ny fanorenana azo antoka, na noho ny tsy nandraisany fepetra hiarovana ny olona monina any amin'ireo trano fantatra fa manana olana ara-drafitra any amin'ny faritra tena atahorana hisy horohorontany”.

Na izany aza anefa, tsy nisy nanova ny vokatry ny fifidianana izy ireny. Araka ny tatitry ny TurkeyRecap nandritra ny fotoanan'ny fifidianana tamin'ny taona lasa, “tsy niteraka fiovàna nahagaga teo amin'ny safidim-pifidianana ilay loza.”

Ankehitriny, herintaona aty aoriana, ary iray volana mialohan'ny fifidianana eo an-toerana sy monisipaly, ny antoko eo amin'ny fitondrana, tantanan'ny filoha, dia nanao fampanantenana bebe kokoa miaraka amin'ny fanantenana hahazo vato mandritra ireo fifidianana ho avy. Raha niteny tao Hatay tamin'ny tsingerintaonan'ilay horohorontany ny filoha Erdoğan dia nivoady fa hanome trano 75 000 manerana an'ireo faritany voakasik'ilay horohorontany ao anatin'ny roa volana ho avy, ary trano 200 000 fanampiny hatramin'ny faran'ny taona 2024.

Fa nandefa hafatra mibaribary iray hafa mialohan'ny fifidianana ihany koa ny filoha : raha tsy mifidy ny kandidàn'ny AKP ireo mponina ao Hatay, dia ho taraiky ny tolotra. Anisany iray amin'ireo faritany voakasika mafy nandritra ilay horohorontany tamin'ny volana Febroary i Hatay, izay tena notsikerain'ny vahoaka sy ireo manampahaizana mafy tokoa ny tsy fisian'ny asa fikarohana sy ny famonjena ny vahoaka, fa ihany koa noho ny fandàvana ny tolo-kevitra sy ny tatitra natolotr'ireo injeniera sy manampahaizana momba ny horohorontany.

Ny trano fonenana anefa dia iray monja amin'ireo olana marobe hafa izay mbola atrehan'ny mponina ao an-toerana.  Taorian'ilay horohorontany, nitondra faisana be ny sehatry ny fambolena : “ny vovoka misy poizina, ny tahirin-drano voaloto ambany kalitao ny vokatra notàzana, ny fihenan'ny varotra noho ny fifindran-toeran'ny mponina” dia tsy inona fa ny vitsivitsy amin'ireny olana ireny, araka ny tatitry ny Turkey Recap. Ary, na teo aza ny fanampiana manan-danja ho an'ireo tantsaha tamin'ny taona lasa, dia mbola mitoetra hatrany ny fiantraikan‘ilay horohorontany tamin'ny tontolo iainana.

Tamin'ny Janoary 2024, tatitra manampahaizana iray nomanin'ny Anjerimanontolo Teknika an'i Konya ho an'ny toeram-ponenana roa tao Kahramanmaras – Palmiye sy Hamidiye — no nanatsoaka hevitra fa ireo tompon'andraiki-panjakana no tompon'andraikitra tamin'ny fahasimbana voalohany indrindra tamin'ireo tangoron-trano fonenana roa. Nofintinin'ilay tatitra fa “nankatoavin'ireo manampahefana mahefa” i Hamidiye, ary “nampiharina tsy nasiana fisalasalana”, na dia naorina tambonin'ny  “fanitsakitsahana ny fotokevitry ny injenieria” aza, tsy nanaraka ny “fitsipika sy ny fenitra mikasika ny horohorontany tamin'ny taona 1975 sy 1998″. Toy izany koa, nanatsoaka hevitra ilay tatitra manampahaizana fa nisy ny “tsy firaharahiana niniana natao avy amin'ireo mpiasam-panjakana” voasaringotra tamin'ny fankatoavana sy ny fanorenana an'ireo tangoron-trano fonenana ao Palmiye.

Ho hita eo raha hisy ny fitsarana ara-drariny sy raha toa ka ho tazonina ho tompon'antoka ireo tompon'andraikitra. Mesut Hancer, izay namoy ny zanany vavy 15 taona nandritra ilay horohorontany tao an-tanànan'i Kahramanmaras, dia tsy mino fa handom-baravarana azy ireo ny rariny indray andro any. Araka ireo tatitra manampahiazana, ilay trano izay nahafatesan'ny zanany vavy “dia naorina teo amin'ny tany tsy marin-toerana, tamin'ny fampiasana akora ratsy kalitao sy simenitra izay azo potipotehana amin'ny tànana”. Saingy tsy nametraka fitoriana teny amin'ny fitsarana ny fianakaviana Hancer, satria azony antoka fa tsy hisy vokany ny andran'izy ireo.

Tsy misy tahiry faobe ho an'ireo angondrakitra mikasika ny horohontany. Noho izany, ny ankamaroan'ireo angondrakitra dia nangonina niainga avy amin'ny fanadihadiana, fanambarana ofisialy sy ny antontan'isa. Vao mainka izany mampanjavozavo bebe kokoa ireo fanambaràna tahaka izay nataon'i Murat Kurum, kandidà an'ny AKP Istanbul amin'ny fifidianana ho ben'ny tanàna. Raha niteny tao amin'ny fahitalavitra i Kurum, izay Minisitry ny Tontolo Iainana tao amin'ny firenena teo anelanelan'ny taona 2018 sy 2023, dia nilaza fa raha atambatra dia olona 130 000 no maty taorian'ilay horohorotany tamin'ny 6 Febroary. Noraisin'ny media teo an-toerana sy ny antoko mpanohitra io teny io  nanakianana ny fanjakana ho manafina ny tena isan'ny maty. Nilaza i Kurum taty aoriana fa io isa io dia tsy mahakasika ny horohorontany tamin'ny 6 Febroary fotsiny, fa ny fitambaran'ny isan'ny maty rehetra niainan'ny firenena hatreto nandritra ireo horohorontany rehetra. Na izany aza, tsy voamarina io tsoakevitra io raha toa ka heverina ireo antontanisa azo raisina, hoy ny mpanao gazety Murat Aguirel. Tao anatin'ny pikantsary iray misy an'ireo rehetra maty voarakitra nandritra ireo horohorontany efa lasa dia nibitsika i Aguirel hoe : “Araka ireo angondrakitra, tsy tafiditra ao anatin'izany ny horohorontany tamin'ny 6 Febroary, 77 852 no isan'ny aina nafoy tamin'ireo horohorontany.”

Ny fanisàna ofisialy an'ireo maty, ny tatitry ny manampahaizana, ny fampanantenana sy ny fanambaràna – herintaona taty aoriana, tsy misy afaka hamerina ireo aina nafoy ireny, na ny hoavy potika na izay fanantenana hiverenana amin'ny laoniny.

Araka ny voalazan‘ny mponina iray tao Antakya, renivohitry ny faritany Hatay, tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny The Guardian, “Tsy antenainay ny hiverenan'i Antakya amin'ny laoniny alohan'ny dimy taona hafa farafahakeliny”. Ary na eo aza izany, mbola mitoetra ny fisalasalàna momba izay fotoana ilaina, na tsy hisy mihitsy, ho an'i Tiorkia mba hiarenana amin'ny dona ara-tsaina noho ilay horohorontanin'ny taonjato. Indrindra indrindra rehefa novinavinain'ireo manampahaizana momba ny horohorontany ny hisiana horohorontany mahery vaika hamely ireo tanàndehibe tahaka an'i Istambul, tanàna izay heverina ho aroaina ho an'ny ampahany maro ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.